bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 4
Exodus 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 5 →
1
Dia namaly i Mosesy hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy ireo fa hilaza hoe: Tsy niseho taminao NY TOMPO!
2
Hoy NY TOMPO taminy: Inona moa iny an-tananao iny? Dia hoy izy: Tehina.
3
Ary hoy Izy: Atsipazo amin’ny tany iny. Dia natsipiny tamin’ny tany izany ka tonga menarana ary nandositra azy i Mosesy.
4
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ny tananao ka raiso amin’ny rambony iny. Dia natsotrany ny tanany ka noraisiny izany ary tonga tehina teo an-tanany indray.
5
Izany dia mba hinoan’ireo fa efa niseho taminao NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.
6
Hoy koa NY TOMPO taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tanany, koa nony notsoahiny dia indro, boka ny tanany ka fotsy tahaka ny orampanala.
7
Ary hoy indray Izy: Atsofohy ao amin’ny tratranao indray ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany indray ny tanany, koa nony notsoahiny tamin’ny tratrany dia indro, niverina tahaka ny teo aloha indray.
8
Raha tsy hino anao izy ireo ka tsy hihaino ny feon’ny famantarana voalohany dia hino ny feon’ny famantarana manaraka.
9
Raha toa ka tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na tsy hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao ka hararakao amin’ny tany maina izany; fa izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga ra eo amin’ny tany maina.
10
Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tompo ô, mifona aminao aho, fa olona tsy mahay mandaha-teny, na hatramin’ny taloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; votsa vava sy miadam-piteny anie aho e!
11
Dia hoy NY TOMPO taminy: Iza moa no nanome vava ho an’ny olona? Ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? Tsy Izaho TOMPO va?
12
Koa ankehitriny, mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
13
Nefa hoy izy: Tompo ô, mifona aminao aho, iraho izay hafa tianao hirahina.
14
Dia nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Tsy ao ihany va i Arona levita rahalahinao? Fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy. Koa rehefa mahita anao izy dia ho faly ny fony.
15
Dia hiteny aminy ianao ka hametraka ny teny ao am-bavany; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
16
Ary izy no ho solovavanao hiteny amin’ny olona, ary ianao kosa dia ho solon’Andriamanitra ho azy.
17
Dia hoentinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
18
Dia lasa nandeha i Mosesy ka niverina nankany amin’i Jetro rafozany ary niteny taminy hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hiverina any amin’ny rahalahiko izay any Ejipta ka hijery na mbola velona ihany izy na tsia. Ary hoy i Jetro tamin’i Mosesy: Mandehana amin’ny fiadanana!
19
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty ny olona rehetra izay nifofo ny ainao.
20
Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny boriky dia niverina ho any amin’ny tany Ejipta izy. Ary noentin’i Mosesy teny an-tanany ilay tehin’Andriamanitra.
21
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Amin’izao fiverenanao mankany Ejipta izao, indreo ireo famantarana rehetra izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao, fa Izaho hanamafy ny fony ka tsy handefa ny olona izy.
22
Dia lazao amin’i Farao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Israely no zanako lahy, lahimatoako.
23
Koa efa nolazaiko taminao hoe: Avelao ny zanako handeha mba hanompo Ahy; kanjo nandà tsy namela azy handeha ianao; koa indro Aho hamono ny zanakao lahy, ny lahimatoanao.
24
Nony tany an-dalana, tao amin’ny fandriam-bahiny i Mosesy, dia nitsena azy NY TOMPO ka nitady hamono azy.
25
Dia naka fiharatra vato i Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia nakasony ny tongony ka hoy izy: Vady azoko tamin’ny fandatsahan-dra ianao!
26
Dia niala taminy Izy rehefa hoy Ravehivavy hoe: Vady azo tamin’ny fandatsahan-dra ianao, noho ny famorana.
27
Hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Mandehana mitsena an’i Mosesy any an-tany efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.
28
Ary nambaran’i Mosesy tamin’i Arona izay teny rehetra nanirahan’NY TOMPO azy sy izay famantarana rehetra nandidiany azy.
29
Dia lasa nandeha i Mosesy sy i Arona ka nanangona ny loholon’ny Zanak’Israely rehetra.
30
Dia nolazain’i Arona ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy sady nataony teo imason’ny olona ny famantarana.
31
Dia nino ny olona. Rehefa reny fa NY TOMPO efa namangy ny Zanak’Israely ka efa nitsinjo ny fahoriany dia niankohoka tamin’ny tany izy ka nivavaka.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40