bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 9
Exodus 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 10 →
1
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ianao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
2
Fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha fa mbola mihazona azy ihany
3
dia indro ny tanan’NY TOMPO ho amin’ny biby fiompinao izay any an-tsaha, dia amin’ny soavaly, amin’ny boriky, amin’ny rameva, amin’ny omby ary amin’ny ondry aman’osy ka hisy areti-mandringana faran’izay mafy.
4
Ary NY TOMPO hanavaka ny biby fiompin’ny Israelita amin’ny bibin’ny Ejiptiana ka tsy hisy maty na dia iray akory aza izay rehetra an’ny Zanak’Israely.
5
Dia nanendry fotoana NY TOMPO ka niteny hoe: Rahampitso no hanaovan’NY TOMPO izany zavatra izany eto amin’ny tany.
6
Nony ampitso dia nataon’NY TOMPO izany zavatra izany ka maty avokoa ny bibin’ny Ejiptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Israely kosa dia tsy mba nisy nahafatesana na dia iray aza.
7
Dia nandefa iraka hijery izany i Farao ka indro, tsy mba nisy nahafatesana ny bibin’ny Zanak’Israely na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy.
8
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Makà molaly avy amin’ny lafaoro lehibe, eran’ny tananao roa, ary aoka hafafin’i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason’i Farao izany.
9
Dia hitora-jofo manerana ny tany Ejipta manontolo io ka ho tonga vay mipoipoitra amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy manerana ny tany Ejipta manontolo.
10
Dia naka molaly avy tao amin’ny lafaoro lehibe tokoa izy roalahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia nafafin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany ka tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy.
11
Ary tsy nahajanona teo anatrehan’i Mosesy ny ombiasy noho ny vay, satria ny vay dia nahavoa ny ombiasy mbamin’ny Ejiptiana rehetra.
12
Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy.
13
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ianao dia mitsangàna eo anatrehan’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
14
Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ Amiko hamely ny tenanao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra.
15
Fa ankehitriny, raha izay Aho no nanatsotra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ny tany ianao.
16
Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny mba hampahitako anao ny heriko, sy hanambaràna ny anarako any amin’ny tany rehetra.
17
Mbola mirehareha amin’ny oloko ihany va ianao ka tsy hamela azy handeha?
18
Indro, rahampitso toy izao Aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatramin’ny andro niorenany ka mandraka ankehitriny.
19
Koa ankehitriny, maniraha olona mba hanangona haingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay tafajanona any an-tsaha tsy tafangona ao an-trano dia hilatsahan’ny havandra ka ho faty avokoa.
20
Ary izay natahotra ny tenin’NY TOMPO teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampandositra haingana ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;
21
fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’NY TOMPO kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.
22
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao, ary aoka hisy havandra hilatsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, dia amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy ary amin’ny anana rehetra any an-tsaha manerana ny tany Ejipta.
23
Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tehiny ka nalefan’NY TOMPO ny kotrokorana sy havandra ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ny tany. Ary NY TOMPO dia nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta.
24
Dia nisy havandra, ary nisy afo nifanaretsaka teny anelanelan’ny havandra; mafy tokoa izany ary tsy mbola nisy toy izany tany amin’ny tany Ejipta manontolo hatrizay naha firenena azy.
25
Ary ny havandra dia namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, nanerana ny tany Ejipta manontolo; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha dia notapatapahiny.
26
Fa tao amin’ny tany Gosena izay nitoeran’ny Zanak’Israely ihany no tsy mba nisy havandra.
27
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona indray i Farao ka niteny taminy hoe: Efa nanota aho tamin’izao indray mandeha izao, koa NY TOMPO no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
28
Mifonà ho ahy amin’NY TOMPO fa ampy izay ny kotrokorana sy ny havandra, fa havelako handeha ianareo ka tsy hitoetra eto intsony.
29
Nefa hoy i Mosesy taminy: Raha vao mivoaka ny tanàna aho ka mamelatra ny tanako amin’NY TOMPO dia hitsahatra ny kotrokorana ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’NY TOMPO ny tany.
30
Kanefa fantatro fa tsy mbola hatahotra NY TOMPO Andriamanitra ihany ianao sy ny mpanomponao.
31
Ary efa ripaka ny tahon-drongony sy ny varimbazaha; fa efa niteraka ny varimbazaha ary efa namony ny tahon-drongony.
32
Fa ny varimbazaha sy ny ampemby no tsy mba ripaka satria mbola fohy ireny.
33
Ary niala teo amin’i Farao i Mosesy ka nankeo ivelan’ny tanàna dia namelatra ny tanany tamin’NY TOMPO izy ka nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ny tany intsony.
34
Nony hitan’i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana dia mbola nanota indray izy ka samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.
35
Dia nihamafy ny fon’ny Farao ka tsy nandefa ny Zanak’Israely izy, araka izay efa nampilazain’NY TOMPO an’i Mosesy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40