bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 24
Exodus 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 25 →
1
Ary hoy Izy tamin’i Mosesy: Miakara any amin’NY TOMPO ianao sy i Arona, i Nadaba, i Abiho ary fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ka miankohofa eny lavitra eny ianareo.
2
I Mosesy irery no hanakaiky NY TOMPO, fa ireo hafa dia tsy hanakaiky, ary ny olona koa dia tsy hiakatra miaraka aminy.
3
Dia tonga nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO sy ny fitsipika rehetra i Mosesy. Ary niara-niredona namaly ny olona rehetra hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay.
4
Ary nanoratra ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO i Mosesy, dia nifoha vao maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra sy tsangambato roa amby folo, araka ireo fokon’ny Israely roa amby folo.
5
Dia naniraka ny zatovo teo amin’ny Zanak’Israely izy ka nitondra fanatitra dorana manontolo ireo sady namono vantotra ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO.
6
Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa dia nafafiny teo amin’ny alitara.
7
Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky azy teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay sy hekenay.
8
Ary nalain’i Mosesy ny ra ka nafafiny tamin’ny olona, sady hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’NY TOMPO taminareo ny amin’izany teny rehetra izany.
9
Dia niakatra i Mosesy, i Arona, i Nadaba, i Abiho ary fitopolo lahy tamin’ny loholon’ny Israely.
10
Dia nahita ny Andriamanitry ny Israely izy ireo; ny teo ambanin’ny tongony dia toy ny fanganohanon’ny safira vita rarivato, toy ny lanitra mihitsy ny famirapiratany.
11
Nefa tsy nanatsotra ny tanany tamin’ireo lehiben’ny Zanak’Israely Izy, dia nahita an’Andriamanitra izy ireo ary nihinana sy nisotro.
12
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Miakara eto Amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy izay nosoratako mba hampianarina azy ireo.
13
Dia niainga i Mosesy sy i Josoa mpanompony ka i Mosesy dia niakatra nankao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra.
14
Ary hoy izy tamin’ny loholona: Andraso eto izahay mandra-piverinay eto aminareo. Indro i Arona sy i Hora dia eto aminareo; koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’izy roalahy izy.
15
Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona dia nanarona ny tendrombohitra.
16
Ary ny voninahitry NY TOMPO nitoetra teo ambonin’ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona dia nanarona azy henemana. Fa tamin’ny andro fahafito Izy no niantso an’i Mosesy teo afovoan’ny rahona.
17
Ary tahaka ny afo mandevona no fijery ny voninahitry NY TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra teo imason’ny Zanak’Israely.
18
Dia niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy ka niakatra nankao amin’ny tendrombohitra. Ary nitoetra tao amin’ny tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina izy.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40