bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 12
Exodus 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 13 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona teo amin’ny tany Ejipta hoe:
2
Ity volana ity no volana voalohany ho anareo; ho volana voalohany amin’ny taona ho anareo izany.
3
Mitenena ianareo amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka haka zanak’ondry na zanak’osy iray avy ny isam-pianakaviana, zanak’ondry iray avy isan-trano.
4
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy no haka araka izay isan’ny olona; araka izay tokony ho lanin’ny olona no hifidiananareo ilay zanak’ondry.
5
Zanak’ondry tsy misy kilema, na zanak’osy, ary lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izany.
6
Hotahirizinareo hatramin’ny andro fahefatra amby folo amin’ity volana ity izany; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonan’ny Israely manontolo.
7
Ary hakana ny ra ka hatentina amin’ny tolanam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanana azy.
8
Dia hohanina amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanana azy, miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy.
9
Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izany fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.
10
Aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha toa ka misy sisa tsy lany ka tra-maraina dia hodoranareo amin’ny afo izany.
11
Toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Ho voasikina ianareo, ary hisy kapa ny tongotrareo, ary ho eny an-tananareo ny tehinareo; dia hohaninareo haingana izany, fa Paska an’NY TOMPO.
12
Fa handeha hamakivaky ny tany Ejipta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hanao fitsarana amin’ireo andriamanitry ny Ejiptiana rehetra Aho. Izaho no TOMPO.
13
Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho.
14
Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra.
15
Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. Amin’ny andro voalohany no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza no hihinana mofo misy masirasira manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho eo amin’ny Israely izy.
16
Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary amin’ny andro fahafito koa dia hisy fivoriana masina. Tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ireo andro ireo, afa-tsy izay hohanin’ny olona tsirairay, dia izany ihany no hamboarinareo.
17
Ary hitandrina ny andron’ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa tamin’izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; koa hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ho lalàna maharitra.
18
Amin’ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany, amin’ny hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira, hatramin’ny harivan’ny andro fahiraika amby roapolo amin’ny volana.
19
Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’ny Israely, na vahiny na tompon-tany.
20
Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’izay itoeranareo rehetra avy.
21
Dia niantso ny loholon’ny Israely rehetra i Mosesy ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo dia makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy ka vonoy ny Paska.
22
Dia makà hisopa iray fihina ka atsobohy amin’ny ra izay ao anatin’ny bakoly, ary ny ra izay ao anatin’ny bakoly dia ahosory amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa. Aza misy mivoaka ny varavaran’ny tranonareo ianareo mandra-paharain’ny andro.
23
Fa handeha hamely ny Ejiptiana NY TOMPO; ary raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa NY TOMPO dia handalo fotsiny ny varavarana ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
24
Ary hitandrina izany zavatra izany ianareo ho lalàna maharitra ho anareo sy ho an’ny taranakareo.
25
Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’NY TOMPO anareo araka izay nolazainy ianareo dia tandremo izany fanompoana izany.
26
Raha manontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao?
27
Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paska an’NY TOMPO, izay nandalo fotsiny ny tranon’ny Zanak’Israely tany Ejipta; raha namely ny Ejiptiana Izy dia namonjy ny tao an-tranontsika kosa. Dia niankohoka tamin’ny tany ny olona ka nivavaka.
28
Ary nandeha ny Zanak’Israely ka nanatanteraka izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony.
29
Nony misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta NY TOMPO, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
30
Ary raha mbola alina dia nifoha i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny Ejiptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Ejipta satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
31
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona izy tamin’iny mbola alina iny ka niteny hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’Israely ary mandehana ka manompoa NY TOMPO araka ny nolazainareo.
32
Ary ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo ka mandehana; ary mba tsofy rano aho!
33
Dia nandodona ny olona ny Ejiptiana ka nampandeha azy haingana hiala tamin’ny tany satria hoy izy: Ho faty avokoa izahay rehetra!
34
Dia noentin’ny olona ny kobany efa voalena, raha tsy mbola tonga masirasira, sy ny vilany famolavolana koba, voafehy tamin’ny lambany teny an-tsorony.
35
Ary nanaraka ny tenin’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ny Ejiptiana.
36
Fa nataon’NY TOMPO nahita fitia teo imason’ny Ejiptiana ny olona ka nomen’ireo azy izay nangatahiny. Nofoanany tamin’izany ny Ejiptiana.
37
Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’Israely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
38
Ary nisy olona maro samihafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’osy sy omby, dia fananana be tokoa.
39
Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba nohamandoina izay noentiny avy tany Ejipta izy ireo; tsy mbola tonga masirasira ilay izy satria noroahina tany Ejipta izy ireo ka tsy nahazo nitaredretra, tsy nisy fotoana hanomanana vatsy akory.
40
Ny andro nitoeran’ny Zanak’Israely tany Ejipta dia telopolo sy efajato taona.
41
Rehefa tapitra ny telopolo sy efajato taona dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ireo antoko rehetra izay an’NY TOMPO avy tany amin’ny tany Ejipta.
42
Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
43
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Izao no fitsipiky ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hahazo hihinana azy.
44
Ny mpanompolahy rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao hahazo hihinana.
45
Ny vahiny sy ny mpikarama kosa dia tsy mba hihinana azy.
46
Ao amin’ny trano iray ihany no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny alatrano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
47
Ny fiangonan’ny Israely manontolo no hitandrina izany.
48
Raha misy mivahiny eo aminao ka mba te hitandrina ny Paska an’NY TOMPO dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana azy.
49
Lalàna iray no ho amin’ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
50
Dia notanterahin’ny Zanak’Israely rehetra izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony.
51
Tamin’izany andro izany indrindra no nitondran’NY TOMPO ny Zanak’Israely nivoaka ny tany Ejipta araka ny antokony.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40