bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 40
Exodus 40
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2
Amin’ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakely na ny tranolay fihaonana.
3
Ataovy ao ny vata misy ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny vata.
4
Ento ny latabatra ka alaharo izay eo amboniny; ento koa ny fitoeran-jiro ka ampireheto ny jiro.
5
Ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny vata misy ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia apetaho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.
6
Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo dia apetraho eo anoloan’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana.
7
Apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny koveta dia asio rano ao anatiny.
8
Dia amboary ny kianja manodidina ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja.
9
Avy eo dia alao ny diloilo fanosorana ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, ary hamasino miaraka amin’ny fanaka rehetra momba azy ka ho masina izany.
10
Hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanaka rehetra momba azy; hamasino ny alitara dia ho masina indrindra.
11
Hosory ny koveta sy ny faladiany ka hamasino izany.
12
Dia ampanatony i Arona sy ireo zanany hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano.
13
Avy eo dia ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina ary hosory sy hamasino izy mba hanao ny fanompoam-pisoronana ho Ahy.
14
Ampanatony ireo zanany ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
15
Dia hosory izy ireo, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba hanao fanompoam-pisoronana ho Ahy. Izany fanosorana azy ireo izany dia ho fisoronana maharitra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
16
Dia nataon’i Mosesy izany, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy.
17
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
18
Nanangana ny tabernakely i Mosesy; napetrany ny faladiany ary natsangany ny hazofisaka momba azy dia nampidiriny ny barany ary natsangany ny andriny.
19
Novelariny teo ambonin’ny tabernakely koa ny lay ary nataony teo amboniny ny rakotry ny tranolay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.
20
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ny vata, ary ny bao dia nataony teo amin’ny vata, ny rakotra fanaovam-panavotana indray dia napetrany teo ambonin’ny vata.
21
Ary ny vata dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely ka nahantony ny efitra lamba fanakonana mba hanakona ny vata misy ny Vavolombelona, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
22
Napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana ny latabatra, teo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tabernakely, teo ivelan’ny efitra lamba.
23
Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’NY TOMPO izy, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
24
Ny fitoeran-jiro dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny latabatra, teo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely.
25
Dia nampirehitra ireo jiro teo anatrehan’NY TOMPO izy, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.
26
Ny alitara volamena dia nataony tao amin’ny tranolay fihaonana, teo anoloan’ny efitra lamba,
27
ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
28
Nataony teo amin’ny varavaran’ny tabernakely ny varavarana lamba.
29
Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana, ary nateriny teo ambonin’io ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
30
Ny koveta dia nataony teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ka nasiany rano ho fidiovana tao anatiny.
31
Teo no nanadiovan’i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany ny tongony aman-tanany.
32
Rehefa niditra ao amin’ny tranolay fihaonana mantsy izy ireo ka nanakaiky ny alitara dia nisasa, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
33
Natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara ka ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ny vavahadin’ny kianja. Dia vitan’i Mosesy ny asa rehetra.
34
Ary nanarona ny tranolay fihaonana ny rahona, ary ny voninahitry NY TOMPO dia nameno ny tabernakely.
35
Tsy afaka niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy satria ny rahona dia nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitry NY TOMPO dia nameno ny tabernakely.
36
Rehefa niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona dia niainga ho amin’izay lalana halehany ny Zanak’Israely.
37
Fa raha tsy niakatra kosa ny rahona dia tsy niainga izy, mandra-piavin’izay andro hiakarany indray.
38
Fa ny rahon’NY TOMPO dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Israely rehetra, tamin’ny toerana rehetra nalehany.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40