bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 22
Exodus 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 23 →
1
Raha tratra mamaky trano ny mpangalatra ka vonoina ho faty dia tsy hisy valin-dra amin’izany;
2
fa raha tratra amin’ny masoandro miposaka kosa izy dia hisy valin-dra ihany amin’izany. Hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona izy dia hamidy noho ny halatra nataony.
3
Raha hita marina ao aminy ny halatra, ary mbola velona, na omby, na boriky, na ondry, na osy izany, dia hanonitra avo roa heny izy.
4
Raha misy olona mampitondraka amin’ny voly na amin’ny tanim-boaloboka, satria nalefany nandeha ny bibiny dia nihinana ny volin’olona, dia amin’izay tsara indrindra ao amin’ny sahany, ary amin’izay tsara indrindra ao amin’ny tanim-boalobony no hanonerany.
5
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo ary may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
6
Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany ka angalarin’ny sasany ao amin’ny tranon’ilay olona ilay izy, raha hita ilay mpangalatra dia hanonitra avo roa heny izy.
7
Fa raha tsy hita kosa ilay mpangalatra dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tompon’ny trano mba hahafantarana na nanatsotra ny tanany naka ny fananan’ny namany izy na tsia.
8
Ny amin’ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very lazain’olona hoe: Ity no izy, dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tenin’izy roa tonta, koa izay hohelohin’Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an’ny namany.
9
Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa ka maty io, na maratra, na nisy nandroaka nefa tsy nisy nahita,
10
dia fianianana amin’NY TOMPO no hitsarana azy roa tonta, mba hahafantarana na efa nanatsotra ny tanany ka naka ny fananan’ny namany ilay iray na tsia; ary heken’ny tompony izany fa tsy hisy onitra.
11
Nefa raha nangalarina tany aminy tokoa ilay biby dia hanonitra ho an’ny tompon-javatra izy.
12
Raha voaviraviram-biby kosa dia hitondra azy ho vavolombelona izy fa tsy hanonitra izay voaviravira akory.
13
Ary raha misy olona mindrana biby amin’ny namany ka tapaka na maty io, nefa tsy teo ny tompony, dia hanonitra tokoa izy.
14
Fa raha teo ihany ny tompony dia tsy hanonitra izy; ary raha biby nofaina kosa dia vitan’ny hofany ihany.
15
Raha misy olona mitaona tovovavy izay tsy voafofo ka mandry aminy dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
16
Fa raha tena mandà ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny dia handoa vola Ralehilahy araka ny harena fanome ny zazavavy hampakarina.
17
Aza avela ho velona ny vehivavy mamosavy.
18
Izay rehetra mandry amin’ny biby dia hovonoina ho faty.
19
Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’NY TOMPO ihany, dia ho voaozona.
20
Aza mampijaly ny vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ihany ianareo.
21
Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty.
22
Fa raha mampijaly azy na amin’inona na amin’inona ianareo ka mitaraina Amiko izy dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
23
ary hirehitra ny fahatezerako ka hamono anareo amin’ny sabatra Aho, mba ho mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ny zanakareo.
24
Raha mampisambo-bola amin’ny oloko izay mahantra eo aminao ianao dia tsy ho toy ny mpampanjana-bola aminy, fa tsy hampandoavinao zana-bola izy.
25
Raha maka ny lamban’ny namanao ho antoka ianao dia haverinao aminy izany raha mbola tsy milentika ny masoandro.
26
Fa izany ihany no mba firakofany sady fitafiany eny an-kodiny, koa inona no hoentiny mandry? Ary raha mitaraina Amiko izy dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
27
Aza miteny ratsy an’Andriamanitra ianao, na manozona izay olona ambony eo amin’ny firenenao.
28
Aza miandry ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao. Omeo Ahy ny matoa amin’ny zanakao lahy.
29
Izao no hataonao amin’ny ombinao sy ny ondry aman’osinao: Hafitoana no hitoerany ao amin’ny reniny, ary amin’ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
30
Ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo fa harianareo ho an’ny amboa.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40