bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 59
Isaiah 59
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 58
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 60 →
1
Tsia, tsy fohy ny tanan’ny TOMPO fa mahavonjy, tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare.
2
Saingy ny helokareo no mampisy efitra manelanelana anareo amin’Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no manery Azy hanafin-tava, ho lavitra anareo ka tsy mahahaino anareo.
3
Satria voaloto amin’ny ra ny felatananareo ary voaloto amin’ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin’ny teninareo.
4
Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.
5
Toa atodin’ny menarana no kotrehin’ny fikasanareo, ka izay manandrana amin’ireny dia maty: vao vaky iny, dia menarana no mivoaka avy ao. Toa ladin-kala ny lamba tenominareo ka tsy natao hotafîna na hirakofana izany satria zavatra mampidi-doza. Herisetra no asa vokarin’ny tananareo.
7
Mihazakazaka erỳ ianareo hanao ratsy ary mirohotra hamono ny tsy manan-tsiny. Ny hanisy ratsy ny hafa ihany no kendrenareo; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehanareo.
8
Tsy fantatrareo ny lalan’ny fiadanana, ary tsy misy rariny eo amin’izay andalovanareo; lalana miolakolaka no tianareo hosoritana, ka tsy hahita fiadanana izay mandia izany.
9
Noho izany, dia lavitra antsika ny rariny ary tsy tonga amintsika ny hitsiny. Nanantena hahita fahazavana isika, kanjo indro haizina mikitroka; hazavàn’ny maraina no nandrandraintsika, kanjo haizim-pito no andehanantsika.
10
Mandeha mitsapatsapa manara-drindrina toy ny olona jamba isika ary miraparapa toy ny tsy mana-maso. Antoandro mitataovovonana dia tafintohina isika tahaka ny efa amin’ny maizimaizina; ary salama be izao isika nefa toy ny olona maty.
11
Mierona sahala amin’ny orsa isika rehetra na mitolokoloko tahaka ny voromahailala. Nanantena ny rariny isika, nefa tsy nisy; niandrandra famonjena, nefa lavitra antsika izany.
12
TOMPO ô, imbetsaka izahay no efa nikomy taminao tokoa; miampanga anay ny helokay ary manjohy anay ny otanay, ka fantatray tsara ny hadisoanay.
13
Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan’ny teny ataonay.
14
Noho izany, dia mihemotra ny rariny ary mijanon-davitra ny hitsiny, satria eny an-kianja malalaka no voatohintohina ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po.
15
Tsy eo tokoa ny fahamarinana; ary izay miala amin’ny ratsy dia mitolo-tena ho voaroba. Hitan’ny TOMPO izany rehetra izany, ary ratsy eo imasony ny tsy fisian’ny rariny.
16
Hitan’ny Tompo fa tsy nisy niraika akory, gaga Izy fa tsy nisy olona mpanelanelana; koa ny fahefàny ihany no nentiny hamonjy ary ny fahamarinany no nandrisika ny tenany.
17
Eny, ny fahamarinana no nakanjoin’ny Tompo ho tahaka ny akanjo vy fiarovan-tena ary ny famonjena no nataony ho satro-by fiarovan-doha. Ny famaliana no toy ny fitafiana nanaovany ary ny fitiavana miredareda manentana Azy no toy ny lamba nisalorany.
18
Hamaly ny olona araka ny nataony Izy, dia valifaty mirehidrehitra tokoa ho an’ny mpanohitra Azy sy ho an’ny fahavalony; hatramin’ireo any amin’ny nosy lavitra aza! dia hiharan’izany valifaty izany.
19
Amin’izay dia hohajaina ny anaran’ny TOMPO hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany; hohajaina ny fanatrehany be voninahitra, rehefa ho avy Izy toy ny ranomaria asesiky ny tafio-drivotra goavana.
20
Ho avy ny TOMPO hanavotra an’i Tsiôna sy hanavotra ireo anisan’ny firenen’i Jakôba miala amin’ny fahadisoany. Izany no teny hentitry ny TOMPO.
21
Dia hoy koa ny TOMPO hoe: «Izaho kosa hanao izao fanekempihavanana izao aminy: ny Fanahiko hitoetra eo aminareo ary ny teniko dia efa teo am-bavanareo, ka samy tsy hiala aminareo hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny Fanahiko sy ny teniko dia tsy hiala aminareo na amin’ny zanakareo na amin’ny taranaky ny taranakareo. Izaho TOMPO no mampanantena izany.»
← Chapter 58
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 60 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66