bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 21
Exodus 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 22 →
1
Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
2
Raha mividy andevo hebreo ianao dia enin-taona no hanompoany, ary amin’ny taona fahafito kosa dia hiala izy ka ho afaka madiodio.
3
Raha izy irery no niditra dia izy irery no hiala; fa raha manambady izy dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
4
Raha manome vady azy ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy dia ho an’ny tompony ny vadiny sy ny zanany fa izy irery ihany no hiala.
5
Fa raha tena milaza ilay andevo hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako ka tsy te ho afaka aho
6
dia hoentin’ny tompony ho eo anatrehan’Andriamanitra izy, ary hoentiny ho eo amin’ny varavarana na ho eo amin’ny tolanam-baravarana ka hotevehin’ny tompony amin’ny fanjaibe ny sofiny, dia hanompo azy mandrakizay izy.
7
Raha misy anefa mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo dia tsy mba ho tahaka ny fialan’ny andevolahy ho afaka no fialany.
8
Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony izay efa nikasa hanambady azy Ravehivavy dia havelany havotana ihany izy; kanefa tsy mahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy satria efa namitaka azy.
9
Ary raha mikendry azy ho fofombadin’ny zanany lahy izy dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
10
Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy dia tsy hahenany ny sakafony sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
11
Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany dia hiala ka ho afaka madiodio Ravehivavy fa tsy handoa vola.
12
Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hovonoina ho faty.
13
Izay tsy ninia nahafaty, fa Andriamanitra no nanolotra azy eo an-tanany, dia hanondro toerana ho anareo Aho handosirany.
14
Ary raha misy olona mivonona hamono ny namany amin’ny hafetsena dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, ka hovonoina ho faty.
15
Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty.
16
Izay mangalatra olona ka na efa namidiny, na mbola hita eo an-tanany ihany ilay nangalariny, dia hovonoina ho faty.
17
Izay manozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty.
18
Raha misy olona miady ka ny iray mamely ny namany amin’ny vato na amin’ny totohondry, kanefa tsy maty ilay voa fa marary am-pandriana,
19
dia ho afa-tsiny ilay namely azy rehefa afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny alatrano ilay marary. Kanefa handoa ny onitr’ireo andro tsy niasany izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
20
Raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin’ny hazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana dia hovalina tokoa izy.
21
Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy io dia tsy hovalina ilay tompony satria harenany ihany izy.
22
Raha misy olona miady ka mandratra vehivavy manana anaka ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ny vadin-dRavehivavy azy; handoa araka izay didy havoakan’ny mpitsara izy.
23
Fa raha misy maninona kosa dia hanome aina solon’ny aina ianao,
24
maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra,
25
may solon’ny may, ratra solon’ny ratra, fery solon’ny fery.
26
Ary raha misy olona mikapoka ny mason’ny andevolahiny na ny mason’ny andevovaviny ka mahasimba azy dia homeny fahafahana izy noho ny masony.
27
Ary raha ny nifin’ny andevolahy na ny andevovavy no afany dia homeny fahafahana izy noho ny nifiny.
28
Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy dia hotoraham-bato tokoa ny omby ary tsy hohanina ny henany; fa ny tompon’ilay omby kosa dia ho afa-tsiny.
29
Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy ka nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby ary ny tompony koa dia hovonoina.
30
Raha sazina izy dia handoa vidin’aina araka izay sazy atao aminy.
31
Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy.
32
Raha manoto andevolahy na andevovavy izy dia homena sekela volafotsy telopolo ny tompon’andevo, ary ny omby dia hotoraham-bato.
33
Raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka ka tsy rakofany ka misy omby na boriky latsaka
34
dia hanonitra vola ho an’ny tompon’ilay omby ny tompon’ilay lavaka; ary ho azy ilay biby maty.
35
Raha misy ombin’olona mandratra ny ombin’ny namany ka mahafaty azy dia hamidiny ny omby velona ary hozarainy ny vola vidiny, ary hozarainy koa ilay omby maty.
36
Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, saingy tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy, fa ilay maty kosa dia ho azy.
37
Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon’ny omby iray izy, ary ondry na osy efatra ho solon’ny ondry na osy iray.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40