bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 45
Isaiah 45
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 46 →
1
Izao no lazain’ny TOMPO amin’ilay nohosorany, dia i Kirôsa: «Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa sy hanaisotra ny fahefàn’ny mpanjaka ka hivoha eo anatrehanao ireo vavahadin’ny tanàna nihidy.
2
Izaho mihitsy no handeha eo anoloanao mba handravona ny mikitoantoana sy hanamontsana ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy.
3
Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin’ny toerana maizina sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin’ny anaranao; Izaho no Andriamanitr’i Israely.
4
Noho ny fitiavako ny firenen’i Jakôba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao; ary nomeko izany laza izany ianao, na dia tsy mahalala Ahy akory aza.
5
Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Nampisikiniko hery ianao hiasa na dia tsy mahalala Ahy akory aza,
6
mba hahafantarana eran-tany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana fa ankoatra ny tenako dia zava-poana. Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa.
7
Izaho no mamorona ny mazava sy mahary ny maizina. Izaho no manome fahasambarana sy mahary ny loza. Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.
8
Aoka ny lanitra handrotsaka ando avy any ambony ary aoka ny rahona handatsaka rariny! Aoka hisokatra ny tany hampivelatra ny famonjena sy hampitsimoka ny fahamarinana! Izaho TOMPO no nahary io lehilahy io.
9
Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy, kanefa ny tenany dia siny tanimanga toy ny siny tanimanga rehetra ihany! Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe: «Inona ity ataonao?» na ny asa vitany hanao aminy hoe: «Tsy mahay ianao!»
10
Lozan’izay sahy milaza amin’ny rainy hoe: «Inona ity naterakao?» na sahy miteny amin’ny reniny hoe: «Inona ity naloaky ny kibonao?»
11
Izao kosa no lazain’ny TOMPO, dia ilay Masin’i Israely sady mpamorona azy: «Izaho ve no anontanianareo ny amin’ireo zanako sy homenareo baiko ny amin’izay tokony hataoko?
12
Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona monina eo amboniny. Izaho no nanenjana ny lanitra tamin’ny tanako sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra.
13
Izaho koa no nampipoitra io lehilahy io mba hitondra fanafahana ary Izaho no hanitsy ny lalany rehetra. Izy no hanangana indray an’i Jerosalema tanànako sy handefa ny oloko izay babo, nefa tsy hampandoa vola na tamby, hoy aho TOMPOn’izao rehetra izao.»
14
Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»
15
Kanefa marina fa Andriamanitra miafina Ianao, ry Andriamanitr’i Israely sady mpamonjy ô!
16
Indro ny mpanamboatra sarivongan-tsampy fa ho indray menatra sy ho afa-baràka; mandeha mitanondrika izy rehetra.
17
Ianareo kosa, ry vahoaka Israely, dia nandray famonjena mandrakizay avy amin’ny TOMPO. Tsy ho menatra na ho afa-baràka na oviana na oviana ianareo.
18
Ny TOMPO no nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra namorona ny tany ka namolavola sy nanamafy azy, nefa tsy nahary azy ho foana fa nanao azy mba honenana. Io Tompo io dia indro milaza hoe: «Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.»
19
An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin’ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak’i Jakôba hitady Ahy eo amin’ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina no lazaiko ary ny mahitsy no ambarako!
20
Ianareo firenen-kafa sisa tavela, avia ka mivoria, manatòna miaraka. Tsy mahalala na inona na inona akory ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra, sy mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.
21
Manaova fanambaràna, ary ento ny porofo, manaova fikaonan-doha miaraka ianareo! Iza no nampahalala hatry ny ela izay mitranga ankehitriny? Iza no nanambara izany mialoha? Moa tsy Izaho TOMPO va? Koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no hany Andriamanitra marina sy mamonjy.
22
Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin’ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.
23
Nianiana tamin’ny tenako Aho, sady marina izay teny aloaky ny vavako ka tsy misy ivadihako: Izaho no handohalihan’ny olona rehetra ary hianianan’ny fiteny rehetra hoe:
24
Ao amin’ny TOMPO irery no hahitana hery sy fahamarinana!» Izay rehetra nifanohitra tamiko dia hankany amiko sady ho menatra.
25
Fa ny taranak’i Israely rehetra kosa dia Izaho TOMPO no hahazoany rariny sy hataony fireharehana.
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 46 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66