bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 37
Exodus 37
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 38 →
1
Ary nanao ny vata tamin’ny hazo akasia i Bezalila; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony;
2
nopetahany takelaka volamena tsy miharo tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany sisiny volamena manodidina.
3
Nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao aminy koa izy ka nataony teo amin’ny tongony efatra, dia roa no teo amin’ny lafiny iray, ary mason-drojo roa no teo amin’ny lafiny iray koa.
4
Ary nanao bao tamin’ny hazo akasia izy ka nopetahany takelaka volamena.
5
Nampidiriny ho ao amin’ny mason-drojo izay eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy.
6
Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ny volamena tsy miharo izy: Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
7
Dia nanao kerobima volamena roa izy; iray vongana amin’ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany azy roa,
8
koa ny kerobima iray dia nataony teo amin’ny sakany iray ary ny kerobima iray kosa dia teo amin’ny sakany iray hafa; iray vongana amin’ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin’ny sakany roa.
9
Ary nivelatra teo ambony ny elatry ny kerobima ka nalofan’io elany io ny rakotra fanaovam-panavotana; nifanatrika ny tavany sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa.
10
Nanao ny latabatra tamin’ny hazo akasia koa izy; roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
11
Nopetahany takelaka volamena tsy miharo izy io sady nasiany sisiny volamena manodidina azy.
12
Nasiany sisiny felatanana iray manodidina azy ary nasiany sisiny volamena ny manodidina.
13
Nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao aminy izy ka nataony teo amin’ny zorony efatra eo amin’ny tongony efatra:
14
Eo akaikin’ny sisiny no nisy ny mason-drojo ho fitoeran’ny bao hilanjana ny latabatra.
15
Ary nanao ny bao tamin’ny hazo akasia izy hilanjana ny latabatra ka nopetahany takelaka volamena.
16
Nanao ny fanaka izay eo ambonin’ny latabatra indray izy, dia ny loviany sy ny loviakeliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no nanaovany ireo.
17
Nanao ny fitoeran-jiro tamin’ny volamena tsy miharo indray koa izy; notefena ny fitoeran-jiro; vongana iray aminy ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny.
18
Nisy rantsany enina tamin’ny ilany roa, dia rantsany telo tamin’ny fitoeran-jiro amin’ny ilany iray, ary rantsana telo tamin’ny fitoeran-jiro amin’ny ilany iray hafa koa;
19
teo amin’ny rantsany iray dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; teo amin’ny sampany iray koa dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ny rantsany enina tamin’ny fitoeran-jiro.
20
Teo amin’ny fitoeran-jiro dia nisy foto-boniny efatra natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny,
21
dia bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, ary bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, ary bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa koa sady miray aminy; amin’ny rantsany enina izay miray amin’ny fitoeran-jiro izany.
22
Ny bokony sy ny rantsany dia niray taminy avokoa; izy rehetra dia natao vongana iray tamin’ny volamena iray tsy miharo.
23
Nataony tamin’ny volamena tsy miharo ny jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony.
24
Volamena tsy miharo, talenta iray, no nanaovany azy io mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.
25
Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: Iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izany; ary roa hakiho ny haavony; nataony miray aminy ny tandrony.
26
Ary nopetahany takelaka volamena tsy miharo izany, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; nasiany sisiny volamena manodidina io.
27
Nasiany mason-drojo volamena roa teo ambanin’ny sisiny ka nataony teo amin’ny zorony efatra ireo ho fitoeran’ny bao hilanjana azy.
28
Hazo akasia no nanaovany ny bao ka nopetahany takelaka volamena.
29
Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40