bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 29
Exodus 29
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 30 →
1
Ary izao no zavatra hataonao amin’izy ireo mba hanamasinana azy hanao fisoronana ho Ahy: Makà vantotra ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
2
mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo; kobam-barimbazaha tsara toto no hanamboarana ireo.
3
Ataovy ao anaty harona iray ireny ka ento amin’io harona io; ary ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
4
Ary ento kosa i Arona sy ny zanany hankeo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano.
5
Dia ento ireo fitafiana ka ampiakanjoy an’i Arona ny akanjo lava sy ny akanjobe misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra, ary afehezo azy ny fehikibo momba ny efoda;
6
ary ataovy eo amin’ny lohany ny fehiloha ary apetraho eo amin’ny fehiloha ny diadema masina.
7
Ary alao ny diloilo fanosorana ka andraraho amin’ny lohany dia hosory izy.
8
Ento koa ireo zanany ka ampiakanjoy akanjo lava.
9
Afehezo azy ireo ny fehikibo, dia amin’i Arona sy ireo zanany; asatrohy azy ireo koa ny satroka boribory; fa ho azy ireo ny fisoronana; ho lalàna maharitra izany. Dia toy izany no hanokananao an’i Arona sy ireo zanany.
10
Ary asaivo entina ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana ny vantotra ombilahy; ary aoka i Arona sy ireo zanany hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy;
11
dia vonoy eo anatrehan’NY TOMPO ny vantotra ombilahy, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana;
12
ary analao ny ran’ity vantotra ombilahy ity dia ahosory eo amin’ireo tandroky ny alitara amin’ny fanondronao, ary ny ra sisa rehetra kosa dia araraho eo am-pototry ny alitara;
13
dia alao ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny ila atiny lehibe ary ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ka doroy eo ambonin’ny alitara ireo ho fofona;
14
fa ny henan’ny vantotra ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany kosa dia doroy amin’ny afo eny ivelan’ny toby ho fanatitra noho ny ota.
15
Alao indray ny ondrilahy iray ka aoka i Arona sy ireo zanany hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny ondrilahy;
16
dia vonoy izy ka tantazo ny rany dia afafazo manodidina amin’ny lafin’ny alitara;
17
ary teteho tsara ny ondrilahy dia sasao ny taovany sy ny tongony ka ataovy eo ambonin’ireo voatetika miaraka amin’ny lohany;
18
ary doroy ho fofona eo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy manontolo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
19
Mbola makà ondrilahy hafa koa; ary aoka hametraka ny tanany amin’ny lohan’io ondrilahy io i Arona sy ireo zanany;
20
vonoy ny ondrilahy ka analao ny rany, dia ahosory amin’ny tendron’ny ravin-tsofina havanan’i Arona sy amin’ny tendron’ny ravin-tsofina havanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany havanana sy amin’ny ankiben-tongony havanana; ny ra sisa kosa dia afafazo manodidina amin’ny lafin’ny alitara rehetra.
21
Ary analao ny ra izay eo ambonin’ny alitara sy ny diloilo fanosorana ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany ary amin’ireo zanany sy amin’ny fitafian’ireo zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa.
22
Alao indray ny jaboran’ny ondrilahy sy ny hofany ary ny jabora mandrakotra ny taovany sy ny ila atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy ary ny feny havanana, fa ondrilahy fanokanana io;
23
ary makà mofo iray, dia mofo iray voaisy diloilo, mofo manify iray izay eo amin’ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’NY TOMPO;
24
ary ataovy eo an-tanan’i Arona sy eo an-tanan’ireo zanany izy rehetra ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO ireo.
25
Dia raiso avy amin’ny tanany ireo avy eo ka doroy hanome fofona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’NY TOMPO, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
26
Alao indray ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO; dia izay no ho anjaranao.
27
Ary hamasino ny tratran’ny fanatitra asandratra sy ny feny izay nalaina avy tamin’ny fanatitra, dia izay nasandratra sy izay nalaina avy tamin’ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’i Arona sy izay ho an’ny zanany.
28
Ary ho anjara mandrakizay ho an’i Arona sy ho an’ny taranany avy amin’ny Zanak’Israely izany, fa anjara fanomezana; ary hisy anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, haterin’ny Zanak’Israely avy amin’ny fanati-pihavanany rehetra.
29
Ary ny fitafiana masina izay an’i Arona dia ho an’ireo zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
30
Hiakanjo azy hafitoana izay iray amin’ny zanany ho mpisorona handimby azy, dia izay miditra ao amin’ny tranolay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.
31
Alao avy eo ny ondrilahy fanokanana ka ahandroy eo amin’ny fitoerana masina iray ny henany.
32
Ary hohanin’i Arona sy ireo zanany eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny henan’ny ondrilahy sy ny mofo izay ao anatin’ny harona.
33
Izy ireo no hihinana ireo zavatra ireo, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa tsy mba hihinana ny vahiny satria masina ireo.
34
Ary raha misy sisa tsy lany amin’ny henan’ny fanatitra fanokanana, na amin’ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin’ny afo ny sisa tsy lany fa tsy hohanina satria masina.
35
Dia manaova izany amin’i Arona sy ireo zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy ireo.
36
Ary vantotra ombilahy iray no haterinao isanandro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara amin’ny fanaovanao fanavotana ho azy; dia hosory koa izy hanamasinana azy.
37
Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara ary ho masina izay rehetra mikasika azy.
38
Ary izao no hatolotrao eo ambonin’ny alitara: Zanak’ondry izay herintaona, roa isanandro isanandro,
39
koa ny zanak’ondry iray dia hatolotrao amin’ny maraina ary ny zanak’ondry iray kosa dia hatolotrao amin’ny hariva;
40
miampy koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo amin’ny diloilo nofiazana ampahefatry ny hina, sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina miaraka amin’ilay zanak’ondry iray.
41
Ary ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva. Fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ny fanatitra maraina no hampiarahinao aminy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
42
Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’NY TOMPO, dia ao amin’izay hihaonako aminareo, hitenenako aminao.
43
Ary hihaona amin’ny Zanak’Israely ao Aho ka hohamasinin’ny voninahitro izy.
44
Ary hohamasiniko ny tranolay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa i Arona sy ireo zanany mba hanao fisoronana ho Ahy.
45
Honina eo amin’ny Zanak’Israely Aho ka ho Andriamaniny.
46
Ary ho fantany fa Izaho no TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo aminy; Izaho no TOMPO Andriamaniny.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40