bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 7
Exodus 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 8 →
1
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Jereo, efa nataoko andriamanitra ho an’i Farao ianao; ary i Arona rahalahinao kosa dia ho mpaminaninao.
2
Ianao no hilaza izay rehetra handidiako anao, ary i Arona rahalahinao kosa no hiteny amin’i Farao, mba hamelany ny Zanak’Israely hiala avy ao amin’ny taniny.
3
Ary Izaho hanamafy ny fon’i Farao ka hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin’ny tany Ejipta.
4
Tsy hihaino anareo i Farao ka hamely an’i Ejipta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon’ny Zanak’Israely oloko hiala amin’ny tany Ejipta.
5
Dia ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO, rehefa manatsotra ny tanako amin’i Ejipta Aho ka hitondra ny Zanak’Israely hivoaka avy eo anivony.
6
Dia nataon’i Mosesy sy i Arona izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO azy no nataony.
7
Valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Arona, fony niteny tamin’i Farao izy mirahalahy.
8
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona:
9
Raha miteny aminareo i Farao hoe: Manaova famantarana, dia lazao amin’i Arona hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan’i Farao dia ho tonga menarana iny.
10
Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO. Natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy teo anatrehan’ny mpanompony ny tehiny ka tonga menarana.
11
Nefa nampiantsoan’i Farao ny olon-kendry sy ny mpanao ody; ary ireo ombiasin’i Ejipta ireo dia mba nanao toy izany koa tamin’ny sikidiny.
12
Dia samy nanipy ny tehiny avy izy ireo ka tonga menarana ireny. Nefa natelin’ny tehin’i Arona ny tehin’ireo.
13
Dia nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO.
14
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mafy fo i Farao ka mandà tsy hamela ny olona handeha.
15
Mankanesa ao aminy ianao rahampitso maraina; indro, handeha ho any amoron-drano izy; mijanòna eo amoron’i Neily ianao mandra-piaviny; ary ny tehina, ilay niova ho menarana, dia hoentinao eny an-tananao,
16
dia lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hankaty aminao hilaza hoe: Avelao ny oloko handeha mba hanompoany Ahy any an-tany efitra. Nefa indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.
17
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Izao no hahafantaranao fa Izaho no TOMPO: Indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily ka ho tonga ra izany.
18
Dia ho faty ny hazandrano ao Neily ka ho maimbo i Neily, ary tsy ho afaka hisotro ny rano avy ao Neily intsony ny Ejiptiana.
19
Nanafatra an’i Mosesy koa NY TOMPO hoe: Lazao amin’i Arona hoe: Raiso ny tehinao ka atsory eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia eny ambonin’ny sampan-dranony, eny ambonin’ny lakandranony, eny ambonin’ny heniheniny ary eny ambonin’ny kamoriny rehetra, mba ho tonga ra ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fitoeran-drano hazo na amin’ny fitoeran-drano vato.
20
Nataon’i Mosesy sy i Arona, araka izay nandidian’NY TOMPO, izany ka nanainga ny tehina izy dia nikapoka ny rano tao Neily teo imason’i Farao sy teo imason’ny mpanompony, ary tonga ra ny rano rehetra tao Neily
21
ka maty ny hazandrano izay tao amin’i Neily. Tonga maimbo i Neily ka tsy azon’ny Ejiptiana nosotroina ny rano avy ao. Ary ny ra dia nanerana ny tany Ejipta manontolo.
22
Nefa mba nanao toy izany tamin’ny sikidiny koa ny ombiasy tany Ejipta dia nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO.
23
Niverina nankao an-tranony i Farao sady tsy mba nahoany akory ny zava-nitranga.
24
Dia nihady rano hosotroiny teny amoron’i Neily teny ny Ejiptiana rehetra fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily.
25
Fito andro no lasa taorianan’ny namelezan’NY TOMPO an’i Neily.
26
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
27
Fa raha mandà tsy hamela azy handeha ianao, indro Aho hamely ny taninao rehetra amin’ny sahona;
28
dia ho feno sahona i Neily, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an’efitrano fandrianao, eny ambonin’ny farafaranao, any amin’ny tranon’ny mpanomponao, any amin’ny vahoakanao ary eny amin’ny fatanao sy eny amin’ny vilia fanaova-mofonao.
29
Hiakaran’ny sahona eo aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40