bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 5
Ezekiel 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 6 →
1
Hoy ny Tompo tamiko: «Makà sabatra maranitra ianao, ry ilay taranak’olombelona, ka ampiasao ho toy ny hareza izany. Kikiso ny volondohanao sy ny volombavanao, dia lanjao izay voaharatrao ary tsinjarao telo.
2
Rehefa tapitra ny fotoanan’ny fahirano, dia hodoranao amin’ny afo harehitrao eo afovoan-tanàna ny ampahatelony. Ny ampahatelony hafa kosa hotetitetehinao amin’ny sabatra manodidina ny tanàna. Ary ny ampahatelony sisa haelinao eny amin’ny rivotra, ka Izaho no hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy.
3
«Kanefa hakanao ampahany kely ireo volo ireo ka hafeninao anaty paosin’akanjonao.
4
Hanalanao singam-bolo vitsivitsy amin’izany mba hatorakao ao anaty afo ka hodoranao: ireny no hamelona afo hanatratra ny vahoakan’i Israely rehetra.
5
«Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: «Izany no hanjo an’i Jerosalema izay tanàna napetrako eo anivon’ny hafa firenena sy voahodidin’ny tanin’ireo.
6
Tsy nankatò ny fitsipiko aman-dalàko anefa ny mponin’i Jerosalema fa nanao ratsy mihoatra noho ireo hafa firenena nifanila taminy ary mihoatra noho ireo tany nanodidina azy. Eny, nolaviny ny fitsipiko ary tsy narahiny ny lalànako.
7
Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manambara aminy hoe: Nikomy tamiko mihoatra noho ireo firenena manodidina anareo ianareo. Tsy nitondra tena araka ny lalànako ianareo ary tsy nanatanteraka ny fitsipiko, fa nanaraka ny an’ireo hafa firenena manodidina anareo aza.
8
Koa hamafisiko indray fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no hamely anareo, ry mponin’i Jerosalema. Hampihariko eo afovoan-tanàna ho hitan’ny hafa firenena ny didim-pitsarako.
9
Hataoko aminareo izay tsy mbola nataoko mihitsy sady tsy hataoko intsony any aoriana, satria maharikoriko ny fanompoan-tsampy rehetra vitanareo.
10
Koa ny ray aman-dreny hihinana ny zanany ary ny zanaka kosa hihinana ny ray aman-dreniny. Hampihariko ny didim-pitsarako momba anareo, ka haeliko amin’ny vazan-tany rehetra izay sisa tavela eo aminareo.
11
«Eny, velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao izao teny hentitra izao: Holevoniko tsy misy indrafo na fiantrana ianareo, satria nolotoinareo tamin’ny fanaonareo mahatsiravina sy ny sampinareo maharikoriko ny tempoliko.
12
Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanàna; ny ampahatelo ho fatin’ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin’ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho hoenti-manenjika azy.
13
Hampihariko hatramin’ny farany ny fahatezerako ary hanaranako fo ny fahavinirako ka hampariko aminareo ny valifatiko. Amin’izay dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany taminareo satria tsy zakako ny fivadihanareo, ka nampihariko taminareo hatramin’ny farany ny fahavinirako.
14
Ny mponin’ireo tany manodidina sy ireo mpandalo rehetra dia hahita fa nataoko tanàna lao sy fandatsa i Jerosalema.
15
Hampihariko ny didim-pitsarana hamelezana io tanàna io amim-pahatezerana sy amim-pahavinirana ary amim-panakianana mivaivay. Amin’izay ny hafa firenena manodidina azy dia hanao azy ho fandatsa sy ho fihomehezana ary koa ho fampitandremana sy ho fampitahorana. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo.
16
«Hampijaliako amin’ny mosary ianareo mba haharingana anareo. Hampahory anareo tahaka ny zana-tsipîka mahafaty izany. Hosimbàko ny tahiri-mofonareo ka ho faty mosary ianareo.
17
Ny mosary sy ny biby masiaka izay halefako hamely anareo no hahafaty ny zanakareo; ny areti-mandringana sy ny herisetra dia handroso eo aminareo ary ny ady kosa hataoko mihatra aminareo. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo.»
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48