bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 12
Ezekiel 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 13 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, monina eo anivon’ny olona tena maditra ianao! Mana-maso hahitana izy fa tsy te hahita, manan-tsofina hihainoana fa tsy te hihaino, satria olona tena maditra.
3
Noho izany, fehezo ny entana izay ilain’ny babo anankiray ary omany antoandro eo imason’ny besinimaro ny fiainganao ho any am-pahababoana. Ialao ny toerana misy anao, ka mifindrà any an-toeran-kafa, ary eo imason’ny besinimaro no anaovy izany; angamba mba ho tsapany fa tena maditra izy.
4
Amin’ny antoandro sady eo imasony no hamoahanao ny entanao avy ao an-tranonao toy ny entan’ny babo anankiray; ary amin’ny hariva kosa ianao no hiainga tahaka ny olona hankany am-pahababoana.
5
Gorobahy eo imasony ny manda, ka avoahy amin’io loaka io ny entanao.
6
Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento miainga rehefa maizimaizina ny andro. Saròny ny endrikao mba tsy hahitanao izay tany alehanao, fa ianao dia nataoko ho famantarana mialoha ho an’ireo Israelita.»
7
Dia nanao araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho, ka ny antoandro no namoahako avy ao an-tranoko ny entako toy ny entan’ny babo; ary ny hariva no nanagorobahako ny manda tamin’ny tanako. Ary nony efa maizimaizina ny andro, dia nentiko niainga ny entako ka teny an-tsoroko no nitondrako azy teo imason’ny besinimaro.
8
Nony ampitso maraina dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
9
«Ry ilay taranak’olombelona, tsy maintsy hanontany anao ireo Israelita maditra ireo ny amin’izay nataonao.
10
Koa ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Izany hafatra fampitandremana izany dia ho an’izay andriamanjaka eto Jerosalema sy ho an’ny Israelita rehetra izay ao.›
11
Ambarao aminy fa famantarana mialoha ho azy ianao, ka tahaka izay nataonao no hatao aminy; ho lasan-ko babo any an-tsesitany izy rehetra.
12
Izay andriamanjaka eo aminy dia hitondra ny entany an-tsoroka rehefa maizimaizina ny andro ka hivoaka ny tanàna. Hogorobahana eo amin’ny manda mba hamoahana azy, ka hisarona endrika izy mba tsy hahita izay tany halehany.
13
Izaho Tompo kosa dia hamelatra fandrika harato ka hisambotra azy. Dia hoentiko any amin’ny tanin’ny Babilônianina izy, ary tsy hahita izany kanefa ho faty any.
14
Haeliko any amin’ny vazan-tany efatra ireo rehetra nanodidina izany andriamanjaka izany, dia ireo mpiambina azy sy ireo antokon-tafiny, ka any no hanenjehako azy amin’ny sabatro.
15
Rehefa voahahako any amin’ny firenen-kafa sy voaparitako ny tany maro ireo, dia hiaiky fa Izaho no TOMPO.
16
Nefa hamelako olona vitsivitsy ihany izy, dia ny sisa tavela tsy ringan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana: ireo no hitantara amin’ny firenen-kafa misy azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony, ka hoeken’ny firenen-kafa koa fa Izaho no TOMPO.»
17
Dia nisy indray tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
18
«Ry ilay taranak’olombelona, hano amin-kovitra ny mofonao ary sotroy amin-tahotra sy amin’ahiahy ny ranonao.
19
Avy eo dia ambarao amin’ny olon’ity tany ity fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ny mponin’i Jerosalema izay tafajanona eto amin’ny tanin’i Israely dia hihinana sy hisotro amin’ahiahy sy amin-tahotra; horavana sy hatao fongana manko ny taniny, noho ny herisetran’ny mponina rehetra ao aminy.
20
Ho foana ny tanàna onenany ary hanjary lao ny taniny. Amin’izay dia hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO›. »
21
Ary nisy indray tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
22
«Ry ilay taranak’olombelona, ahoana moa izao oha-pitenenana ataonareo momba ny tanin’i Israely izao hoe: ‹Lasa ihany ny fotoana nefa toa tsy nisy tanteraka akory izay fahitana!›
23
Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hanafoana izany oha-pitenenana izany; tsy hotononina eto Israely intsony izany.› Ambarao aminy kosa fa akaiky ny fotoana izay hahatanterahan’ny fahitana rehetra.
24
Tsy hisy intsony ny fahitana manodoka na fanambaràna mamitaka.
25
Izaho TOMPO no hiteny; ary ny teny izay lazaiko dia hihatra tsy an-kiandry intsony. Eny, amin’izao andronareo izao, ry Israelita maditra, no hanatanterahako izay zavatra lazaiko. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
26
Avy eo dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
27
«Ry ilay taranak’olombelona, lazain’ny Israelita fa ny fahitanao ankehitriny dia tsy ho tanteraka raha tsy afaka elabe, ary izay hafatra ampitainao dia momba ny vanim-potoana mbola lavitra.»
28
Koa lazao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Ny teniko rehetra dia hihatra tsy an-kiandry intsony; ny teny izay lazaiko dia ho tanteraka. Teny henitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48