bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 28
Exodus 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 29 →
1
Ampanatony anao avy eo anivon’ny Zanak’Israely i Arona rahalahinao mbamin’ireo zanany mba hanao fisoronana ho Ahy izy, dia i Arona, i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara, zanak’i Arona.
2
Manaova fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao ho mariky ny voninahitra sy ny fahamboniany.
3
Koa mitenena amin’izay manan-talenta, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’i Arona hanamasinana azy mba hanaovany fisoronana ho Ahy.
4
Izao no fitafiana izay hataon’ireo: Saron-tratra, efoda, akanjobe, akanjo lava tenom-boaroy, fehiloha ary fehikibo. Hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao sy ho an’ireo zanany izy ireo, mba hanaovany fisoronana ho Ahy.
5
Halain’ireo ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.
6
Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay.
7
Hisy soroka roa eo amin’ny sisiny roa mba hampikambana azy.
8
Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay eo amboniny, dia hiray aminy sady hitovy fomba aminy, dia hatao amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.
9
Ary makà vato berila roa ka soraty eo aminy ny anaran’ny Zanak’Israely:
10
Ny anaran’ny enina dia amin’ny vato iray ary ny anaran’ny enina hafa kosa dia amin’ny vato iray, araka ny fizokiany.
11
Amin’ny asan’ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fitombo-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ny Zanak’Israely ary asio randram-bolamena manodidina.
12
Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely. Ary i Arona dia hitondra ireo anarany ireo eo amin’ny sorony roa, eo anatrehan’NY TOMPO ho fahatsiarovana.
13
Ary manaova randram-bolamena
14
sy rojo kely volamena tsy miharo roa; mirandrana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hapetakao eo amin’ny randram-bolamena ireo rojo kely toy ny tady ireo.
15
Ary manaova saron-tratra fitsarana, asan’ny mpanenona mahay. Toy ny nanaovana ny efoda no hanaovanao azy: Volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.
16
Ho efa-joro miforitra roa ilay izy ary irain-jehy avy ny lafiny efatra.
17
Asio vato alatsaka an-tranontranony koa ka efatra andalana: Ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeraoda;
18
ny andalana faharoa dia robisy sy safira ary oniksa;
19
ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametista;
20
ny andalana fahefatra kosa dia krizolita sy berila ary jaspy. Asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
21
Ny vato dia alaharo araka ny anaran’ny Zanak’Israely, roa amby folo araka ny anarany; hisy soratra toy ny amin’ny fitombo-kase izany, ho amin’ny foko roa amby folo araka ny anarany avy.
22
Asio rojo kely volamena tsy miharo, mirandrana toy ny tady eo amin’ny saron-tratra.
23
Petaho mason-drojo volamena roa koa eo amin’ny saron-tratra; ataovy eo amin’ny zorony roa, izay amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra ireo mason-drojo roa ireo.
24
Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ny mason-drojo roa, izay amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra.
25
Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda anoloana kosa ny lanin’ny tady roa.
26
Dia manaova koa mason-drojo volamena roa ka ataovy amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, amin’ny sisiny anatiny, izay mifanolotra amin’ny efoda.
27
Ary manaova koa mason-drojo roa ka ataovy eo amin’ny soroka roa amin’ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ny fihaonany, eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.
28
Kofehy manga no hamehezana ny mason-drojon’ny saron-tratra amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo.
29
Ary i Arona dia hitondra ny anaran’ny Zanak’Israely eo amin’ny saron-tratra fitsarana mifanolotra amin’ny fony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.
30
Ataovy eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy ny Tomima; ho eo amin’ny fon’i Arona izany rehefa miditra eo anatrehan’NY TOMPO izy. Hoentin’i Arona eo amin’ny fony mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO ny fitsarana ny Zanak’Israely.
31
Ataovy lamba manga avokoa ny akanjobe misy ny efoda.
32
Asio vozony eo afovoany ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy haharovitra azy.
33
Asio sarin’ampongabendanitra miloko manga, volomparasy, jaky, manodidina eny amin’ny moron-tongony, ary lakolosy kely volamena kosa eo anelanelany manodidina;
34
io dia lakolosy kely volamena sy sarin’ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ny morontongotry ny akanjobe.
35
Hiakanjoan’i Arona izany rehefa manao ny fanompoam-pivavahana izy, mba ho re ny fanenony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina eo anatrehan’NY TOMPO sy rehefa miala ao izy, mba tsy hahafaty azy.
36
Manaova koa takelaka volamena tsy miharo ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fitombo-kase hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.
37
Asio kofehy manga izy io ka ataovy eo amin’ny fehiloha, fa eo anoloan’ny fehiloha no hasiana azy.
38
Ho eo ambonin’ny handrin’i Arona izy io mba hitondran’i Arona ny heloky ny zava-masina izay hohamasinin’ny Zanak’Israely amin’ny fanomezany masina rehetra; ho eo amin’ny handriny mandrakariva izy io mba hankasitrahana ny olona eo anatrehan’NY TOMPO.
39
Ataovy amin’ny rongony fotsy madinika tenom-boaroy ny akanjo lava ary manaova fehiloha amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy fehikibo, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.
40
Manaova koa akanjo lava ho an’ireo zanak’i Arona dia anamboary fehikibo izy ireo; ary manaova ihany koa satroka boribory ho azy ireo ho mariky ny voninahitra sy ny fahamboniana.
41
Dia ampiakanjoy an’i Arona rahalahinao sy ireo zanany ireo; ary hosory izy ireo dia atokàny sy hamasino mba hanao fisoronana ho Ahy.
42
Ary manaova kalisaonina fohy amin’ny lamba rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany hatramin’ny maojany ka hatramin’ny feny.
43
Ary hiakanjoan’i Arona sy ireo zanany ireo rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna maharitra aminy sy amin’ny taranany mandimby azy izany.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40