bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 19
Exodus 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 20 →
1
Tamin’ny volana fahatelo taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany indrindra, no nahatongavany tany amin’ny tany efitr’i Sinay.
2
Rehefa nifindra niala tao Refidima izy ka tonga tany amin’ny tany efitr’i Sinay dia nitoby teo amin’ny tany efitra; nitoby teo, tandrifin’ny tendrombohitra ny Israely.
3
Ary niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Mosesy, dia niantso azy avy tao an-tendrombohitra NY TOMPO ka niteny hoe: Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hambaranao amin’ny Zanak’Israely:
4
Ianareo dia efa nahita izay nataoko tamin’ny Ejiptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nitondrako anareo ho atỳ Amiko.
5
Ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho fananako sarobidy indrindra mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
6
Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ny Zanak’Israely.
7
Dia nandeha i Mosesy ka nampiantso ny loholon’ny vahoaka, ary nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian’NY TOMPO azy.
8
Dia indray miredona namaly ny olona rehetra ka niteny hoe: Izay teny rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary noentin’i Mosesy tany amin’NY TOMPO kosa ny tenin’ny olona.
9
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hankeo aminao ao anatin’ny rahona maizina Aho, mba ho ren’ny olona Aho raha miteny aminao ka hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’i Mosesy tamin’NY TOMPO ny tenin’ny olona.
10
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ny olona ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy ireo.
11
Aoka samy hiomana ho amin’ny andro fahatelo izy, fa amin’ny andro fahatelo no hidinan’NY TOMPO ho eo imason’ny olona rehetra eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay.
12
Dia hanisy fefy manodidina ho an’ny olona ianao ka hiteny hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao an-tendrombohitra na hikasika ny sisiny akory aza. Fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty.
13
Tsy hisy tanana hikasika azy fa hotoraham-bato tokoa, na hotifirina tsipìka tokoa, na biby na olona, ary tsy mba hovelomina. Rehefa manao feo lavareny ny anjomara, vao hiakatra ho ao an-tendrombohitra ny olona.
14
Dia nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy ka nankeny amin’ny olona; ary nanamasina azy izy ka samy nanasa ny fitafiany ny olona.
15
Hoy koa izy tamin’ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
16
Tamin’ny marainan’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra; nisy koa feon’anjomara mafy dia mafy ka toran-kovitra ny olona rehetra izay teo amin’ny toby.
17
Ary nitondra ny olona niainga avy teo an-toby i Mosesy mba hihaona amin’Andriamanitra; nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo.
18
Ary ny tendrombohitra Sinay manontolo dia nivoa-tsetroka satria NY TOMPO nidina teo amboniny tao anaty afo; niakatra tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay manontolo.
19
Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nitatatata. Dia niteny i Mosesy ary Andriamanitra namaly azy tao anatin’ny kotroka.
20
Nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, teo an-tampon’ny tendrombohitra NY TOMPO; ary niantso an’i Mosesy hankeo an-tampon’ny tendrombohitra NY TOMPO, dia niakatra i Mosesy.
21
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Midìna dia ampitandremo ny olona, fandrao hisisika hankao amin’NY TOMPO izy mba hijery ka ho betsaka ny maty.
22
Ary aoka koa ny mpisorona izay manakaiky NY TOMPO hanamasina ny tenany, fandrao hamely azy tampoka NY TOMPO.
23
Dia hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tsy afaka miakatra ho eto amin’ny tendrombohitra Sinay ny olona, fa Ianao nandidy anay hoe: Fefeo ny tendrombohitra ka hamasino.
24
Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana midina; avy eo dia miakara ianao ka ento miaraka aminao i Arona; fa ny mpisorona sy ny olona kosa dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’NY TOMPO, fandrao handringana azy ireo Izy!
25
Ary nidina nankeny amin’ny olona i Mosesy ka niteny taminy.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40