bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 30
Exodus 30
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 31 →
1
Manaova koa alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanamboaranao azy.
2
Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, ary hatao efa-joro, ho roa hakiho kosa ny haavony, dia ataovy miray aminy ireo tandrony.
3
Petaho takelaka volamena tsy miharo izany, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ireo tandrony, ary asio sisiny volamena manodidina azy.
4
Asio mason-drojo volamena roa eo ambanin’ny sisiny ka ataovy eo amin’ny sisiny roa ireo; amin’ny ilany roa no hanaovanao azy ka ho fitoeran’ny bao hilanjana azy ireo.
5
Hazo akasia no anaovy ny bao ka petaho takelaka volamena.
6
Apetraho eo anoloan’ny efitra izay manakona ny vata misy ny Vavolombelona izy io, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
7
Ary handoro ditin-kazo mani-pofona eo i Arona, koa isa-maraina, rehefa manamboatra ny fitoeran-jiro, no hanatanterahany azy;
8
rehefa mampirehitra ireo jiro hariva koa i Arona dia mbola handoro azy ihany; ditin-kazo mani-pofona hodorana mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.
9
Aza manolotra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana manontolo na fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ary aza mandraraka fanatitra aidina eo.
10
Ary aoka hanao fanavotana eo amin’ireo tandrony indray mandeha isan-taona i Arona; indray mandeha isan-taona no hanaovany fanavotana ho azy amin’ny ran’ny fanatitra noho ny ota izay atao fanavotana, ary io dia hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby ka ho masina indrindra ho an’NY TOMPO.
11
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe:
12
Rehefa manao fanisana ny Zanak’Israely rehetra ianao amin’ny fandaminana azy dia samy handoa avotry ny ainy ho an’NY TOMPO avy ny olona tsirairay, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy rehefa isaina izy.
13
Izao no haloan’izay rehetra mandalo ny fanisana: Antsasaky ny sekela avy araka ny sekela masina ka gera roapolo ny sekela iray; eny, antsasaky ny sekela ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO.
14
Izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, no handoa ny anjara fanomezana ho an’NY TOMPO.
15
Ny manankarena dia tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekela ary ny mahantra dia tsy handoa latsaka, rehefa mandoa ny anjara fanomezana ho an’NY TOMPO izy hanavotana ny ainareo.
16
Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Israely ianao ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana; dia ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO izany, ho avotry ny ainareo.
17
Ary hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy:
18
Manaova koveta varahina mba ho fidiovana, aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara izy io ka asio rano ao anatiny.
19
Eo no hanasan’i Arona sy ireo zanany ny tongony aman-tanany.
20
Rehefa hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo dia hisasa amin’ny rano mba tsy ho faty; tahaka izany, rehefa manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana mba handoro ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy ireo,
21
dia hanasa ny tongony aman-tanany mba tsy ho faty; ho lalàna maharitra aminy sy ireo zanany hatramin’ny taranany fara aman-dimby izany.
22
Ary NY TOMPO niteny indray tamin’i Mosesy hoe:
23
Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitsiranoka dimanjato sekela sy havozomanitra antsasak’izany, dia dimampolo sy roanjato, veromanitra dimampolo sy roanjato,
24
kasia dimanjato, araka ny sekela masina, ary diloilon’oliva eran’ny hina;
25
dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan’ny mpanao haro manitra, ho diloilo fanosorana masina.
26
Dia hosory amin’izany ny tranolay fihaonana sy ny vata misy ny Vavolombelona,
27
ny latabatra mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny fitoeran-jiro mbamin’ny fanaka momba azy, ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
28
ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany.
29
Hamasino ireo mba ho masina indrindra; ho masina izay rehetra mikasika azy.
30
Ary hosory i Arona sy ireo zanany ka hamasino izy ireo mba hanao fisoronana ho Ahy.
31
Avy eo dia mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ity dia ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.
32
Aoka tsy hisy hihosotra amin’izany, na hisy haka tahaka ny fanamboarana azy na iza na iza; fa masina izany ka ho masina aminareo.
33
Izay rehetra mampiharo izay mitovy amin’izany, ary izay rehetra manosotra izany amin’ny vahiny, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
34
Dia hoy koa NY TOMPO tamin’i Mosesy: Makà zava-manitra, dia natafa sy sekeleta ary helbena sy lebona tsy misy fangarony, atao mitovy lanja.
35
Ary ataovy ditin-kazo manitra izany, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, misy sira, tsy misy fangarony, ary masina.
36
Makà avy amin’izany ka totoy ho tonga vovony tena malemy, dia asio avy amin’izany eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo io.
37
Ary ny amin’ny ditin-kazo manitra izay hataonao dia aza mba misy atao mitovy amin’izany ny ho anareo; ho masina aminao ho an’NY TOMPO izany.
38
Izay rehetra manamboatra mitovy amin’izany ka mampiasa azy ho fofona manitra dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40