bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 1
Exodus 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 2 →
1
Ireto ny anaran’ny Zanak’Israely izay niaraka tamin’i Jakoba nankany Ejipta; samy nandeha mbamin’ny ankohonany avy izy rehetra:
2
I Robena, i Simeona, i Levy ary i Joda;
3
Isakara, i Zebolona, i Benjamina;
4
i Dana, i Naftaly, i Gada ary i Asera.
5
Fitopolo ny isan’ny olona rehetra naterak’i Jakoba. I Josefa dia efa tany Ejipta rahateo.
6
Ary maty i Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’izany taranaka rehetra izany.
7
Ary niteraka maro ny Zanak’Israely ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nitombo hery hatrany ka henika azy ny tany.
8
Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Ejipta, izay tsy nahafantatra an’i Josefa.
9
Izy io no niteny tamin’ny vahoakany hoe: Indro, efa maro sy mahery noho isika ny firenen’ny Zanak’Israely.
10
Andeha hitadiavantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, koa raha toa ka misy ady dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika ary hiakatra hiala amin’ny tany izy ireo.
11
Dia nanendreny mpifehy izy mba hampahory azy ireo amin’ny fanompoana mafy. Ary nanao tanàna fitahirizana ho an’i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
12
Nefa arakaraka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa ka natahotra ny Zanak’Israely fatratra ny Ejiptiana.
13
Dia nampanompoin’ny Ejiptiana mafy ny Zanak’Israely
14
ka nataony nitondra faisana tamin’ny fanompoana mafy, ny fanaovana feta sy biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy mafy.
15
Ary hoy ny mpanjakan’i Ejipta tamin’ny mpampivelona hebreo, Sifra no anaran’ny iray, ary Poa no anaran’ny iray:
16
Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo ka hitanareo fa zazalahy dia vonoy, fa raha zazavavy kosa dia velomy.
17
Nefa natahotra an’Andriamanitra ireo mpampivelona dia tsy nanatanteraka izay nolazain’ny mpanjakan’i Ejipta taminy fa novelominy ihany ny zazalahy.
18
Dia niantso ireo mpampivelona ny mpanjakan’i Ejipta ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no nanao izao ka novelominareo ihany ny zazalahy?
19
Fa hoy ireo mpampivelona tamin’i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptiana ny vehivavy hebreo fa matanjaka be izy, koa raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona dia efa teraka sahady izy.
20
Dia nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona; ary nihamaro sy nihanahery indrindra ny olona.
21
Ary tamin’izany, satria natahotra an’Andriamanitra ireo mpampivelona, dia nomen’Andriamanitra taranaka izy.
22
Dia nandidy ny vahoakany rehetra i Farao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia atsipazo any amin’ny ranon’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40