bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Exodus 25
Exodus 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 26 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely mba hitondra anjara fanomezana ho Ahy izy; avy amin’ny olona rehetra izay entanin’ny fony no handraisanareo izay anjara atolony ho Ahy.
3
Ary izao no anjara fanomezana izay horaisinareo avy aminy: Volamena, volafotsy, varahina,
4
lamba manga, volomparasy, jaky, ary lamba rongony fotsy madinika, volon’osy,
5
hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, hoditra trozona, hazo akasia,
6
diloilo hatao fanazavana, zavamanitra ho amin’ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
7
vato berila ary vato alatsaka an-tranontranony amin’ny efoda sy amin’ny saron-tratra.
8
Asaivo manao fitoerana masina ho Ahy izy dia honina eo aminy Aho.
9
Araka izay rehetra hasehoko aminao no ho endriky ny tabernakely sy ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
10
Ary ampanaovy vata amin’ny hazo akasia izy: Roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
11
Petaho takelaka volamena tsy miharo ilay izy. Samy hopetahanao takelaka volamena avokoa ny atiny sy ny ivelany, ary asio sisiny volamena manodidina eo amboniny.
12
Ary mandrendreha mason-drojo volamena efatra hatao aminy ka ataovy eo amin’ny zorony efatra, koa mason-drojo volamena roa eo amin’ny lafiny iray ary mason-drojo volamena roa eo amin’ny lafiny iray hafa.
13
Manaova bao hazo akasia ka petaho takelaka volamena
14
dia ampidiro ho eo amin’ny mason-drojo volamena eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy.
15
Ao amin’ny mason-drojon’ny vata no hitoeran’ny bao ary tsy hesorina eo izy.
16
Ataovy ao anatin’ny vata ny Vavolombelona izay homeko anao.
17
Avy eo dia manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ny volamena tsy miharo: Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
18
Manaova koa kerobima volamena roa; vongana iray amin’ny rakotra fanaovam-panavotana, eo amin’ny sakany roa, no hanaovanao azy roa.
19
Ny kerobima iray dia ataovy amin’ny sakany iray ary ny kerobima iray kosa dia amin’ny sakany iray: Vongana iray amin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, eo amin’ny sakany roa.
20
Ary aoka ny elatry ny kerobima hivelatra eo ambony mba hanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana; ary hifanatrika ny tavany sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa.
21
Dia apetraho eo ambonin’ny vata ny rakotra fanaovam-panavotana; ao anatin’ny vata no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
22
Eo no hihaona aminao Aho ka avy eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, eo anelanelan’ny kerobima roa izay eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona; eo no hambarako anao izay rehetra hampanaoviko holazainao amin’ny Zanak’Israely.
23
Manaova latabatra hazo akasia: Roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
24
Petaho takelaka volamena tsy miharo izany sady asio sisiny volamena ny manodidina azy.
25
Dia asio tranony manodidina azy, felatanana iray, ary asio sisiny volamena manodidina.
26
Ary manaova mason-drojo volamena efatra hatao aminy ka ataovy eo amin’ny zorony efatra izay eo amin’ny tongony efatra ireo:
27
Eo akaikin’ny tranony no hasiana ny mason-drojo volamena ho fitoeran’ny bao ilanjana ny latabatra.
28
Hazo akasia no anaovy ny bao ka petaho takelaka volamena; amin’ireo no hilanjana ny latabatra.
29
Ary ataovy ny loviany sy ny loviany kely ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no hanaovanao ireo.
30
Asio mofo atao fanatitra eo ambonin’ny latabatra, ho eo anatrehako mandrakariva.
31
Manaova koa fitoeran-jiro volamena tsy miharo; vongana iray no hanefenao ny fitoeran-jiro. Vongana iray ihany no hanefenao ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny.
32
Hisy rantsany enina misampana eo an-daniny roa ka rantsany telo amin’ny fitoeran-jiro no eo an-daniny iray ary rantsany telo amin’ny fitoeran-jiro no eo an-daniny iray hafa.
33
Hisy foto-boniny telo, hatao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny eo amin’ny rantsany iray; ary foto-boniny telo koa no hatao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny eo amin’ny rantsany iray hafa; dia toy izany avokoa amin’ny rantsany enina amin’ny fitoeran-jiro.
34
Ary eo amin’ny fitoeran-jiro dia hisy foto-boniny efatra, hatao tahaka ny vonin’ny amanda, miaraka amin’ny bokony sy ny voniny,
35
bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, bokony iray koa no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy ary bokony iray koa no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy; izany hoe amin’ny rantsany enina izay miray amin’ny fitoeran-jiro.
36
Hiray avokoa ny bokony sy ny rantsany, sady ho voatefy amin’ny vongana volamena tokana tsy miharo izy rehetra.
37
Ary ataovy ny jirony fito ka apetaho eo amin’ny fitoeran-jiro dia ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
38
Ary ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsy miharo.
39
Volamena tsy miharo, talenta iray, no hanaovana azy mbamin’ireny fanaka rehetra ireny.
40
Aoka mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izany.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40