bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 17
Ezekiel 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 18 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, manaova ankamantatra ary fanoharana ho an’ny Israelita,
3
ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nisy voromahery iray lehibe nanana elatra goavana sy volo lava sady matevina no misoratsoratra. Nanidina hatrany an-tendrombohitr’i Libano izy ary naka ny tendron’ny hazo sedera,
4
nanapaka izay avo indrindra tamin’ny rantsany, dia nitondra azy ho any amin’ny tanin’ny mpandranto ary nametraka azy tao an-tanànan’ny mpivarotra.
5
Nalainy koa ny voa famafy anankiray hafa tao amin’ny tanin’i Israely ka naleviny tao anaty saha lonaka. Avy eo dia nafindrany teo amoron’ny rano mikoriana ny tsimok’io voa famafy io, ka nataony araka ny fanao amin’ny zanaka hazomalahelo.
6
Ary naniry tokoa izany, dia tonga foto-boaloboka niroborobo sady nandadina. Nisandrahaka ny rantsany ka nitodika ho any amin’ilay voromahery ary ny fakany nitatra teo ambaniny. Tonga voaloboka izy ka nanome sakelika sy rantsana vaovao hatrany.
7
Kanjo nisy voromahery lehibe iray hafa koa, nanana elatra goavana sy volo matevina. Koa nalefan’ilay voaloboka nankany aminy ny fakany sady natodiny nankany koa ny rantsany, mba hahazo rano betsaka kokoa noho ny teo amin’ny tany nisy azy izy.
8
Kanefa saha tsara teo amoron’ny rano mikoriana no nambolena azy mba handrobonan’ny rantsany sy hamoazany ka ho tonga voaloboka mahafinaritra.›
9
«Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Moa ho vanona ve izany voaloboka izany? Tsy hongotan’ilay voromahery voalohany ve ny fakany, hosimbany ny voany ary hataony izay hahamaina ny sakeliny? Tsy mila hery lehibe na antokon-tafika maro akory izy hanongotana azy.
10
Voavoly tsara tokoa ny voaloboka kanefa tsy mety ho vanona. Raha vao tsofin’ny rivotra avy any atsinanana izy, dia ho maina tanteraka. Eo amin’ny tany tokony haniriany no hahamaina azy am-potony›. »
11
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
12
«Anontanio ange ireo olona maditra ireo raha mba fantany akory ny dikan’izany fanoharana izany e! Ampahatsiahivo azy ny fomba nidiran’ny mpanjakan’i Babilôna tao Jerosalema, ny nisamborany ny mpanjaka sy ireo mpitondra ambony mbamin’ny nitondrany azy tany Babilôna.
13
Avy eo dia naka olona iray tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka izy ka nanao fifanekena taminy, ary nampianiana azy. Nampanalaviriny ny tany ireo olo-maventy rehetra,
14
mba hampietry ny fanjakana, tsy ho afaka hitraka intsony fa hanaja tanteraka ny fifanekena.
15
Kanjo ity mpanjaka vaovao nikomy tamin’ny mpandresy, ary nandefa iraka tany Ejipta mba hangataka soavaly sy miaramila marobe. Hahomby sy ho tafavoaka ve izy raha nanao izany? Tsy ho tafavoaka mihitsy izy, satria tsy nitandro fifanekena!
16
«Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa ho faty any amin’ny tanin’ilay mpanjaka izay nahatonga azy hanjaka io mpanjaka io. Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony ary tsy nitandro ny fifanekena vita izy, ka ho faty any Babilôna.
17
Ary na dia miaraka amin’ny tafika goavana vory marobe aza ny Farao n’i Ejipta dia tsy afaka hanampy azy hiaro tena rehefa manangana tovon-tany sy manao hady ho enti-mamono ireo vahoaka betsaka ny Babilônianina.
18
Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony io mpanjaka io raha tsy nitandro ny fifanekena. Nanao ireo hadisoana rehetra ireo izy ka tsy tafavoaka satria efa nanome toky tamim-pianianana.
19
«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Velona Aho ka mianiana fa noho ny mpanjakan’i Israely nanao tsinontsinona ny fifanekena izay nianianany hotandremana, dia hampihariko aminy ny vokatr’izany.
20
Hamelarako fandrika izy ka ho tratra. Hoentiko any Babilôna izy ka any no hotsaraiko noho ny fivadihany tamiko.
21
Ho faty an’ady ireo miaramila kinga amin’ny andian-tafiny rehetra, ary izay sisa velona dia haely amin’ny vazan-tany efatra: Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no efa niteny taminareo.»
22
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Izaho mihitsy no haka rantsan-kazo tanora iray eny an-tendron’ny hazo sedera avo, ary hamboleko izany; eny amin’ny lohan’ny rantsany no hakako izany, ka hamboleko eny an-tendrombohitra avo be.
23
Eny an-tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy. Handrobona ny rantsany ka hamoa, dia hanjary sedera mahafinaritra izy. Hanao akany eny amin’ny rantsany sy hitoetra eo ambany alony ny vorona isan-karazany.
24
Amin’izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany.»
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48