bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 2
Exodus 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 3 →
1
Nisy lehilahy iray avy amin’ny ankohonan’i Levy lasa naka vady tamin’ny zanakavavin’i Levy.
2
Dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy. Ary rehefa hitany fa zaza tsara tarehy ilay izy dia nafeniny telo volana.
3
Ary rehefa tsy azony nafenina intsony dia naka vata kely zozoro izy ka nopetahany godorao sy dity ilay vata kely, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ny Neily ny vata kely.
4
Ary nijanona teny lavidavitra teny ny anabaviny mba hahitany izay hanjo azy.
5
Dia nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao amin’ny Neily fa ny mpanompovaviny dia nitsangantsangana teny amoron’ny Neily; koa raha nahita ilay vata kely teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy mba haka izany.
6
Nony nosokafany dia hitany ny zazakely; ary indro zazalahy mitomany. Dia onena azy izy ka niteny hoe: Isan’ny zanaky ny Hebreo ity!
7
Fa hoy ilay anabavin’ny zazakely tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy hebreo va aho hankaty aminao mba hataonao mpitaiza azy?
8
Dia hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa Razazavavy niantso ny renin’ny zaza.
9
Ary hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Ento ity zaza ity, fa ianao no ataoko mpitaiza azy, ary izaho no handoa ny karamanao. Dia noentin-dRavehivavy ny zaza ka nampinonoiny.
10
Ary rehefa lehibe ny zaza dia noentiny tao amin’ny zanakavavin’i Farao ka tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy, fa hoy izy: Satria tamin’ny rano no nakako azy.
11
Tamin’izany andro izany, rehefa lehibe i Mosesy, dia nandeha nankany amin’ireo rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy ary nahita lehilahy ejiptiana nikapoka ny iray tamin’ny Hebreo rahalahiny.
12
Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Ejiptiana ary nasitriny tao anaty fasika ny fatiny.
13
Ny ampitson’iny, nandeha indray izy, ary indreo, nisy Hebreo roa lahy niady. Dia hoy izy tamin’ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
14
Fa hoy izy: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va Ialahy, tahaka ny namonoan’Ialahy ilay Ejiptiana? Dia raiki-tahotra i Mosesy ka niteny hoe: Hay tena fantatr’olona izany ny raharaha!
15
Rehefa ren’i Farao izany zavatra izany dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa nandositra an’i Farao i Mosesy ka nonina tany amin’ny tany Midiana. Ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana iray izy.
16
Ary ny mpisorona tany Midiana dia nanana zanaka fito mirahavavy. Tonga teo amin’ny fantsakana izy ireo nanovo rano ka nameno ny fampisotroan-drano, hampisotroany ny ondry aman’osin-drainy.
17
Nefa tonga teo kosa ny lehilahy mpiandry ondry sasany ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana i Mosesy namonjy azy dia nampisotro rano ny ondry aman’osiny.
18
Rehefa tonga teo amin’i Regoela rainy izy fito mirahavavy ireo dia hoy ny rainy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izao ianareo androany?
19
Hoy izy ireo: Nisy lehilahy ejiptiana iray namonjy anay tamin’ny tanan’ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, no nampisotro ny ondry aman’osy.
20
Ary hoy izy tamin’ireo zanany vavy: Koa aiza izy izany? Nahoana no nilaozanareo any izao lehilahy izao? Antsoy izy mba hihinan-kanina.
21
Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dRalehilahy. Koa i Zipora zanany vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy.
22
Dia niteraka zazalahy Ravehivavy, ary ny anarany nataon’i Mosesy hoe Gersoma; fa hoy izy: Vahiny atỳ amin’ny tany hafa aho.
23
Taona maro taorianan’izany dia maty ny mpanjakan’i Ejipta; ary ny Zanak’Israely dia nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; dia niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
24
Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany. Ary Andriamanitra nahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba.
25
Ary Andriamanitra nijery ny Zanak’Israely. Ary Andriamanitra nahafantatra azy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40