bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 6
Ezekiel 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 7 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, atodiho eny amin’ireo tendrombohitr’i Israely ny fijerinao ka ijoroy ny maha-mpaminany anao hamelezako an’ireo mponina eny.
3
Aoka hihaino ny teniko izy! Fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no milaza amin’ny mponina eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny amin’ny hadin-driaka sy ny lohasaha hoe: «Indro hahatonga ady hamelezana anareo Aho mba handravana ny toeram-panasinanareo.
4
Hopotehiko ny alitaranareo ary hosimbako ny fitaovana fandoroanareo vovo-javamanitra mifangaro ka hataoko maty miampatrampatra eo anoloan’ny sampinareo ianareo.
5
Eny, hatsitrako eo anoloan’ny sarivongan-tsampiny ny fatin’ny Israelita ary haparitako manodidina ny alitarany ny taolany.
6
Any amin’izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanàna, ary ho ravàna ny toeram-panasinana. Ho ravàna koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary hosimbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia holevonina avokoa izay namboarinao.
7
Ho faty miampatrampatra ny ankamaroanareo; ka hiaiky amin’izay ianareo fa Izaho no Tompo.
8
Nefa hitazonako sisa tavela ihany aminareo, dia ireo afaka tamin’ny ady teo anivon’ny hafa firenena rehefa voaely ho any an-tany hafa ianareo.
9
Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.
10
Hiaiky izy fa Izaho no TOMPO; ary tsy niteny foana Aho fa nampihatra taminy tokoa ny loza izay nandrahonako azy.»
11
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Mitehafa tanana ianao, ary migadogadòna tongotra ka milazà hoe: ‹Vita toa ny amin’ny fomba rehetra maharikoriko sy mahatsiravina nataon’ny Israelita›. Fa haringana amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy;
12
izay any lavitra ho fatin’ny areti-mandringana, ny etỳ akaiky ho fatin’ny ady ary izay sisa velona tamin’ny fahirano ho faty mosary. Hampariko aminy ny fahatezerako.
13
Hiampatrampatra eny anivon’ireo sampiny sy manodidina ny alitarany ny fatiny, eny an-tampon’ny tendrombohitra sy ny havoana, eny ambanin’ny hazo maitso sy matevina, dia eny amin’ny toerana rehetra nanolorany sorona ho an’ny sampiny. Amin’izay dia hoekeny izy fa Izaho no TOMPO.
14
Hampiseho ny heriko Aho hamelezana azy. Hosimbako ny taniny ka hataoko lao tsy misy mponina intsony ny toerana rehetra nonenany manomboka eo amin’ny taniefitra atsimo ka hatrany amin’ny tanàna Riblà any avaratra. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48