bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 13
Exodus 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 14 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe:
2
Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy. Ahy ireny.
3
Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana, fa tamin’ny tanana mahery no nitondran’NY TOMPO anareo nivoaka avy tany. Koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
4
Izao andro amin’ny volana Abiba izao no ivoahanareo.
5
Rehefa mitondra anao NY TOMPO ho any amin’ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’izao volana izao.
6
Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’NY TOMPO.
7
Mofo tsy misy masirasira no hohanina mandritra ny hafitoana; tsy hisy mofo misy masirasira ao aminao ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao, any amin’ny taninao rehetra.
8
Hambaranao amin’ny zanakao amin’izany andro izany hoe: Noho ny nataon’NY TOMPO tamiko tamin’ny nivoahako avy tany Ejipta no anaovako izao.
9
Ho famantarana ho anao eo amin’ny tananao izany ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao mba ho ao am-bavanao ny lalànan’NY TOMPO: Fa tanana mahery no nitondran’NY TOMPO anao nivoaka avy tany Ejipta.
10
Dia tandremo izao lalàna izao amin’ny fotoanany isan-taona.
11
Rehefa mitondra anao NY TOMPO hiditra any amin’ny tanin’ny Kananita araka izay nianianany taminao sy tamin’ny razanao ka homeny anao izany
12
dia hatokanao ho an’NY TOMPO izay voalohan-teraka rehetra: Ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra anananao dia ho an’NY TOMPO ny lahy rehetra.
13
Ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao ny vozony. Ary ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny zanakao dia havotanao.
14
Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy ka hiteny hoe: Inona no anton’izao? Dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana;
15
ary satria nanamafy ny fony i Farao ka tsy namela antsika handeha dia novonoin’NY TOMPO ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby. Koa izany no anaterako ho an’NY TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanako kosa dia soloiko.
16
Ho famantarana eo amin’ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta.
17
Rehefa nalefan’i Farao ny olona dia tsy mba noentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy na dia akaiky aza any; fa hoy Andriamanitra: Sao hanenina ny olona raha mahita ady ka hiverina any Ejipta.
18
Koa noentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo ny tany efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady no fiakatry ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta.
19
Ary noentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria i Josefa dia efa nampianiana mafy ny Zanak’Israely hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20
Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ny tany efitra.
21
Ary NY TOMPO nandeha teo alohany tamin’ny andry rahona ny antoandro mba hitari-dalana azy ary tamin’ny andry afo, nony alina, ho fahazavana ho azy mba hahazoany mandeha na andro na alina.
22
Ny andry rahona dia tsy niala teo alohan’ny olona ny antoandro, ary ny andry afo nony alina.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40