bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 20
Ezekiel 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 21 →
1
Tamin’ny taona fahafito taorian’ny fahababoana, nony andro fahafolon’ny volana fahadimy, dia tonga nanatona ahy ireo loholona israelita vitsivitsy mba hanontany ny TOMPO, ka nipetraka teo anatrehako.
2
Dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
3
«Ry ilay taranak’olombelona, ambarao amin’ireo loholon’i Israely fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Moa hanontany Ahy ve no nahatongavanareo? Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy hanaiky hanontanianareo mihitsy!›
4
«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, miomàna hitsara azy, eny, tsarao mihitsy izy. Ampahafantaro azy ny asa maharikoriko nataon’ny razany.
5
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tamin’ny andro nifidianako ny vahoaka Israely, dia izy rehetra no nianianako. Niseho taminy Aho tany Ejipta ary nampanantena azy mafy ho TOMPO Andriamaniny.
6
Tamin’izany andro izany no nianianako fa hampamoaka azy hiala any Ejipta Aho mba hitondra azy ho amin’ny tany nomaniko ho azy manokana, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra.
7
Ary nibaiko azy Aho samy hiala amin’ny sampy maharikoriko izay manintona azy, ka tsy handoto tena amin’ny fanompoana ireo sampy ejiptianina. Izaho no TOMPO Andriamaniny.›
8
«Kanjo nikomy tamiko izy, ary tsy nanaiky hihaino Ahy. Tsy nisy nanary ireo sampy maharikoriko izay nanintona azy izy, ary tsy nisy nandao ny sampy ejiptianina. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy tao Ejipta ihany.
9
Kanefa notandroviko ny lazako mba tsy hozimbazimbain’ny firenen-kafa niarahany nonina. Fa teo imason’ireo firenena ireo no nanaovako izay hahafantaran’ny Israelita Ahy tamin’ny namoahako azy hiala tany Ejipta.
10
Eny, nentiko niala tany Ejipta izy ary notarihiko hankany an-taniefitra.
11
Nomeko azy ny lalànako ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny.
12
Nomeko azy koa ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisany amiko sy mba hiekeny fa Izaho TOMPO no nanokana azy Israelita ho Ahy.
13
Kanjo nikomy tamiko tany an-taniefitra ireo! Tsy noraharahainy ny lalànako ary nohamavoiny ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny. Nozimbazimbainy mihitsy ny andro sabatako. Koa nihevitra indray Aho ny hampitosaka ny fahatezerako aminy tany an-taniefitra mba hahalany ringana azy.
14
Kanefa notandroviko ny lazako mba tsy hozimbazimbain’ireo firenen-kafa nahita ny namoahako ny Israelita hiala tany Ejipta.
15
Ary nianiana taminy koa Aho tany an-taniefitra fa tsy hitondra azy hiditra ao amin’ny tany efa nomeko azy, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra;
16
ny nanaovako izany fianianana izany dia satria nanamavo ny fitsipiko izy sady tsy nanaraka ny lalànako ary nanimbazimba ny andro sabatako, noho izy niraiki-po tamin’ny sampiny.
17
Saingy niantra fijery azy ihany Aho ka tsy nandringana azy na nandevona azy tany an-taniefitra.»
18
«Fa hoy Aho tamin’ireo zanany tany an-taniefitra: ‹Aza manaraka ny fanaon-drazanareo ianareo na mitandrina ny fitsipiny na mandoto tena amin’ny fanompoana ny sampiny.
19
Izaho no TOMPO Andriamanitrareo! Koa araho ny lalànako ary tandremo ny fitsipiko.
20
Atokany ho Ahy ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisanareo amiko ary mba hiekenareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.›
21
Kanjo nikomy tamiko koa ireo zanany. Tsy narahiny ny lalànako ary tsy notandroviny hotanterahina ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny, sady nozimbazimbainy ny andro sabatako. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy any an-taniefitra.
22
Nefa tsy nanao izany Aho ary nitandro ny lazako mba tsy hozimbazimbain’ny firenen-kafa izay nahita ny namoahako ny Israelita niala tany Ejipta.
23
Ary nianiana taminy tany an-taniefitra indray Aho fa hampiely azy any amin’ireo hafa firenena ary hampiparitaka azy any an-tany samy hafa;
24
ny nanaovako izany fianianana izany dia satria tsy nanatanteraka ny fitsipiko izy fa nanamavo ny lalànako sady nanimbazimba ny andro sabatako, ary voasinton’ny sampin’ireo razany.
25
Ankoatra izany, dia nomeko lalàna tsy nahasoa azy sy fitsipika tsy nahavelona azy izy.
26
Navelako handoto tena tamin’ny fanolorana ny voalohan-terany rehetra hovonoina ho faty izy mba hampivarahontsana azy ka hiekeny fa Izaho no TOMPO.»
27
«Noho izany, ry ilay taranak’olombelona, ambarao amin’ny Israelita fa Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ny razanareo dia nanamavo Ahy hatrany hatrany tamin’ny fivadihany tamiko.
28
Nitarika azy ho ao amin’ny tany izay nianianako homena azy Aho. Nefa nony nahita ireo tendron-kavoana misy hazo matevina izy, dia nanolotra sorona teo. Nanolotra fanatitra sy zava-manitra fampitoniana izy sady nandraraka divay teny ka nampirongatra ny hatezerako.
29
Dia nanontany azy Aho hoe: Inona ireo toeram-panasinana izay alehanareo ireo? Koa nanomboka teo no niantsoana ireny toerana ireny hoe toeram-panasinana.›
30
Noho izany, ambarao amin’ny Israelita fa Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nahoana no manaraka ny fanaon-drazanareo ianareo, ka ny fanompoana ireo sampiny maharikoriko ireo no andotoanareo tena sy ivadihanareo amiko?
31
Ary mandraka ankehitriny dia mbola mandoto tena ihany ianareo fa mitondra fanatitra sy manao sorona ny zanakareo amin’ny sampinareo. Manoloana izany ve Aho, ry Israelita, dia mbola hanaiky hanontanianareo ihany? Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy hanaiky hanontanianareo Aho.
32
Mihevitra angaha ianareo fa ho afaka hanompo ireo vato aman-kazo tahaka ny hafa firenena, dia ireo vahoakan’ny tany hafa? Tsia, tsy ho tanteraka mihitsy izany.
33
Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa hampihatra hery mafonja sy fahefana tsy hay tohaina Aho ary hampitosaka ny hatezerako mba hanjakako aminareo.
34
Hery mafonja sy fahefana tsy hay tohaina ary fahatezerana mitosaka no hamoahako anareo avy any amin’ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo.
35
Hoentiko any an-taniefitra hihataka amin’ny firenen-kafa ianareo, ka any no hitsarako anareo mifanatrika amiko.
36
Tahaka ny nanamelohako ny razanareo tany an-taniefitra akaikin’i Ejipta no hanamelohako anareo koa. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
37
Hampandaloviko eo ambany tehina maha- mpiandry ahy ianareo ka hampidiriko ho anisan’ny ondry.
38
Hoesoriko tsy ho eo aminareo ireo nikomy sy niodina tamiko. Hoentiko miala amin’ny tany izay ivahiniany izy, nefa tsy hiverina intsony any amin’ny tanin’i Israely. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.›
39
Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin’ny fanolorana fanatitra ho an’ny sampinareo.
40
Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin’ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin’izay tsara indrindra anananareo.
41
Miaraka amin’ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon’ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin’ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason’ny firenen-kafa.
42
Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa tafaveriko ao amin’ny tanin’i Israely izay nianianako homeko ny razanareo.
43
Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin’ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo.
44
Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48