bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 18
Exodus 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 19 →
1
Ary ren’i Jetro, rafozan’i Mosesy, mpisorona tany Midiana, izay rehetra nataon’Andriamanitra ho an’i Mosesy sy ny Israelita olony, dia ny nitondran’NY TOMPO ny Israely nivoaka avy tany Ejipta.
2
Koa noentin’i Jetro, rafozan’i Mosesy, i Zipora vadin’i Mosesy, izay nalefany nody,
3
sy ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ny iray, satria hoy izy: Vahiny atỳ amin’ny tanin’ny firenena hafa aho;
4
ary Eliezera kosa no anaran’ny faharoa, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan’ny sabatr’i Farao.
5
Dia tonga i Jetro, rafozan’i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak’i Mosesy hankany aminy any an-tany efitra izay nitobiany, teo anilan’ny tendrombohitr’Andriamanitra.
6
Dia nampilaza tamin’i Mosesy izy hoe: Izaho Jetro rafozanao dia tonga hamangy anao, miaraka amin’ny vadinao sy ny zanany roa lahy.
7
Ary tonga hitsena ny rafozany i Mosesy dia niankohoka sady nanoroka azy. Nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
8
Dia notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Farao sy tamin’ny Ejiptiana noho ny amin’ny Israelita, nolazainy mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana sy ny namonjen’NY TOMPO azy.
9
Dia faly i Jetro noho ny soa rehetra izay nataon’NY TOMPO tamin’ny Israelita izay novonjeny ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejiptiana.
10
Ary hoy i Jetro: Isaorana anie NY TOMPO izay nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptiana sy tamin’ny tanan’i Farao, NY TOMPO izay nanafaka ny olona tsy ho ao ambanin’ny tanan’ny Ejiptiana.
11
Ankehitriny, fantatro fa lehibe NY TOMPO mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, na dia nanitsakitsaka ny olony aza ny Ejiptiana.
12
Ary i Jetro, rafozan’i Mosesy, dia nitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’Andriamanitra. Dia tonga i Arona sy ny loholon’ny Israely rehetra hiara-misakafo amin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.
13
Nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona i Mosesy, ary nijoro teo anatrehan’i Mosesy hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva ny olona.
14
Rehefa hitan’ny rafozan’i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ny olona dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ny olona izao? Nahoana no ianao irery no mipetraka fa ny olona rehetra kosa dia mitsangana eo anoloanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?
15
Ary hoy i Mosesy tamin’ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin’Andriamanitra.
16
Raha misy manana ady izy ireo dia mankaty amiko ka mitsara azy roa tonta aho ary mampahalala azy ny didin’Andriamanitra sy ny lalànany.
17
Dia hoy ny rafozan’i Mosesy taminy: Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
18
Samy ho reraka mihitsy, na ianao na ireo olona miaraka aminao ireo; mavesatra aminao loatra izao zavatra izao ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
19
Koa ankehitriny, ekeo ny teniko fa hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny raharahany ho eo amin’Andriamanitra.
20
Hampianatra azy ny didy sy ny lalàna ianao sady hampahalala azy ny lalana izay mety halehany sy izay tokony hataony.
21
Nefa mizahà izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra eo amin’ny olona rehetra, dia izay lehilahy marina sady tsy tia kolikoly, ary manendre mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo ary mpifehy folo hifehy azy.
22
Aoka ireo no hitsara ny olona isak’izay mandeha, fa ny ady lehibe rehetra ihany no aoka hoentiny eo aminao, ary ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany. Ho maivamaivana kokoa aminao izany, fa hiara-mitondra aminao ireo.
23
Raha tanterahinao izany zavatra izany ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa amantsara any amin’ny taniny.
24
Dia neken’i Mosesy ny tenin’ny rafozany ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
25
Nofidin’i Mosesy ary izay lehilahy mahay tamin’ny Israely rehetra ka nataony lohan’ny olona hifehy azy, ho mpifehy arivo, ho mpifehy zato, ho mpifehy dimampolo ary ho mpifehy folo.
26
Dia nitsara ny olona hatrany hatrany ireo; koa ny ady sarotra ihany no noentiny teo amin’i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
27
Dia navelan’i Mosesy handeha ny rafozany ka lasa nody any amin’ny taniny izy.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40