bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 16
Exodus 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 17 →
1
Ary tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana faharoa taorianan’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka nankany amin’ny tany efitra Sina izay eo anelanelan’i Elima sy i Sinay.
2
Dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona tany an-tany efitra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo
3
ka hoy izy ireo: Inay anie izahay mba matin’ny tanan’NY TOMPO tany amin’ny tany Ejipta, raha nipetraka teo anilan’ny vilany fahandroan-kena mba nihinan-kanina ka voky! Fa nitondra anay nivoaka ho atỳ amin’ity tany efitra ity ianareo hahafaty mosary izao fiangonana manontolo izao.
4
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Dia ho avy ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isanandro mba hizahako toetra azy, na handeha hanaraka ny lalànako izy na tsia.
5
Ary amin’ny andro fahenina, raha manamboatra izay azony izy, dia hisy indroa toraka izay angoniny isanandro amin’io.
6
Dia hoy i Mosesy sy i Arona tamin’ny Zanak’Israely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa NY TOMPO no nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
7
ho hitanareo koa ny voninahitry NY TOMPO rahampitso maraina, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’NY TOMPO; fa izahay moa no inona no imonomononanareo?
8
Hoy koa i Mosesy: Ho hitanareo, rehefa homen’NY TOMPO hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina, fa efa ren’NY TOMPO ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo fa NY TOMPO.
9
Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona: Lazao amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Manatòna eo anatrehan’NY TOMPO; fa efa reny ny fimonomononanareo.
10
Ary raha mbola niteny tamin’ny fiangonan’ny Israely manontolo i Arona dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo ka indro, ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny rahona.
11
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
12
Efa reko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely, koa mitenena aminy hoe: Hihinan-kena ianareo anio hariva milenti-masoandro ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo, dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
13
Nony hariva, niakatra ny papelika ka rakotra azy ny toby; nony maraina, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
14
Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.
15
Rehefa hitan’ny Zanak’Israely izany dia nifanontany izy hoe: Inona itony? Satria tsy fantany hoe inona ireny. Dia hoy i Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’NY TOMPO ho fihinanareo.
16
Ary izao no teny izay nampilazain’NY TOMPO: Samia manangona amin’ireo ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran’ny vata omera avy isan’olona, araka ny isanareo; samia ianareo mitondra ho an’izay ao an-dainy avy.
17
Dia nanatanteraka izany ny Zanak’Israely ka samy nanangona; ny sasany dia nanangona be, ny sasany kosa dia kely.
18
Rehefa nafatrany tamin’ny vata omera ireo dia tsy nanana amby ny nanangona be ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy. Samy nanangona araka izay sahaza azy avy izy ireo.
19
Hoy koa i Mosesy tamin’izy ireo: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.
20
Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’i Mosesy izy fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo. Dia tezitra tamin’ny olona i Mosesy.
21
Nanangona ny mana isa-maraina ny olona, samy araka izay sahaza azy avy; ary nony nafana ny andro dia levona ireny.
22
Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy.
23
Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina.
24
Dia namela izany ho tra-maraina izy araka izay nandidian’i Mosesy nefa tsy mba maimbo na niteraka olitra.
25
Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio.
26
Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito ka tsy hisy amin’io andro io.
27
Nony tamin’ny andro fahafito, nisy ihany olona nandeha hanangona nefa tsy nahita na dia kely aza.
28
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako?
29
Hevero fa NY TOMPO no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ny indroa andro amin’ny andro fahenina. Samia mitoetra eo amin’ny fitoerany avy ianareo ka aoka tsy hisy hiala amin’ny fitoerany amin’ny andro fahafito.
30
Dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito.
31
Nantsoin’ny taranak’Israely hoe Mana io zavatra io; ary tahaka ny voan’ny koriandira izy nefa fotsy; ary ny tsirony dia tahaka ny mofo misy tantely.
32
Ary hoy i Mosesy: Izao zavatra izao no nandidian’NY TOMPO: Mamenoa vata omera iray mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-tany efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Aho.
33
Hoy koa i Mosesy tamin’i Arona: Makà siny iray ka asio mana eran’ny vata omera ao anatiny dia apetraho eo anatrehan’NY TOMPO izany mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.
34
Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona mba hotahirizina.
35
Ary nihinana mana nandritra ny efapolo taona ny Zanak’Israely mandra-pahatongany tany amin’izay tany misy mponina. Eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin’ny sisin’ny tany Kanana.
36
Ny omera dia ampahafolon’ny vata efaha.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40