bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 31
Exodus 31
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 32 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe:
2
Indro, efa notononiko anarana i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda;
3
ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, amin’ny fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahalalana ny amin’ny taozavatra maro samihafa,
4
tahaka ny famolavolana asa kanto, ny fiasana volamena sy volafotsy ary varahina,
5
ny fanamboarana vato halatsaka an-tranontranony ary ny fandrafetana hazo, mba hanaovany taozavatra maro samihafa.
6
Ary indro Aho efa nanome an’i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, ho namany; ary ny fon’izay manan-talenta rehetra dia efa nasiako fahendrena mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao,
7
dia ny tranolay fihaonana sy ny vata hasiana ny Vavolombelona ary ny rakotra fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra momba ny tranolay,
8
ny latabatra mbamin’ny fanaka momba azy, ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
9
ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany,
10
ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana sy ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona sy ny fitafian’ireo zanany hoentiny manao fisoronana,
11
ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ny fitoerana masina. Araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ireo.
12
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
13
Milazà amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO izay manamasina anareo.
14
Koa tandremo ny Sabata fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hovonoina ho faty ary izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
15
Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an’NY TOMPO: Izay rehetra manao raharaha amin’ny andro Sabata dia hovonoina ho faty.
16
Hotandreman’ny Zanak’Israely ny Sabata ka hankatoaviny hatramin’ny taranany fara aman-dimby, fa fanekena mandrakizay izany.
17
Ho famantarana Amiko sy amin’ny Zanak’Israely mandrakizay izany, satria henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany dia nitsahatra Izy ka niala sasatra tamin’ny andro fahafito.
18
Rehefa vita ny teny nolazainy tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay dia nomeny azy ny vato fisaka roa izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsantanan’Andriamanitra.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40