bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 20
Exodus 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 21 →
1
Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra:
2
Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana.
3
Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany.
4
Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany.
5
Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
6
nefa mamindra fo kosa amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
7
Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa tsy hataon’NY TOMPO ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
8
Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
9
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
10
Fa Sabatan’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
11
Fa henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito. Izany no nitahian’NY TOMPO ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
12
Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
13
Aza mamono olona.
14
Aza mijangajanga.
15
Aza mangalatra.
16
Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
17
Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao.
18
Ary nandre ny kotroka sy ny feon’ny anjomara ary nahita ny tselatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka ny olona rehetra, koa nony nahita izany izy ireo dia toran-kovitra sady nijanona terỳ lavitra terỳ.
19
Dia hoy izy ireo tamin’i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay dia hihaino izahay; fa aoka tsy Andriamanitra no hiteny aminay fandrao maty izahay.
20
Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anoloanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.
21
Dia nijanona teny lavitra teny ny olona, fa i Mosesy kosa dia nanakaiky ny haizim-pito izay nitoeran’Andriamanitra.
22
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: Ianareo dia efa nahita fa avy tany an-danitra no nitenenako taminareo.
23
Aza manao andriamanitra volafotsy ho fanampiko, ary aza manao andriamanitra volamena ho anareo.
24
Alitara tany no hataonao ho Ahy ka eo amboniny no hanoloranao ny fanatitra doranao manontolo sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’osinao sy ny ombinao. Eo amin’ny toerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
25
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha manainga ny fandrakao eo aminy ianao dia handoto azy.
26
Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ny alitarako mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40