bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 38
Exodus 38
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 39 →
1
Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo tamin’ny hazo akasia izy: Dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efamira izany; telo hakiho kosa ny haavony.
2
Nanao ny tandrony teo amin’ny zorony efatra izy ka nataony miray aminy, dia nopetahany takelaka varahina ireo.
3
Nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny, ny fandraofan-davenona, ny sotron’afony, ny loviany famafazana, ny fitrebiny ary ny fitondran’afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
4
Nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ny alitara izy, eo ambanin’ny alitara hatreo amin’ny fisasahany izany.
5
Dia nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao eo an-jorony efatra amin’ny makarakara varahina izy ho fitoeran’ny bao.
6
Nanao ny bao tamin’ny hazo akasia izy ka nopetahany takelaka varahina.
7
Dia nampiditra ny bao teo amin’ny mason-drojo izay teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Hazofisaka no narafiny ho alitara ka nataony poakaty.
8
Ny koveta varahina sy ny faladiany varahina kosa no nataony tamin’ny fitaratra varahin’ireo vehivavy izay nanompo teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
9
Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona
10
ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
11
Tamin’ny lafiny avaratra koa dia nisy fefy lamba zato hakiho ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
12
Tamin’ny lafiny andrefana dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ka folo ny andriny ary folo ny faladiany; volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
13
Ny lafiny atsinanana dia nataony dimampolo hakiho
14
ka nisy fefy lamba dimy amby folo hakiho tamin’ny ilany iray, telo ny andriny ary telo ny faladiany.
15
Nisy fefy lamba dimy amby folo hakiho tamin’ny ilany iray koa, telo ny andriny ary telo ny faladiany.
16
Nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona avokoa ny fefy lamban’ny kianja manodidina.
17
Ary ny faladian’ny andriny dia nataony varahina; ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany dia nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takelaka volafotsy; samy nisy farango volafotsy hitohizany avokoa ny andriny rehetra tamin’ny kianja.
18
Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia asan’ny mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; roapolo hakiho ny halavany; ary ny haavony dia nitovy tamin’ny lambanan-damba, dimy hakiho, araka ny haavon’ny fefy lamban’ny kianja.
19
Efatra ny andriny, ary efatra ny faladiany varahina; ny fihantonany dia volafotsy; ny takelaka tamin’ny lohany sy ny farango hitohizany koa dia volafotsy.
20
Ary ny tsatòkan-day amin’ny tabernakely sy amin’ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
21
Izao no isan’ny zavatra momba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona, izay voaisa araka ny nandidian’i Mosesy, satria natao fanompoan’ny levita, fehin’Itamara, zanak’i Arona mpisorona, ny fanisana azy.
22
Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
23
Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.
24
Talenta sivy amby roapolo ary sekela telopolo amby fitonjato, araka ny sekela masina, ny fitambaran’ny volamena lany tamin’ny asa rehetra tamin’ny fitoerana masina dia ny volamena izay natao fanatitra asandratra.
25
Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina.
26
Beka iray isan’olona; izany hoe antsasaky ny sekela iray araka ny sekela masina no naloan’izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia olona dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.
27
Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: Faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato ary talenta iray ho an’ny faladiany iray.
28
Sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo no nanamboarany ny fihantonana tamin’ny andry sy nametahana takelaka tamin’ny lohany ary nanaovany ny farango hitohizany.
29
Ny varahina izay natao fanatitra asandratra dia talenta fitopolo sy sekela efajato sy roa arivo.
30
Ary tamin’izany no nanaovany ny faladian’ny varavaran’ny tranolay fihaonana sy ny alitara varahina, ary ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
31
ny faladian’ny kianja manodidina, ary ny faladian’ny vavahadin’ny kianja, ny tsatòkan-dain’ny tabernakely ary ny tsatòkan-day rehetra momba ny kianja manodidina.
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40