bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 10
Ezekiel 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 11 →
1
Ary nijery aho ka indro teo amin’ny habakabaka izay tambonin’ny lohan’ny kerobima fa nisy tahaka ny vato safira, ka mitovitovy amin’ny sezafiandrianana ny endriny; ary niseho teo ambonin’ireo kerobima ny Tompo.
2
Ary hoy ny Tompo tamin’ilay lehilahy miakanjo rongony: «Midira ao anatin’ny tadio anelanelan’ny kodiarana eo ambany kerobima. Fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia hitako nandeha naka ny vainafo ralehilahy.
3
Fa raha mbola nankao izy, dia nijanona teo amin’ny ilany ankavanan’ny tempoly ireo kerobima, ary feno raho-matevina ny kianja anatiny.
4
Niakatra avy eo ambonin’ny kerobima hankeny amin’ny tokonam-baravaran’ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO. Koa nanjary feno raho-matevina ny tempoly; ary ny kianja kosa dia namirapiratry ny voninahitry ny TOMPO.
5
Ary heno hatrany amin’ny kianja ivelany ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima, tahaka ny feon’Andriamanitra Tsitoha raha miteny.
6
Nijoro teo anilan’ny kodiarana iray ilay lehilahy miakanjo rongony, rehefa avy naka afo teo anelanelan’ny kodiarana teo afovoan’ny kerobima araka ny baikon’Andriamanitra.
7
Nanatsotra ny tanany ho eo amin’ny afo izay teo anilany ny kerobima iray ka naka vainafo tao ary namenoany ny tanan-droan’ilay lehilahy. Noraisin-dralehilahy kosa izany, dia nivoaka ny tempoly izy.
8
Ary nisy toa tanan’olona roa niseho teo ambany elatry ny kerobima.
9
Hitako koa fa nisy kodiarana efatra, ka kodiarana iray avy no teo anilan’ny kerobima. Ireo kodiarana ireo dia nanjelanjelatra tahaka ny vatosoa krizôlita.
10
Mitovy bika izy efatra ary toa samy voarafitra hifampidipiditra.
11
Afaka mandroso ho amin’ny lafiny efatra izy nefa tsy mila avily. Mizotra ho amin’izay itodihan’ny kerobima izy ary mandroso tsy mila avily.
12
Ny tenan’ny kerobima manontolo, indrindra ny lamosiny sy ny tanany ary ny elany, dia rakotra maso manjelanjelatra tahaka ireo kodiarana efatra.
13
Ary ireo kodiarana efatra dia reko nomena anarana hoe «tadio».
14
Samy nanana endrika efatra ny kerobima tsirairay: ny voalohany dia endrika kerobima, ny faharoa dia endrika olona, ny fahatelo dia endrika liona, ary ny fahefatra dia endrika voromahery.
15
Niakatra ho eny amin’ny habakabaka ireo kerobima, izay tsy hafa fa ireo zava-miaina izay hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany.
16
Rehefa mandroso izy, dia mandroso miaraka aminy koa ireo kodiarana; rehefa mikopaka elatra hiakatra hiala amin’ny tany izy, dia tsy misaraka aminy koa ireo kodiarana.
17
Raha mijanona ireo, dia mijanona koa ny kodiarana; raha manidina miakatra ho eny amin’ny habakabaka ireo, dia mba miakatra koa ireo, satria ny fanahin’ny zava-miaina no manetsika ireo kodiarana.
18
Niainga avy teo an-tokonam-baravaran’ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO, ka nipetraka teo ambony kerobima.
19
Dia nikopaka elatra handeha ireo kerobima ka tsinjoko niakatra niala avy amin’ny tany, ary niara-niainga taminy koa ireo kodiarana. Nijanona teo anilan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO izy ka namirapiratra teo amboniny ny voninahitr’Andriamanitr’i Israely.
20
Teo amoron’ny ony Kebara no efa nahitako ireo zava-miaina ireo nijoro teo ambanin’Andriamanitr’i Israely, ka fantatro ankehitriny fa kerobima ireo.
21
Samy nanana endrika efatra sy elatra efatra ary karazana tanan’olona teo ambany elany avy ny tsirairay.
22
Nitovy tanteraka tamin’ny endrik’ireo zava-miaina teo amoron’ny ony Kebara ny endriny. Samy nandroso mahitsy tamin’izay tandrify azy avy ny kerobima.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48