bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 26
Exodus 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 27 →
1
Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
2
Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho; ny lambanan’ny ambainy iray koa dia efatra hakiho; hitovy refy ny ambainy rehetra.
3
Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy hafa koa dia havitrana ho iray.
4
Manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ny ambainy iray, eo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; manaova toy izany koa amin’ny ambainy farany, eo an-tsisin’ny iray efa voavitrana koa.
5
Tadivavarana dimampolo no hataonao eo amin’ny ambainy iray ary tadivavarana dimampolo koa no hataonao eo amin’ny sisin’ny ambainy amin’ny iray efa voavitrana; koa aoka hifanandrify ny tadivavarana.
6
Manaova farango volamena dimampolo ka akambano amin’ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
7
Ary manaova koa ambainy amin’ny volon’osy ho lay handrakofana ny tabernakely; iraika amby folo ny ambainy hataonao.
8
Ny halavan’ny ambainy iray dia telopolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray hafa dia efatra hakiho; hitovy refy ny ambainy iraika amby folo.
9
Avitrano hikambana ny ambainy dimy ary avitranao hikambana koa ny ambainy enina. Aforeto ny ambainy fahenina amin’ny sakan’ny lay eo anoloana.
10
Manaova tadivavarana dimampolo eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana, ary tadivavarana dimampolo koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa izay efa voavitrana.
11
Manaova farango varahina dimampolo ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ireo farango ireo ary akambano ny lay, dia ho iray ihany izany.
12
Ary izay mihoatra amin’ny ambain’ny lay dia avelao hiraviravy eo ivohon’ny tabernakely ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra.
13
Ary ny iray hakiho avy eo amin’ny lohany roa amin’ny lamba, izay mihoatra amin’ny halavan’ny ambain’ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin’ny lafibeny roa amin’ny tabernakely mba handrakotra azy.
14
Manaova koa rakotra ho an’ny lay, ataovy amin’ny hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, ary manaova sarony amin’ny hoditra trozona ho eo amboniny.
15
Manaova hazofisaka akasia hatsangana amin’ny tabernakely.
16
Folo hakiho ny haavon’ny hazofisaka iray ary iray hakiho sy sasany ny sakan’ny hazofisaka hafa.
17
Lahiny roa no ho amin’ny hazofisaka iray, misy hasiana izay hikambanany; toy izany no hanaovanao ny hazofisaka rehetra amin’ny tabernakely.
18
Ataovy ny hazofisaka ho amin’ny tabernakely, hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny atsimo.
19
Manaova koa faladia volafotsy efapolo ho eo ambanin’ny hazofisaka roapolo, faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay hiorenan’ny lahiny roa.
20
Manaova hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny faharoa amin’ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.
21
Manaova faladia volafotsy efapolo, faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay.
22
Ary ny lafiny andrefana amin’ny tabernakely, izay ao aorianany, dia hanaovanao hazofisaka enina.
23
Hazofisaka roa no hataonao eo amin’ny zoron’ny tabernakely amin’ny lafiny aoriana.
24
Hakambana ho iray hatrany ambany izy ka hiray tsara hatrany an-tampony, eo amin’ny mason-drojo tokana; ho toy izany avokoa izy roa izay ho eo amin’ny zorony roa.
25
Aoka hisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina amby folo: Faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay.
26
Manaova koa barany amin’ny hazo akasia; dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely,
27
barany dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny iray koa amin’ny tabernakely ary barany dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny andrefana izay ao aorianany.
28
Ary ny barany afovoany, izay eo afovoan’ny hazofisaka, dia hahatratra ny farany roa.
29
Ny hazofisaka dia hopetahanao takelaka volamena, ary hataonao volamena koa ireo mason-drojo eo aminy, izay hitoeran’ny barany; petaho takelaka volamena koa ny barany.
30
Atsangano ny tabernakely, araka ilay endriny naseho taminao tao an-tendrombohitra.
31
Manaova efitra lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
32
Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
33
Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ireo farango. Dia ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny vata misy ny Vavolombelona; ary ho anareo dia ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra.
34
Ataovy eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ny rakotra fanaovam-panavotana.
35
Apetraho eo ivelan’ny efitra ny latabatra ka ny fitoeran-jiro ho tandrifin’ny latabatra amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely; ary ny latabatra dia ataovy eo amin’ny lafiny avaratra.
36
Manaova koa varavarana lamba eo amin’ny lay, manga, volomparasy, jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.
37
Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ny varavarana lamba ka petaho takelaka volamena ireny; ho volamena koa ny fihantonany, ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40