bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 27
Exodus 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 28 →
1
Ataovy amin’ny hazo akasia ny alitara: Dimy hakiho avy ny lafiny efatra, izany hoe: Ho efamira, ary telo hakiho ny haavony.
2
Amboary ataovy miray aminy ny tandroka eo amin’ny zorony efatra ary petaho takelaka varahina ireo.
3
Manaova koveta fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary amboary ny sotron’afony sy ny lovia fandraofany ary ny fitrebiny sy ny fitondrana afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
4
Dia manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manamboara mason-drojo varahina efatra hatao eo ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra.
5
Ataovy eo ambanin’ny sisin’ny alitara hatreny ambaniny izany ka ny makarakara dia hampisasaka ny haavon’ny alitara.
6
Manaova bao ho amin’ny alitara, bao amin’ny hazo akasia, ka petaho takelaka varahina.
7
Ampidiro eo amin’ny mason-drojo ny bao; ny bao dia ho eo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara rehefa lanjaina izy.
8
Hazofisaka no arafeto ho alitara ka ataovy poakaty izany; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.
9
Ataovy koa ny kianjan’ny tabernakely: Eo amin’ny lafiny atsimo dia hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona ho amin’ny kianja. Zato hakiho ny halavany amin’ny lafiny iray;
10
ho roapolo ny andriny ary ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
11
Ho tahaka izany koa eo amin’ny lafiny avaratra, amin’ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ho roapolo ny andriny, ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ireo andriny sy ny farango hitohizany.
12
Hisy fefy lamba dimampolo hakiho amin’ny sakan’ny kianja amin’ny lafiny andrefana; ho folo ny andriny ary ho folo ny faladiany.
13
Ho dimampolo hakiho ny sakan’ny kianja eo amin’ny lafiny atsinanana.
14
Ary hisy fefy lamba dimy amby folo hakiho amin’ny sakany iray; ho telo ny andriny ary ho telo ny faladiany.
15
Ary hisy fefy lamba dimy amby folo hakiho amin’ny sakany iray koa, ho telo ny andriny ary ho telo ny faladiany.
16
Eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hasiana vavahady sy lamba roapolo hakiho, manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra; ho efatra ny andriny ary ho efatra ny faladiany.
17
Samy hisy farango volafotsy hitohizany ny andry rehetra amin’ny kianja manodidina; ho volafotsy ny fihantonany ary ho varahina ny faladiany.
18
Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany dia ho dimampolo hakiho ary ny haavony dia ho dimy hakiho ka hatao amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona izany, ary ho varahina ny faladiany.
19
Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsatòkan-day rehetra momba azy sy ny tsatòkan-dain’ny kianja dia ho varahina koa.
20
Asaivo mitondra diloilon’oliva tsy miharo ho eo aminao ny Zanak’Israely, diloilo nofiazana, hatao fanazavana, mba hisy jiro mirehitra tsy miato.
21
Ao anatin’ny tranolay fihaonana, dia eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’NY TOMPO hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina; ho lalàna maharitra amin’ny Zanak’Israely izany hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40