bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 39
Exodus 39
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 40 →
1
Tamin’ny lamba manga, volomparasy ary jaky no nanaovana ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ary natao ny fitafiana masina ho an’i Arona araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
2
Dia nanao ny efoda tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika voahasina izy.
3
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy dia nandidididy azy ho kofehy volamena ka nataony tady miaraka amin’ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay.
4
Nataony nisy soroka izay nihazona ny efoda tamin’ny tendrony roa avy.
5
Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ary nataony volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary kofehy rongony fotsy madinika voahasina, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
6
Nasiany randram-bolamena manodidina kosa ny vato berila dia nosoratany taminy, araka ny fanoratana fitombo-kase, ny anaran’ny Zanak’Israely.
7
Ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
8
Dia nataony ny saron-tratra, izay asan’ny mpanenona mahay, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny rongony fotsy madinika voahasina.
9
Efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, irain-jehy avy ny lafiny efatra sady niforitra roa izany.
10
Dia nasiany vato alatsaka an-tranontranony izany, vato efatra andalana: Ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeraoda;
11
ny andalana faharoa dia robisy sy safira ary oniksa;
12
ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametista;
13
ary ny andalana fahefatra dia krizolita sy berila ary jaspy. Nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
14
Ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ny fokon’ny Zanak’Israely, roa amby folo araka ny anarany avy. Izy ireo dia nitondra ny anaran’ny foko roa amby folo, voasoratra toy ny amin’ny fitombo-kase.
15
Nasiany rojo kely volamena tsy miharo, mifanolana toy ny tady, teo amin’ny saron-tratra.
16
Nataony koa ny randram-bolamena roa sy mason-drojo volamena roa; ny mason-drojo dia natao teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra.
17
Ny tady volamena roa dia nataony teo amin’ny mason-drojo roa izay amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra.
18
Ny lanin’ny tady roa dia nataony teo amin’ny randram-bolamena roa, ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda, teo anoloana.
19
Nataony indray koa ny mason-drojo volamena roa, natsofony teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, amin’ny sisiny anatiny izay mikasika ny efoda.
20
Mbola nanao mason-drojo volamena roa koa izy ka napetany teo ambanin’ny soroka roa amin’ny efoda, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, ary eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.
21
Kofehy manga no namehezany ny mason-drojon’ny saron-tratra tamin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo, dia araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
22
Nataony indray ny akanjobe misy ny efoda, asan’ny mpanenona, ka nataony miloko manga tokam-bolo.
23
Ny vozon’ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy haharovitra azy.
24
Teo amin’ny morontongotry ny akanjobe dia nasiany sarin’ampongabendanitra miloko manga, volomparasy, jaky voahasina;
25
ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra:
26
Lakolosy sy sarin’ampongabendanitra no mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjobe izay hoentiny manao ny fanompoam-pivavahana, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
27
Lamba rongony fotsy madinika no nanaovany ny akanjo lava, asan’ny mpanenona, ho an’i Arona sy ny zanany.
28
Lamba rongony fotsy madinika koa no nanaovany ny fehiloha, ary ny satroka tsara tarehy ihany koa dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika; ny kalisaonina fohy dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina.
29
Ny fehikibo koa dia lamba rongony fotsy madinika voahasina, lamba manga, volomparasy ary jaky, asan’ny mpahay tenona samihafa soratra, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
30
Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony amin’ny volamena tsy miharo sady nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fitombo-kase, hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.
31
Dia nasiany kofehy manga hamehezana azy amin’ny fehiloha eo ambony, dia araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
32
Dia vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, satria efa nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely.
33
Dia noentiny teo amin’i Mosesy ny tabernakely, dia ny tranolay sy ny fanaka rehetra momba azy, ny farangony sy ny hazofisaka ary ny barany, ny andriny, ny faladiany,
34
ny rakotra hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, ny sarona hoditra trozona, ny efitra lamba fanakonana,
35
ny vatan’ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
36
ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo atao fanatitra,
37
ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo sy ireo jiro, dia ireo jiro izay halahatra eo aminy sy ny fanaka rehetra momba azy, ny diloilo hatao fanazavana,
38
ny alitara volamena, ny diloilo fanosorana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay,
39
ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ny koveta sy ny faladiany,
40
ny fefy lamba eo amin’ny kianja sy ny andriny ary ny faladiany sy ny vavahady lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja, ny kofehiny, ny tsatòkan-day ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana,
41
ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana, izay hoenti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ho an’i Arona mpisorona ary ny fitafian’ireo zanany izay hoenti-manao fisoronana.
42
Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ny Zanak’Israely ny asa rehetra.
43
Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy ka indro, efa natao araka izay nandidian’NY TOMPO izany. Dia nitsodrano ny olona i Mosesy.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40