bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 1
Isaiah 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 2 →
1
Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.
2
Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: «Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.
3
Ny omby mahalala ny tompony manana azy, ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona izay famahanan’ny tompony azy; Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona; eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra.»
4
Loza! firenena mpanota ianao, ry Joda; vahoaka mivesatra heloka ianareo, solofon’ny mpanao ratsy, taranaka lomorina! Nilaozanareo ny TOMPO, nataonareo tsinontsinona ilay Masin’i Israely, fa niamboho Azy ianareo.
5
Aiza indray àry no tianareo hikapohana anareo no mbola mikiry amin’ny ditranareo ihany ianareo? Efa feno ratra avokoa ny loha, ary marary ny fo manontolo.
6
Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.
7
Efa lao ny taninareo, kilan’ny afo ny tanànanareo; ny tany novolenareo aza dia ny vahiny no nihinana ny vokany teo anatrehanareo, ka efa lao tokoa izany tahaka ny faharavàn’i Sôdôma.
8
I Jerosalema irery sisa no hany tafajoro, toy ny tranotomboka ao anaty tanimboaloboka, sy toy ny kitranotrano rantsan-kazo ao anaty tanimbolin-kôkômbra, ary toy ny tanàna efa atao fahirano.
9
Raha tsy navelan’ny TOMPOn’izao rehetra izao hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sôdôma sy ho nitovy tamin’i Gômôra isika.
10
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra:
11
«Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO, ireo sorona marobe atolotrareo? Efa mankaleo Ahy mihitsy ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo sy ny saboran-janak’omby nafahy. Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran’ombilahy na ny ran’ny zanak’ondry na ny ran’osilahy.
12
Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako, moa Izaho ve no nangataka anareo hanitsakitsaka ny kianjan’ny tempoliko?
13
Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory; maharikoriko Ahy ny eton’ny soronareo; atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana sy ny sabata ary ny fetim-piangonana. Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.
14
Halako ny fankalazanareo ny tsinam-bolana sy ny fombam-pivavahanareo manetriketrika; toy ny enta-mavesatra amiko ireny ka sasatry ny mitondra azy Aho.
15
Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.
16
Koa misasà ary midiova ianareo; esory tsy ho hitako intsony ny asa ratsy fanaonareo, atsaharo ny manao ratsy.
17
Mianara hanao ny tsara, tadiavo ny rariny, avoty izay voan’ny tsindry hazo lena, ento ara-drariny ny kamboty, tsarao ny adin’ny mpitondratena.
18
«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.
19
Raha manaiky ianareo ka mankatò, dia hihinana ny vokatra tsara avy amin’ny tany.
20
Fa raha mandà kosa ianareo ka mikomy, dia ny sabatra no handripaka anareo.» Izany no nambaran’ny TOMPO.
21
Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran’ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
22
Toa volafotsy nanjary tain-drendrika ary toa divay voatapo-drano ianao, ry Jerosalema.
23
Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.
24
Noho izany ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, Ilay Maherin’i Israely, dia manao teny hentitra hoe: «Loza! hiala vonkina amin’ny mpanohitra Ahy Aho, ary hamaly faty amin’ireo fahavaloko!
25
Ry Jerosalema, hahita raharaha amiko ianao: hodioviko amin’ny afo ianao mba hialan’ny tain-drendrikao ary hoesoriko ny lotom-pirakao rehetra.
26
Haveriko amin’ny laoniny ny mpitsaranao ho tahaka ny mpitsara taloha, ary koa ny mpanolotsainao ho tahaka ny tamin’ny andro fahiny. Amin’izay ianao dia hantsoina hoe ‹Renivohi-pahamarinana› sy ‹Tanàna mahatoky.› »
27
Ho voavonjy i Tsiôna rehefa mitandro ny rariny; ary ho voavonjy ireo mponiny niala tamin’ny toe-dratsy rehefa mampihatra ny fahamarinana.
28
Fa ny mpikomy sy ny mpanota kosa dia hiara-potika, ary izay mahafoy ny TOMPO dia ho levona.
29
Tena ho diso fanantenana ianareo ny amin’ireo hazo terebinta izay nolalainareo; eny, ho menatra ianareo ny amin’ireo toerana nofidinareo hanaovana ny fombafomban-tsampy.
30
Fa ho tahaka ireo hazo terebinta mihintsan-dravina ianareo sy ho tahaka ireo toerana tsy misy rano.
31
Ho toy ny vohavoha ny lehilahy mahery ary ho toy ny kilalaon’afo ny asany hodorana miaraka izy roa tonta ka tsy misy hamono ny afo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66