bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 27
Ezekiel 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 28 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, manaova ianao hira fisaonana ny amin’ny tanànan’i Tiro,
3
izay miorina eo amin’ny vava-ranomasina, ary manao varotra amin’ny firenena maro eny amoron-dranomasina. Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ry Tiro ô, Ianao dia nilaza ny tenanao ho sambo tsara tarehy fatratra!
4
Eny anivon-dranomasina ny faritaninao, ary nataon’ireo mpandrafitra anao ho tsara tarehy fatratra ianao.
5
Hazo kipreso avy any Senira no nanamboarany manontolo ny vatan-tsambonao; hazo sedera avy any Libano no nalainy hanaovana ny andrin-tsambonao.
6
Hazo ôaka avy any Basàna no nanaovany ny fivoin-tsambonao. Hazo sedera avy any amin’ny nosy Kitima izay nasiana sisika ivoary no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.
7
Rongony madinika misoratsoratra avy any Ejipta no natao lain-tsambonao mba ho faneva hamantarana anao. Lamba miloko volomparasy sy jaky avy any amin’ny nosy Sipra no natao labasy hiarovana ny entanao.
8
Mponina avy any Tsidôna sy Arvada no nampiasainao ho mpivoy; ny olona havanana teo aminao no tantsambonao, ry Tiro ô,
9
Mpahay taozavatra avy any Biblôsy, izay za-draharaha sady kinga, no mpanamboatra ny simba amin’ny vatan-tsambonao. Ny sambo rehetra izay teny an-dranomasina dia nijanona avokoa teo aminao; ka ny tantsambony no mividy ny entanao.
10
Olona avy any Persia sy Loda ary Ponto no miaramila nanompo tao amin’ny tafikao. Nahantony tao anatin’ny tobinao ny ampingany sy ny fiarovan-dohany, ka nanomezany laza anao izany.
11
Vatan-dehilahy avy any Arvada no niambina ny mandanao niaraka tamin’ny miaramilanao, ary olona avy any Gamada no niaro ny tilikambonao. Nanantona ny ampingany teny amin’ny manda manodidina anao izy. Ireo rehetra ireo no nahatonga anao ho tsara tarehy fatratra›. »
12
«Ny olon’i Tarsîsy no nifanao varotra taminao momba ny harena zavon-tany isan-karazany. Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka no natolony ho takalon’ny entanao.
13
Ny olona avy any Gresy sy Tobala ary Mesèka ihany koa dia nifanao varotra taminao, ka olona sy fanaka halimo no natolony ho takalon’ny entanao.
14
Ny terak’i Bety-Tôgarmà no nanolotra ny soavaly hoenti-miasa sy ny soavaly hoenti-miady ary ny boriky ho takalon’ny entanao.
15
Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedàna. Nitatra tamin’ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazomainty no natakalony ny entanao.
16
Nividy entana betsaka taminao koa ny Edômita, ka vato emeralda sy lamba miloko volomparasy, lamba vita peta-kofehy sy rongony fotsy madinika ary koa akorandriaka sy vato robisy no natolony ho takalony.
17
Nifandray ara-barotra taminao koa ny vahoakan’i Joda sy i Israely ka varimbazaha avy any Minita sy ampemba sy tantely sy diloilo ary balsamo no natolony ho takalon’ny entanao.
18
Ny mponin’i Damasy dia nifanao varotra taminao momba ny taozavatrao sy ny harenao zavon-tany isan-karazany. Divay avy any Helbôna sy volonondry avy any Tsahara no nataony takalony.
19
Avy ao an-tanànan’i Ozala ny mponin’i Vedàna sy i Javàna no manolotra ny vy voatefy sy ny kanela ary ny veromanitra ho takalon’ny entanao.
20
Ny olona avy any Dedàna kosa nifandray ara-barotra taminao ka nitondra lamba fandrakofan-tsoavaly.
21
I Arabia sy ireo mpitondra rehetra any Kedara dia nifanao varotra taminao. Zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy no natakalony ny entanao.
22
Ny mpivarotra avy any Sebà sy Rahemà ihany koa dia nifandray ara-barotra taminao ka zava-manitra ambony karazana sy vatosoa ary volamena no natolony ho takalon’ny entanao.
23
Ny ao an-tanànan’i Haràna sy i Kane ary i Hedèna koa dia nifandray ara-barotra taminao toy ireo mpivarotra avy any Sebà mbamin’ireo tanànan’i Asora sy i Kilmady.
24
Nivarotra fitafiana mihaja taminao izy, ka entiny eny an-tsenanao ny fitafiana miloko volomparasy sy ny lamba vita peta-kofehy, karipetra misoratsoratra ary tady voarandrana mafy.
25
Ireo sambo vaventy no mpitatitra ny entam-barotrao.» «Toa sambo feno entana ianao ka navesatra dia navesatra, teny anivon’ny ranomasina.
26
Nentin’ireo mpivoinao teny amin’ny ranobe ianao ka ny rivotra avy any atsinanana no nahavaky anao teny anivon’ny ranomasina.
27
Ny fanananao sy ny vokatrao mbamin’ny entam-barotrao rehetra, ny tantsambonao sy ny mpanampy azy, ireo mpanamboatra ny simba amin’ny vatan-tsambonao, ireo mpivarotra mpanondrana entana, ny miaramila rehetra niasa tao aminao, ary ny vahoaka rehetra nandeha taminao, dia samy nilentika any an-dranomasina tamin’ny andro naharendrika anao.
28
Noho ny fidradradradràn’ireo tantsambonao dia mangovitra ny mponina amoron-tsiraka.
29
Miala ny sambony avy ireo mpivoy rehetra sy ireo tantsambo rehetra eny an-dranomasina ka samy maka toerana eny an-tanety.
30
Heno migogogogo noho ny manjo anao izy, sady manao fidradradradrana mafy. Mandraraka vovoka amin’ny lohany izy, ary mihosinkosina amin’ny lavenona.
31
Manaratra loha sady mitafy gony noho ny aminao izy, ka mitomany anao fa mangidy ny manjo ary mangidy ny fisaonany.
32
Tamin’alahelo no niventesany hiram-palahelovana ny aminao, dia hiram-pisaonana manao hoe: Iza no tahaka an’i Tiro izay tonga mangina ankehitriny eo anivon’ny ranomasina?
33
Rehefa tonga avy any an-dranomasina any ianao ka nampidinina ny entam-barotrao, dia firenena maro no voavatsy tamin’izany. Ny habetsahan’ny harenao aman’entanao no nampanan-karena ireo mpanjakan’ny tany.
34
Ankehitriny novakîn’ny onjan-dranomasina ianao ary tafalentika ao anaty rano lalimbe. Ny entanao sy ny vahoaka rehetra nandeha taminao dia niaraka rendrika taminao avokoa.
35
Nalahelo mafy ny aminao ny mponina rehetra amoron-tsiraka; raiki-tahotra ny mpanjakany ka tonga hatsatra ny endriny.
36
Ny mpivarotry ny firenen-kafa dia misiotsioka talanjona ny aminao, satria tonga fampitahorana ianao, sady tsy hisy intsony mandrakizay.»
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48