bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 6
Exodus 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 7 →
1
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Ankehitriny, ho hitanao izay hataoko amin’i Farao. Fa hisy tanana mahery hamelany azy handeha, ary hisy tanana mahery handroahany azy amin’ny taniny.
2
Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: Izaho no TOMPO.
3
Tamin’ny anarako hoe andriamanitra tsitoha no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, fa ny anarako hoe NY TOMPO tsy mbola nahafantarany Ahy.
4
Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahinianany izay efa nitoerany toy ny mpivahiny.
5
Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ny Zanak’Israely izay ampanompoin’ny Ejiptiana ka tsaroako ny fanekeko.
6
Noho izany, lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Izaho no TOMPO; hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy izay ampanaovin’ny Ejiptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ny fanompoana azy; sandry atsotra sy fitsarana lehibe no hanavotako anareo.
7
Dia halaiko ho Ahy ianareo mba ho oloko ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy izay ampanaovin’ny Ejiptiana anareo.
8
Hampiditra anareo any amin’ny tany izay nananganako tanana mba homena an’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba Aho; dia homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.
9
Ary nilaza izany tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy. Nefa tsy nihaino an’i Mosesy izy ireo noho ny fahakiviany amin’ny fanompoana tsy ara-drariny.
10
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
11
Mandehana ka lazao i Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamela ny Zanak’Israely hiala amin’ny taniny izy.
12
Nefa niteny teo anatrehan’NY TOMPO i Mosesy hoe: Indro, na dia ny Zanak’Israely aza dia tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’i Farao ahy, nefa izaho dia tsy voafora molotra?
13
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona ka nanome teny azy momba ny Zanak’Israely sy momba an’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoahana ny Zanak’Israely avy amin’ny tany Ejipta.
14
Ireto avy ny lohan’ny fianakaviany: Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy; ireo no fokom-pirenen’i Robena.
15
Ary ny zanakalahin’i Simeona dia i Jemoela, i Jamina, i Ohada, i Jakina, i Zohara ary i Saoly, zanakalahin’ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen’i Simeona.
16
Ary izao no anaran’ny zanakalahin’i Levy, araka ny taranany, dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary; fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levy.
17
Ny zanakalahin’i Gersona dia i Libny sy i Simey, araka ny fokom-pireneny.
18
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.
19
Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ny levita, araka ny taranany.
20
Ary i Amrama dia naka an’i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy taminy izy. Fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Amrama.
21
Ary ny zanakalahin’i Jizara dia i Kora sy i Nefega ary i Zikry.
22
Ny zanakalahin’i Oziela dia i Misaela sy i Elzafana ary i Sitirỳ.
23
Ary i Arona dia naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy i Abiho ary i Eleazara sy Itamara taminy izy.
24
Ary ny zanakalahin’i Kora dia i Asira sy i Elkana ary i Abiasafa. Ireo no fokom-pirenen’ny Koraìta.
25
Ary i Eleazara, zanakalahin’i Arona, dia naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, ary niteraka an’i Finehasa taminy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny levita, araka ny fokom-pireneny.
26
Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’NY TOMPO hoe: Ento ny Zanak’Israely hivoaka avy any amin’ny tany Ejipta araka ny antokony.
27
Ireo no niteny tamin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, fa hitondra ny Zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta. Ireo no Mosesy sy Arona.
28
Tamin’ny andro izay nitenenan’NY TOMPO tamin’i Mosesy teo amin’ny tany Ejipta
29
dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izaho no TOMPO. Lazao amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.
30
Nefa niteny teo anatrehan’NY TOMPO i Mosesy hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, koa amin’ny fomba ahoana no hihainoan’i Farao ahy?
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40