bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 3
Ezekiel 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 4 →
1
Dia hoy Ilay niteny tamiko hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hano io horonan-taratasy izay naseho anao io, dia mandehana miteny amin’ny Israelita.»
2
Dia nosokafako ny vavako ary nafahany ahy ilay horonan-taratasy.
3
Ary hoy Izy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, fenoy ny kibonao ary vokiso amin’io horonan-taratasy omena anao io ny tenanao.» Dia nohaniko izany, ka tao am-bavako dia mamy toy ny tantely.
4
Ary hoy indray Izy: «Ry ilay taranak’olombelona, mandehana mankany amin’ny Israelita ka ampitao aminy ny teniko.
5
Tsy maniraka anao any amin’ny vahoaka izay miteny fiteny vahiny sarotra takarina Aho, fa any amin’ny vahoakan’i Israely.
6
Raha maniraka anao hankany amin’ireo firenen-kafa izay miteny fiteny vahiny sarotra sy mety tsy ho takatrao Aho, dia tsy isalasalana fa hihaino anao izy.
7
Fa ny Israelita kosa tsy hanaiky hihaino anao satria tsy te hihaino Ahy izy, fa olona mafy loha sady be kirina izy rehetra.
8
Kanefa hataoko sahy mifanatri-tava aminy ianao, ary hataoko mafy loha tahaka azy.
9
Eny, hataoko mafy lalandava ny lohanao ary mafy lavitra noho ny vatolampy aza. Ka aza matahotra azy ianao, ary aza mivadi-po noho ny fihetsika ataon’io vahoaka maditra io.
10
Dia notohizany hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, raiso ao am-ponao ary henoy tsara ny teny rehetra izay ambarako anao.
11
Avy eo dia mankanesa any amin’ireo babo izay isan’ny mpiray firenena aminao, ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY.› Mitenena aminy na hihaino izy na tsy hihaino.»
12
Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanainga ahy hiala amin’ny tany; dia nandre horakoraka mafy tao ivohoko aho nanao hoe: «Hoderaina anie ny TOMPO any amin’ny toerana izay isehoan’ny voninahiny.»
13
Reko koa ny fikopakopaky ny elatr’ireo zava-miaina izay nifanendry sy ny feon’ny kodiarana teo anilany, ka kotaba moa izao!
14
Dia nentin’ny Fanahy izay nanainga ahy niala avy tamin’ny tany aho. Voasariky ny herin’ny TOMPO aho ka tsy nahatohitra, fa lasa nandeha tamin’ny fo nalahelo sady nangitakitaka.
15
Tonga tany Tela-Abiba aho ka mby teo anivon’ireo babo izay nipetraka teo amoron’ny ony Kebara; ary niara-nitoetra taminy tao fito andro aho sady talanjona aoka izany.
16
Nony afaka fito andro dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
17
«Ry ilay taranak’olombelona, ataoko mpitily ho an’ny Israelita ianao; koa hohenoinao ny teniko ary hampitainao aminy ny fampitandremana avy amiko.
18
Andeha hataontsika hoe misy olon-dratsy iray tiako hilazana fa hahafaty azy tokoa ny afitsony: raha tsy mampitandrina azy ianao hialany amin’ny toe-dratsiny mba hahavelomany, dia ho faty noho ny otany tokoa izany olon-dratsy izany, nefa ianao no tazoniko ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.
19
Raha ohatra kosa ka nampitandrina azy ianao, nefa tsy nanaiky hiala tamin’ny fahadisoany sy ny toe-dratsiny izy, dia ho faty noho ny otany tokoa izy, fa ianao kosa hahavonjy ny ainao.
20
Andeha hataontsika hoe misy olo-marina iray miala amin’ny tsara ka manao ny ratsy: hataoko hampidi-doza aminy izany ka ho faty izy. Raha tsy mampitandrina azy ny amin’io loza io ianao, dia ho faty noho ny otany izy; fa tsy hisaiko ny asa soa nataony taloha ary ianao no tazoniko ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.
21
Fa raha nampitandrina io olo-marina io kosa ianao mba tsy hanao ratsy ka mifady ny ratsy tokoa izy, dia mety ho velona izy noho ny fampitandremana nataonao; sady hahavonjy ny ainao koa ianao.»
22
Ary voasariky ny herin’ny TOMPO indray aho, ka hoy Izy tamiko: «Mitsangàna, mankanesa any an-dohasaha fa any no hitenenako aminao.»
23
Dia nitsangana aho, ka nandeha nankany an-dohasaha. Ary indro ny voninahitry ny TOMPO niseho tao tahaka ilay efa nahitako azy teo amoron’ny ony Kebara, koa nikarapoka nihohoka aho.
24
Tamin’izay dia niditra tao amiko ny Fanahin’Andriamanitra ka nampitsangana ahy. Ary hoy ny Tompo tamiko: «Mandehàna mihidy ao an-tranonao.
25
Ao no hotadina ianao, ry ilay taranak’olombelona, ka hafatotra tsy ho afa-mivoaka ny trano intsony hankeo amin’ny Israelita.
26
Hampiraiketiko amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka hanjary moana tsy ho afa-mananatra io firenena maditra io ianao.
27
Nefa raha misy zavatra holazaiko amin’ny alalanao, dia hataoko afa-miteny ianao. Amin’izay dia hiteny aminy ianao ka hanao hoe: «Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY». Ny sasany dia ho vonona hihaino anao, fa ny sasany kosa tsy hanaiky hihaino anao satria vahoaka maditra izy.»
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48