bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 5
Exodus 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 6 →
1
Rehefa afaka izany dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Avelao ny oloko handeha mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-tany efitra.
2
Hoy anefa i Farao: Iza moa NY TOMPO no hekeko teny ka hamelako ny Israely handeha? Tsy fantatro izay TOMPO ka tsy havelako handeha ny Israely.
3
Dia hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo no nihaona taminay. Koa trara antitra ianao, avelao izahay handeha lalan-kateloana any an-tany efitra hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray, fandrao hamely anay amin’ny areti-mandringana na amin’ny sabatra Izy.
4
Dia hoy ny mpanjakan’i Ejipta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy i Arona, no manakivy ny olona amin’ny asany? Mandehana any amin’ny asa fanompoanareo!
5
Ary hoy koa i Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ny tany ka hampitsahatra azy amin’ny fanompoany va ianareo?
6
Io andro io ihany, i Farao dia nandidy ireo mpampiasa ny vahoaka sy ireo mpifehy azy hoe:
7
Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; izy ihany no aoka handeha hanangona mololo!
8
Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola ampanaovy azy ihany fa aza ahenanareo; kamo mantsy izy ireo, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitray!
9
Hamafiso ny fanompoan’ny olona mba ho lany andro amin’izany izy, fa aza avela ho variana amin’izay lainga foana!
10
Dia nandeha ny mpampiasa ny olona mbamin’ny mpifehy azy ka niteny tamin’ireo hoe: Izao no lazain’i Farao: Tsy hanome mololo anareo intsony aho;
11
fa mandehana ianareo ka manangòna mololo any amin’izay hahitanareo any, ary ny fanompoanareo dia tsy hahena na dia kely akory aza.
12
Dia niely manerana ny tany Ejipta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo.
13
Ary ny mpampiasa dia nandodona azy ireo hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara fanompoana isanandro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany!
14
Ary ny mpifehy ny Zanak’Israely izay notendren’ny mpampiasa avy amin’i Farao hifehy azy dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha?
15
Dia nankao amin’i Farao ny mpampiasa ny Zanak’Israely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin’ny mpanomponao ianao?
16
Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola tenenina ihany izahay hoe: Ataovy ny biriky! Ary indro izahay mpanomponao foana no nokapohina nefa ny vahoakanao no diso!
17
Fa hoy i Farao: Olona kamo ianareo, olona kamo! Koa izany no itenenanareo hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO!
18
Ankehitriny, mandehana, tanteraho ny fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo, nefa ny anjara birikinareo dia mbola hovitainareo ihany.
19
Hitan’ireo mpifehy ny Zanak’Israely fa efa azon-doza izy noho ny nilazana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ny birikinareo amin’ny anjara fanompoana isanandro.
20
Koa rehefa niala avy tao amin’i Farao izy ireo dia tafahaona tamin’i Mosesy sy i Arona izay nijanona niandry azy.
21
Hoy izy ireo tamin’i Mosesy sy i Arona: NY TOMPO anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’i Farao sy eo anatrehan’ny mpanompony izahay ka nasianareo sabatra eo an-tanany hamonoany anay.
22
Ary niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Ianao? Nahoana re no naniraka ahy Ianao?
23
Fa hatrizay nankanesako tao amin’i Farao mba hiteny amin’ny anaranao izay dia nahatonga loza tamin’ity firenena ity izy; nefa Ianao tsy nanafaka ny olonao akory!
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40