bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 38
Ezekiel 38
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 39 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, mitodiha manandrify an’i Gôga, filoha faratampon’ny vahoakan’i Mesèka sy i Tobala, any amin’ny tanin’i Magôga, ka ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana azy.
3
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ry Gôga filoha faratampon’ny vahoakan’i Mesèka sy i Tobala.
4
Hasiako farango vy eo amin’ny valanoranonao mba hitarihako anao an-keriny. Hotereko hivoaka ny taninao ianao sy ny tafikao manontolo, dia ny soavaly sy ny mpitaingina azy samy mareva-pitafiana mbamin’ny miaramila marobe samy mirongo ampinga sy sabatra.
5
Hiaraka aminao ny miaramilan’i Persia sy i Etiôpia ary i Poto, samy mirongo ampinga sy fiarovan-doha avokoa;
6
toy izany koa ny antoko miaramila rehetra avy any Gômera sy avy any Bety-Tôgarmà any am-parany avaratra mbamin’ny vatan-dehilahy avy amin’ny firenena maro hafa.
7
Ry Gôga, miomàna ary mivonòna ianao sy ireo vahoaka rehetra voaangonao ho eo ambany fifehezanao.
8
Ary any aoriana any, rehefa afaka taona maromaro, dia ianao no hasaiko maka an-keriny ny tanin’i Israely. Fa rehefa afaka tamin’ny ady ny mponina tao, dia niala tamin’ny firenena maro nielezany ary novorîna teo an-tendrombohitr’i Israely izay efa lao hatry ny ela. Fa rehefa navoaka avy tany amin’ireo firenen-kafa izy rehetra, dia niaina tamim-pilaminana.
9
Fa ianao sy ireo antoko miaramilanao ary ireo firenena maro momba anao no hanafika azy, ka ho tonga eo aminy tahaka ny fiavian’ny rambon-danitra ary handrakotra ny taniny toy ny andian-drahona matevina.
10
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Amin’izany andro izany dia hisy hevitra maro ho tonga ao an-tsainao ka hamorona teti-dratsy ianao.
11
Hanapa-kevitra ianao fa hiakatra hamely ireo olona finaritra miaina am-pilaminana avokoa ao amin’ny tany izay tsy mba misy tanàna voahodidina manda na manana vavahady mihidy.
12
Hankao ianao mba handroba sy handravarava ary hamely ireo tanàna izay efa rava taloha saingy onenana indray ankehitriny; hankao ianao hamely vahoaka iray nangonina avy any amin’ny firenen-kafa, ka nihary biby fiompy sy fananana indray, ary monina eo amin’ny foiben’izao tontolo izao.
13
Hanontany anao ny mponina ao Sebà sy Dedàna ary koa ireo mpandranto rehetra any Tarsisy na any amin’ireo tanàna akaikiny ka hanao hoe: ‹Moa handroba sy handrava ve no namorianao ny tafikao? Moa hangorona volafotsy sy volamena ary handroba biby fiompy sy fananana ka hahazo babo betsaka ve no nahatongavanao?›
14
«Koa ijoroy ny maha- mpaminany anao, ry ilay taranak’olombelona, ary ambarao amin’i Gôga fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Amin’ny andro hiainan’i Israely vahoakako am-pilaminana no hiainganao;
15
ary ho tonga avy any amin’ny taninao any am-parany avaratra ianao, arahin’ny miaramila avy amin’ny firenena maro; samy mitaingin-tsoavaly avokoa ianareo ka mivondrona ho tafika goavana sy mahery.
16
Hanafika an’i Israely vahoakako ianao, ka hanarona ny taniny toy ny andian-drahona matevina. Any aoriana be any no hisehoan’izany. Haniraka anao hanafika ny taniko Aho, ry Gôga, mba hieken’ny hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina; ary ianao no fitaovana hanehoako izany eo imasony amin’ny hamelezako anao.
17
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ianao no ilay nambarako hatry ny fahiny elabe, fony Aho nandidy ireo mpanompoko, dia ny mpaminanin’i Israely, hilaza ny hafatro nandritra ny taona maro; ianao no nasaiko tonga hamely ny fireneny.
18
Nefa amin’ny andro izay hamelezanao tokoa an’i Israely, ry Gôga, dia ho romotry ny hatezerana Aho; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
19
Noho ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako mirehitra dia mianiana Aho fa amin’izay andro izay dia hisy horohoron-tany mahatsiravina hamely ny tanin’i Israely.
20
Koa na ny trondro any an-dranomasina na ny voro-manidina na ny bibidia na ny bibikely isan-karazany mihetsiketsika amin’ny tany na ny olombelona rehetra eny ambonin’ny tany dia samy hangorohoro eo anatrehako. Ny tendrombohitra hietry, ny harana hikoa ary ny manda hirodana.
21
Ary ianao dia hampihorohoroiko amin’ny fomba maro; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Hifamono ny miaramilanao.
22
Hofaiziko amin’ny areti-mifindra sy amin’ny fandringanana ianao. Harotsako aminao sy amin’ny tafikao ary amin’ireo firenena maro mpomba anao ny oram-be mivatravatra sy ny havandra arahina solifara mivaivay.
23
Toy izany no hanehoako eo imason’ny firenen-kafa marobe fa Izaho dia Andriamanitra lehibe sady masina; amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48