bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 48
Ezekiel 48
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
1
«Ireto no anaran’ireo foko mbamin’ny anjarany avy. Ny anjaran’i Dana dia any amin’ny farany avaratra, hiainga eo amin’ny Ranomasina Mediteranea ka hanamorona ny lalana mankany Hetlôna sy Lebô-Hamata ary Hatsara-Henôna, akaikin’ny fanjakan’i Damasy sy i Hamata, dia hihazo ny sisin-tany atsinanana ka ho tafapaka eo amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.
2
Mifanolotra amin’ny faritanin’i Dana, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisy ny anjaran’i Asera;
3
mifanolotra amin’ny faritanin’i Asera no hisy ny anjaran’i Naftalỳ;
4
mifanolotra amin’ny faritanin’i Naftalỳ no hisy ny anjaran’i Manase;
5
mifanolotra amin’ny faritanin’i Manase no hisy ny anjaran’i Efraîma;
6
mifanolotra amin’ny faritanin’i Efraîma no hisy ny anjaran’i Reobena;
7
ary mifanolotra amin’ny faritanin’i Reobena no hisy ny anjaran’i Joda.»
8
«Mifanolotra amin’ny faritanin’i Joda, hatreo amin’ny sisin-tany atsinanana ka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana, dia hanavahanareo zaratany iray mitovy halava amin’ny anjaran’ny foko tsirairay fa hirefy 12 km sy sasany ny sakany; ary ao afovoany no hisy ny tempoly.
9
Ny faritra hatokanareo ho Ahy TOMPO dia hirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 10 km ny sakany.
10
Ny ampahan’io faritra voatokana io dia homena ny mpisorona, ka hirefy 12 km sy sasany ny lavany avy any atsinanana no miankandrefana, ary 5 km ny sakany avy any avaratra no mianatsimo; ary eo afovoany no hisy ny tempolin’ny TOMPO.
11
Izany faritra izany dia ho an’ny mpisorona voatokana avy amin’ny taranak’i Tsadôka izay nitandrina an-tsakany sy an-davany ny fanompoana Ahy Tompo, fa tsy mba nivily nanaraka ny lalan-dison’ny Israelita tahaka ny nataon’ny levita.
12
Noho izany, dia ho anjarany ny faritra masina tokoa amin’izay natokana ho an’ny Tompo; ary mifanolotra amin’ny faritanin’ny Levita izany.
13
Ny anjaran’ny Levita dia hitovy amin’ny an’ny mpisorona. Samy hahazo anjara izay mirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 5 km ny sakany izy roa tonta.
14
Tsy azo atakalo na amidy na afindra ny tany amin’io faritra izay manan-danja indrindra io, satria voatokana ho an’ny TOMPO.»
15
«Amin’io faritany voatokana ho an’ny Tompo io dia mbola hisy tany sisa izay hirefy 2 km sy sasany ny sakany ary 12 km sy sasany ny lavany. Ho tany tsy masina io fa avela ho an’ilay tanàna; ny manodidina dia hisy ireo zana-bohitra sy ny kijana fiandrasam-biby, fa eo afovoany no hisy ilay tanàna.
16
Ho efamira ny tanàna ka hirefy 2 250 metatra ny lafiny tsirairay.
17
Isaky ny lafiny tsirairay amin’ny tanàna dia hisy toera-malalaka izay mirefy 125 metatra ny sakany.
18
Manaraka ny halavan’ny faritra voatokana ho Ahy Tompo dia mbola hisy tany iray mirefy 5 km ny lavany eo atsinanan’ny tanàna, ary koa tany iray mitovy refy amin’izany eo andrefany. Ireo tany ireo no hanome sakafo ho an’ny mpiasa ao an-tanàna.
19
Izay mpiasa ao amin’io tanàna io dia ho avy amin’ny foko israelita rehetra; ary izy ihany no hamboly ireo tany ireo.
20
Ny fitambaran’ny faritra voatokana ho Ahy Tompo dia ho efamira izay mirefy 12 km sy sasany ny lafiny tsirairay avy; ary hakanareo ampahefany izany ho zaratany ho an’ilay tanàna.
21
Ny sisa dia ho an’ny printsy filoha. Ny anjara taniny kosa dia ho eo an-daniny roa amin’ny faritra voatokana ho Ahy Tompo sy ny zaratany ho an’ilay tanàna. Mifanolotra amin’ireo anjaran’ny sasany izany, ka mirefy 12 km sy sasany manomboka eo amin’ny faritra voatokana ka hatrany amin’ny sisin-tany atsinanana ary manomboka eo amin’ny faritra voatokana ka miankandrefana hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea. Ny faritra voatokana ho Ahy Tompo sy ny tempoly amin’izay dia ho ao afovoany.
22
Ny zaratanin’ny levita sy ny zaratany ho an’ilay tanàna no hampisaraka roa ny tanin’ny printsy filoha izay ho tafatsofoka eo anelanelan’ny faritanin’i Joda eo avaratra ary ny faritanin’i Benjamîna eo atsimo.»
23
«Ny amin’ireo foko sisa mbamin’ny anjarany dia toy izao manaraka izao: ny anjaran’i Benjamîna dia miainga eo amin’ny sisin-tany atsinanana ka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.
24
Mifanolotra amin’ny faritanin’i Benjamîna, avy any atsinanana ka hatrany andrefana, no misy ny anjaran’i Simehôna;
25
mifanolotra amin’ny faritanin’i Simehôna ny anjaran’i Jisakara,
26
mifanolotra amin’ny faritanin’i Jisakara ny anjaran’i Zebolòna,
27
mifanolotra amin’ny faritanin’i Zebolòna ny anjaran’i Gada.
28
Ary mifanolotra amin’ny faritanin’i Gada kosa dia ny sisin-tany atsimo, hanomboka ao Tamara any atsinanana, dia hankany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea.
29
Izany no tany izay hozarainareo antsapaka ho fananan’ireo foko israelita, ary izany no ho anjarany avy. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
30
«Ireto no fidirana roa ambin’ny folo hankao amin’ny tanànan’i Jerosalema, fidirana izay samy hitondra ny anaran’ny foko iray avy amin’i Israely. Amin’ny lafiny avaratra izay mirefy 2 250 metatra dia hisy vavahady telo: dia ny an’i Reobena sy ny an’i Joda ary ny an’i Levỳ.
32
Amin’ny lafiny atsinanana izay mirefy 2 250 metatra dia hisy vavahady telo: dia ny an’i Jôsefa sy ny an’i Benjamîna ary ny an’i Dana.
33
Amin’ny lafiny atsimo izay mirefy 2 250 metatra dia hisy vavahady telo: dia ny an’i Simehôna sy ny an’i Jisakara ary ny an’i Zebolòna.
34
Ary amin’ny lafiny andrefana izay mirefy 2 250 metatra dia hisy vavahady telo: dia ny an’i Gada sy ny an’i Asera ary ny an’i Naftalỳ.
35
Ny manodidina ny tanàna dia mirefy sivy arivo metatra. «Manomboka hatreo ny tanàna dia hantsoina hoe ‹Ny TOMPO no ao ›. »
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48