bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 17
Exodus 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 18 →
1
Ary nifindra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka niala tao amin’ny tany efitra Sina, ho any amin’izay toerana natoron’NY TOMPO hitobiany, ary nitoby tao Refidima nefa tsy nisy rano hosotroiny ny olona.
2
Dia nila ady tamin’i Mosesy izy ireo ka niteny hoe: Omeo rano izahay hosotroinay. Fa hoy i Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy NY TOMPO ianareo?
3
Teo no nangetaheta ny olona ka nimonomonona tamin’i Mosesy ary niteny hoe: Nahoana no noentinao niakatra niala tany Ejipta ho fatin’ny hetaheta izahay sy ny zanakay ary ny bibinay?
4
Ary nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Inona no hataoko amin’ireto olona ireto? Mila hitora-bato ahy izy!
5
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ny olona, ary mitondrà loholon’ny Israely hiaraka aminao; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’i Neily, dia ento eny an-tananao ka mandehana.
6
Ary indro, hijoro eo anatrehanao eo ambonin’ny harambato any Horeba Aho dia hikapoka ny harambato ianao ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ny olona. Dia nanatanteraka izany teo imason’ireo loholon’ny Israely i Mosesy.
7
Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe: Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ny Zanak’Israely sy noho ny nakany fanahy NY TOMPO hoe: Eto aminay va NY TOMPO, sa tsia?
8
Tonga kosa ny Amalekita ka niady tamin’ny Israelita tao Refidima.
9
Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita; fa hijoro eo an-tampon’ny havoana aho rahampitso ka hitana ny tehin’Andriamanitra etỳ an-tanako.
10
Ary nanatanteraka izay nolazain’i Mosesy taminy i Josoa ka niady tamin’ny Amalekita. Fa i Mosesy sy i Arona ary i Hora kosa dia niakatra ho ao an-tampon’ny havoana.
11
Rehefa nasandratr’i Mosesy ny tanany dia nahery ny Israelita; fa rehefa nampidininy ny tanany dia nahery kosa ny Amalekita.
12
Nefa vizana ny tanan’i Mosesy ka naka vato izy roa lahy, nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany. I Arona sy i Hora dia nanohana ny tanany, koa ny iray dia teo an-daniny ary ny iray dia teo an-kilany; dia naharitra tsy ketraka intsony ny tanany mandra-pahafatin’ny masoandro.
13
Dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ny lelan-tsabatra i Josoa.
14
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ao amin’ny boky izany ho fahatsiarovana ka ambarao amin’i Josoa; fa hofoanako tsy ho eny ambanin’ny lanitra tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita.
15
Dia nanorina alitara i Mosesy ka ny anarany nataony hoe: NY TOMPO Nisỳ.
16
Hoy mantsy izy: NY TOMPO nianiana hoe: Satria nisy tanana niainga hamely ny sezafiandrianan’NY TOMPO dia tsy hitsahatra hatramin’izay taranany fara aman-dimby ny adin’NY TOMPO amin’ny Amalekita.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40