bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 35
Exodus 35
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 36 →
1
Ary namory ny fiangonana i Mosesy, dia ny Israely manontolo, ka niteny taminy hoe: Izao no teny nandidian’NY TOMPO hotanterahina:
2
Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito dia ho masina aminareo, ho tena andro fitsaharana ho an’NY TOMPO; izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hovonoina ho faty.
3
Aza mampirehitra afo amin’ny andro Sabata any amin’izay rehetra itoeranareo.
4
Ary niteny tamin’ny fiangonana, dia ny Israely manontolo, i Mosesy hoe: Izao no teny izay nandidian’NY TOMPO hotanterahina:
5
Makà anjara fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’izay anananareo: Izay rehetra entanin’ny fony dia aoka hitondra anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, dia volamena, volafotsy, varahina,
6
lamba manga, volomparasy, jaky, lamba rongony fotsy madinika ary volon’osy,
7
hoditr’ondrilahy voaloko mena, hoditra trozona, hazo akasia,
8
diloilo hatao fanazavana, zava-manitra ho amin’ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
9
ary vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ny efoda sy ho amin’ny saron-tratra.
10
Ary aoka ny manan-talenta rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’NY TOMPO,
11
dia ny tabernakely, ny tranolainy, ny rakotra momba azy, ny farangony, ny hazofisaka momba azy sy ny barany ary ny andriny sy ny faladiany,
12
ny vata sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
13
ny latabatra sy ny baony mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo atao fanatitra,
14
ny fitoeran-jiro ho fanazavana mbamin’ny fanaka momba azy sy ny jirony ary ny diloilo hatao fanazavana,
15
ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra ary ny baony, ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ny varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely,
16
ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo sy ny harato varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny koveta sy ny faladiany,
17
ny fefy lamba ho amin’ny kianja, ny andriny sy ny faladiany ary ny vavahady lamba ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja,
18
ny tsatòkan-dain’ny tabernakely sy ny tsatòkan-dain’ny kianja sy ny kofehiny,
19
ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana, hoentiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona ary ny fitafian’ireo zanany hoentiny manao raharaham-pisoronana.
20
Dia niala teo anatrehan’i Mosesy ny fiangonana, dia ny Israely manontolo.
21
Dia nanatona ny olona rehetra izay nohetsehin’ny fony sy izay rehetra nentanin’ny fanahiny avy ka samy nitondra ny anjara fanomezany ho an’NY TOMPO hanaovana ny tranolay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
22
Ary ny olona rehetra na lahy na vavy dia nitondra izay rehetra nanentanan’ny fony azy, dia fisisika, kavina, peratra, mason-drojo volamena, firavaka volamena isan-karazany; toy izany koa ny olona rehetra izay nanolotra volamena ka nataony fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO.
23
Ary ny olona rehetra izay nanana lamba manga, volomparasy, jaky, lamba rongony fotsy madinika, volon’osy, hoditr’ondrilahy voaloko mena ary hoditra trozona, dia nitondra ireo.
24
Izay rehetra nanatitra volafotsy sy varahina ho anjara fanomezana dia nitondra izany ho an’NY TOMPO; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ny fanompoana dia nitondra izany koa.
25
Ny vehivavy rehetra nanan-talenta namoly tamin’ny tanany dia nitondra izay nofolesiny, dia ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.
26
Ary ny vehivavy rehetra nanan-talenta ka nazoto am-po dia namoly volon’osy.
27
Ny loholona dia nitondra ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ny efoda sy ho amin’ny saron-tratra,
28
ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ny diloilo fanosorana ary ho amin’ny ditin-kazo mani-pofona.
29
Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay nampirisihin’ny fony dia hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’NY TOMPO hotanterahin’i Mosesy; ireny Zanak’Israely rehetra ireny dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO.
30
Ary hoy i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely: Indro, efa notononin’NY TOMPO anarana i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,
31
ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, mba hananany talenta sy fahiratan-tsaina ary fahalalana ny amin’ny taozavatra samihafa,
32
toy ny famolavolana asa kanto, ny fiasana volamena sy volafotsy ary varahina,
33
ny fanamboarana vato alatsaka an-tranontranony sy ny fandrafetana hazo, hanaovana izay asa kanto samihafa rehetra.
34
Ny fahaizana mampianatra koa dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka avy amin’ny fokon’i Dana.
35
Ary efa nofenoiny talenta izy roa lahy hanaovany ny taozavatra samihafa, dia ny an’ny mpanao sokitra sy ny mpanao asa kanto ary ny asan’ny mpanenona mahay tenona samihafa soratra, dia amin’ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary amin’ny lamba rongony fotsy madinika ary ny an’ny mpanenona, mba hanaovana ny asa samihafa sy hamoronana asa kanto.
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40