bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 10
Exodus 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 11 →
1
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao, fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ny mpanompony mba hanehoako ireo famantarana izay hataoko eo aminy izao;
2
ary mba hotantaraina ho ren’ny zanakao sy ny zafinao ny nanaovako ny Ejiptiana sy ny amin’ireo famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
3
Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Mandra-pahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
4
Fa raha mandà ka tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro, hahatonga valala amin’ny taninao rehetra Aho rahampitso.
5
Handrakotra ny tany rehetra ireny ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ny havandra izay navela ho anareo; hohaniny avokoa ny hazo rehetra any an-tsaha izay maniry ho anareo;
6
hameno ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ny Ejiptiana rehetra ireny. Tsy mbola hitan’ny rainao na ny raibenao ny toy izany hatrizay andro niainany tetỳ ambonin’ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao.
7
Ary hoy ny mpanompon’i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? Avelao handeha ireo olona ireo mba hanompo NY TOMPO Andriamaniny. Tsy mbola fantatrao va fa efa levona i Ejipta?
8
Dia nisy nampiverina an’i Mosesy sy i Arona hankao amin’i Farao indray ka hoy izy taminy: Mandehana, manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo. Nefa iza avy moa no handeha?
9
Dia hoy i Mosesy: Hoentinay handeha miaraka aminay ny tanora sy ny antitra eo aminay, ary handeha miaraka aminay koa ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy sy ny ondry aman’osinay ary ny ombinay; fa andro firavoravoanay ho an’NY TOMPO izany.
10
Fa hoy i Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie NY TOMPO, raha hamela anareo handeha miaraka amin’ny zanakareo madinika aho; mitandrema fa manana teti-dratsy ianareo.
11
Tsy ho araka izany anefa, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa NY TOMPO fa izany no tadiavinareo. Ary noroahina hiala teo anatrehan’i Farao izy roa lahy.
12
Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ambonin’ny tany Ejipta ny tananao hiavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Ejipta ireny ary hihinana ny zavamaniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra.
13
Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ary NY TOMPO nampandeha rivotra avy any atsinanana hankany amin’ny tany nandritra iny andro iny sy nandritra ny alina. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra avy any atsinanana.
14
Ary ny valala dia niakatra ho amin’ny tany Ejipta manontolo, dia nipetraka manerana ny tany Ejipta manontolo; natevina dia natevina izany ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary any aorianany koa dia tsy hisy toy izany.
15
Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny ka tonga maizina ny tany; nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra izay sisan’ny havandra ka tsy nisy sisa ny zava-maitso manerana ny tany Ejipta manontolo, na tamin’ny hazo na tamin’ny anana tany an-tsaha.
16
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona haingana i Farao ka niteny hoe: Efa nanota tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17
Ankehitriny, miangavy anao aho, mamelà ny fahotako izao indray mandeha izao ihany ka mifonà amin’NY TOMPO Andriamanitrareo mba hampialany amiko izao zava-doza iray loha izao.
18
Dia niala teo amin’i Farao izy ka nifona tamin’NY TOMPO.
19
Ary NY TOMPO nanodina ny rivotra ho rivotra tena mahery avy any andrefana, izay nitondra ny valala ka namarina azy tany amin’ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala manerana ny tany Ejipta manontolo, na dia iray aza.
20
Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha ihany izy.
21
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao mba hampisy haizina ao amin’ny tany Ejipta, dia haizina azo tsapain-tanana.
22
Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tanany ka nisy haizim-pito naharitra hateloana nanerana ny tany Ejipta manontolo.
23
Tsy nifankahita ny olona ary tsy nisy nihetsika tamin’izay nitoerany nandritra ny hateloana. Fa ny Zanak’Israely rehetra kosa dia nanana ny mazava teo amin’ny fonenany.
24
Ary nampiantso an’i Mosesy indray i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo, manompoa NY TOMPO; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka hajanonareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
25
Nefa hoy i Mosesy: Ianao no hanome ho eto an-tananay izay hatao fanatitra halatsa-dra sy fanatitra dorana manontolo hatolotray ho an’NY TOMPO Andriamanitray.
26
Ny omby aman’ondrinay dia hoentinay hiaraka aminay koa; tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hakanay hanompoana NY TOMPO Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay hoentinay hanompoana NY TOMPO mandra-pahatonganay any.
27
Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy nety namela ny olona handeha izy.
28
Hoy i Farao tamin’i Mosesy: Mialà amiko! Tandremo! Aza mahita ny tavako intsony ianao; fa amin’izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao!
29
Namaly koa i Mosesy hoe: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40