bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 13
Isaiah 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 14 →
1
Hafatra momba an’i Babilôna araka ny fahitàn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa.
2
Hoy ny TOMPO hoe: «Manangàna faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin’ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ny miaramila manolo-tena.
3
Izaho mihitsy no mibaiko ireo voatokana ho Ahy Izaho koa no niantso ireo mpiady mahery, dia ireo faly handresy ho voninahitro mba hanehoana ny fahatezerako.»
4
Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.
5
Tonga avy any an-tany lavitra ireo, avy any am-paravodilanitra any hoenti-mandrava manontolo io tany io: ny TOMPO sy ireo fitaovan’ny fahatezerany izany.
6
Manaova kiakiakam-pisaonana, satria akaiky ny andron’ny TOMPO; toy ny loza tsy hay tohaina no firongany avy amin’Andriamanitra Tsitoha.
7
Noho izany dia hiraviravy tanana ny besinimaro ary ho ketraka ny fon’ny olona rehetra.
8
Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny.
9
Indro avy ny andron’ny TOMPO, andro ombàm-pahatezerana tsy azo ivalozana sy isehoam-pahavinirana mirehitra, ka hahatonga izany tany izany ho hay sady handringanana ny mpanota tsy ho ao intsony.
10
Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavàny intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony.
11
Hoy ny Tompo hoe: «Hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny heloka vitan’ny olon-dratsy. Hatsahatro ny fireharehàn’ny mpiavonavona ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.
12
Hataoko mahalana ny olombelona ka ho saro-tadiavina noho ny volamena madio, mahalana ka ho saro-tadiavina noho ny volamena avy any Ôfira aza.»
13
Ny lanitra dia hihozongozona ary ny tany hihovitrovitra eo amin’ny toerany noho ny fahatezeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia amin’ny andro hirehetan’ny fahavinirany.
14
Amin’izany ny olona ho tahaka ny gazela hazaina na ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpiandry, ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy sy handositra any amin’ny taniny avy.
15
Izay rehetra ho hita ao Babilôna dia ho gorobaky ny tsipîka, ary izay rehetra ho tratra ao dia hovonoina amin’ny sabatra.
16
Hotorotoroina eo imasony ny zanany madinika ary horobaina ny tranony sady hosavihina ny vadiny.
17
Hoy ny TOMPO hoe: «Indro hampirisihiko hamely azy ny Medianina izay tsy tia volafotsy sady tsy mankamamy volamena.
18
Haringany amin’ny tsipîkany ny tanora, tsy hamindrany fo ny zaza vao teraka, ary tsy hiantrany akory ny ankizy.»
19
I Babilôna, izay ravaky ny fanjakana sady tabiha sy reharehan’ny Babilônianina, dia horavàn’Andriamanitra tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra.
20
Tsy honenana intsony i Babilôna ary tsy hisy mponina mandrakizay. Tsy hanorin-day ao ny mpifindrafindra lasy ary tsy hampandry ondry ao ny mpiandry ondry.
21
Sakadia no hiorim-ponenana ao ary vorondolo no hameno ny tranony. Vorombe no hanao akany ao ary osidia no hifalihavanja ao.
22
Ny fosa no hinaonaona ao an-tranobeny, ary ny amboadia no honina ao an-dapany. Akaiky ho tonga ny oran’i Babilôna; ary tsy hisy hataka andro intsony ho azy.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66