bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 23
Exodus 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 24 →
1
Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
2
Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mety hanao vavolombelona amin’ny adin’olona ka hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
3
Aza miangatra amin’ny mahantra amin’ny adiny eo amin’ny fitsarana.
4
Raha hitanao diso lalana ny ombin’ny fahavalonao, na ny borikiny, dia averenonao any aminy izany.
5
Raha hitanao lavo voatsindrin’ny entana ny borikin’izay mankahala anao dia aza malaina hamonjy azy fa ampionao izy hamaha izany.
6
Aza mamily izay rariny ananan’ny mahantra eo aminao, amin’ny adiny eo amin’ny fitsarana.
7
Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono ny tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
8
Aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly dia mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny marina.
9
Aza mampahory vahiny, fa ianareo dia mahalala ny toe-pon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ihany ianareo.
10
Enin-taona no hamafazanao amin’ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
11
fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izany mba hisy hohanin’ny mahantra ao amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo kosa dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanim-boalobokao sy amin’ny tanin’olivanao.
12
Henemana no hanaovanao ny raharahanao, fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianao mba hialan’ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ny zanaky ny mpanompovavinao sy ny vahiny aina.
13
Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany.
14
Intelo isan-taona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
15
Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nampanaoviko anao amin’ny fotoanandro amin’ny volana Abiba, fa tamin’izany no nivoahanao avy tany Ejipta; ary aoka tsy hisy hiseho amin’ny tanam-polo eo anatrehako, tsy mitondra fanatitra.
16
Tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
17
Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra.
18
Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao raha mbola misy masirasira ao aminao; aza avela ho tra-maraina ny jaboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy.
19
Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia hoentinao ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
20
Indro Aho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao eny an-dalana sady hitondra anao any amin’ny toerana izay namboariko.
21
Mitandrema eo anatrehany ka mihainoa ny feony ary aza manao izay mahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy satria ny anarako no ao Aminy.
22
Fa raha mihaino ny feony tokoa ianao ka manao izay rehetra lazaiko dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho.
23
Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia hofongorako ireny.
24
Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamanitr’ireny ianao, na manompo azy, na manao toy ny fanaony; fa aringano tokoa izy ary poteho tanteraka ireo tsangambaton-tsampiny.
25
Fa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy, ary hesoriko aminao ny aretina.
26
Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao. Hataoko feno ny isan’ny andronao.
27
Hampandehaniko eo anoloanao ny fahatahorana Ahy ka hampifanaritahiko ny firenena rehetra izay alehanao ary hampandosiriko eo anoloanao ny fahavalonao rehetra.
28
Hampandehaniko eo anoloanao ny fanenitra handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao.
29
Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany ka hihamaro ny bibidia hamely anao.
30
Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahatonganao ho maro ka handova ny tany.
31
Hataoko hatrany amin’ny Ranomasina Mena ka hatrany amin’ny Ranomasin’ny Filistina ny sisin’ny taninao, ary hatrany amin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hanolotra ny mponina amin’ny tany ho eo an-tananareo Aho ary handroaka azy eo alohanao ianao.
32
Aza manao fanekena aminy na amin’ny andriamaniny.
33
Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao hampanota anao Amiko izy raha manompo ny andriamaniny ianao ka ho fandrika ho anao izany.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40