bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 36
Exodus 36
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 37 →
1
Dia hiasa i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra, izay nomen’NY TOMPO talenta sy fahiratan-tsaina hahaizany manao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO.
2
Ary i Mosesy dia nampiantso an’i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra izay nasian’NY TOMPO talenta tao an-tsainy, dia izay rehetra nohetsehin’ny fony hankeo amin’ny asa, hanatanteraka izany.
3
Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.
4
Dia nanatona ireo manan-talenta rehetra izay nanao ny asa manontolo ao amin’ny fitoerana masina, ary niala tamin’ny asa nataony avy
5
ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona dia mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavitana ny fanompoana amin’ny asa nandidian’NY TOMPO.
6
Dia nandidy i Mosesy ka nandefa teny manerana ny toby hoe: Aza misy manao zavatra ho fandraisana anjara ho amin’ny fitoerana masina intsony ianareo, na lahy na vavy. Izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
7
fa ny zavatra efa nomanina dia ampy hanaovana ny asa rehetra ary nanana amby aza.
8
Ny manan-talenta rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanamboatra ny tabernakely: Ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
9
Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: Nitovy refy ny ambainy rehetra.
10
Ambainy dimy no navitrany ho iray; ary ambainy dimy hafa koa no navitrany ho iray hafa.
11
Nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ny ambainy farany izy, dia teo amin’ny sisin’ny iray efa voavitrana koa.
12
Tadivavarana dimampolo no nataony teo amin’ny ambainy iray ary tadivavarana dimampolo koa no nataony teo amin’ny sisin’ny ambainy izay amin’ny iray efa voavitrana hafa koa; ary nifandray ny tadivavarana.
13
Nanao farango volamena dimampolo izy ka nakambany tamin’ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
14
Nanao ambainy tamin’ny volon’osy koa izy ho lay handrakofana ny tabernakely; iraika amby folo ambainy no nanaovany azy.
15
Ny halavan’ny ambainy iray dia telopolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy refy ny ambainy iraika amby folo.
16
Navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina sisa kosa dia hakambana.
17
Nanao tadivavarana dimampolo ho eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana izy; ary tadivavarana dimampolo hafa koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa efa voavitrana koa.
18
Ary nanao farango varahina dimampolo izy hampikambana ny lay ho iray.
19
Nataony tamin’ny hoditr’ondrilahy voaloko mena ny rakotry ny lay, ary sarona hoditra trozona no ho eo amboniny.
20
Nanao ny hazofisaka akasia ho amin’ny tabernakely izy, dia tsangankazo akasia.
21
Folo hakiho ny haavon’ny hazofisaka iray ary iray hakiho sy sasany ny sakan’ny hazofisaka iray.
22
Lahiny roa no amin’ny hazofisaka iray ka nasiany izay hikambanany. Izany no nanaovany ny hazofisaka rehetra tamin’ny tabernakely.
23
Nanao ny hazofisaka ho amin’ny tabernakely izy, hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny atsimo.
24
Nanao faladia volafotsy efapolo izy ho eo ambanin’ny hazofisaka roapolo, faladia roa avy ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay hiorenan’ny lahiny roa.
25
Nanao hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny faharoa amin’ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
26
Nanao faladiany volafotsy efapolo izy, faladia roa avy ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay.
27
Nanao hazofisaka enina izy ho eo amin’ny lafiny andrefana izay eo aorianan’ny tabernakely.
28
Nanao hazofisaka roa izy ho eo amin’ny zoron’ny tabernakely tamin’ny lafiny ao aoriana.
29
Nakambana ho iray hatrany ambany ka hatrany ambony ireo, dia hiray tsara hatrany an-tampony eo amin’ny mason-drojo tokana; nataony toy izany koa ny roa ho eo amin’ny zorony roa.
30
Ary nisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy avy, izany hoe faladia enina amby folo; faladia roa avy no ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay.
31
Ary hazo akasia no nataony barany: Dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely,
32
barany dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny iray koa amin’ny tabernakely, ary barany dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny andrefana izay ao aorianany.
33
Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ny hazofisaka ka hahatratra ny farany roa.
34
Ny hazofisaka dia nopetahany takelaka volamena, ary nataony volamena koa ny mason-drojo aminy, izay hitoeran’ny barany; nopetahany takelaka volamena koa ny barany.
35
Ny efitra lamba dia nataony miloko manga, volomparasy, jaky ary rongony fotsy madinika voatenona; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
36
Nanamboatra andry efatra tamin’ny hazo akasia izy mba hihantonan’izany, ary nopetahany takelaka volamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; dia nandrendrika faladia volafotsy efatra izy mba hiorenany.
37
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay izy, dia tamin’ny manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.
38
Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takelaka volamena ny lohany sy ny farango hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40