bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 57
Isaiah 57
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 56
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 58 →
1
Levona ny olo-marina nefa tsy misy miraharaha izany; alaina an-keriny ny olom-banona nefa tsy misy miraika amin’izany. Eny, ny famelezan’ny mpisompatra no akàna an-keriny ny olo-marina.
2
Nefa ho tonga ny fandriampahalemana, ka hatory milamina eo am-pandriany avy izay mizotra amin’ny hitsiny.
3
Fa ianareo kosa manatòna eto, ry zanaky ny mpamosavy, taranaky ny lehilahy mpanitsakitsa-bady sy ny vehivavy janga!
4
Iza moa no esoesoinareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy ianareo ve no zanaka mpikomy sy taranaka mpandainga?
5
Maimay erỳ ianareo teny akaikin’ny hazo terebinta sy ny hazo rehetra matevin-dravina. Nanao sorona zaza ianareo teny amoron’ny lohasahan-driaka sy teny an-tsefatsefaky ny harambato.
6
Koa ny vatokilonjy eny amin’ny lohasahan-driaka no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely; eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao! Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay sy anoloranao fanatitra hohanina; ka dia hahatsindry fo ve Izaho Tompo amin’izany toe-javatra izany?
7
Teny an-tendrombohitra avo manerinerina no nametrahanao ny fandrianao; teny koa no niakaranao hanolotra sorona.
8
Tao ambadiky ny tolàm-baravarana no nametrahanao ny ody fampahatsiarovana anao. Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao sy niakaranao hankeo am-pandrianao ary nanalalahanao ny toerana teo. Dia nividy sakaiza maro ianao, ka finaritra matory miaraka aminy; ary nobanjininao ilay rantsam-batany.
9
Nivezivezy nankany amin’i Môlôka ianao ka nitondra diloilo sy zava-manitra betsaka; nandefa solotena hatrany lavitra any ianao, ka mova tsy hatrany amin’ny fonenan’ny maty no nampietrenao ny tenanao.
10
Sasatra ianao tamin’ny lalan-davitra nalehanao, kanefa tsy loa-bolana hoe: «Kivy aho izany!» Nahazo hery indray aza ianao, ka tsy nahatsiaro reraka.
11
Fa iza no nahînao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatrỳ ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?
12
Kanefa hovakiko bantsilana ny fihamboanao ho marina sy ny asanao; ka tsy hahasoa anao akory ireny.
13
Rehefa miantso vonjy ianao, dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, dia ireo sampy maro voaangonao. Kanefa hopaohin’ny rivotra ireny; tsio-drivotra mihelina dia hahalasa azy! Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
14
Ny TOMPO efa niteny hoe: «Ataovy mitovy tantana ny lalana, ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy, esory ny sakantsakana amin’ny lalan’ny vahoakako.»
15
Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.
16
Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko.
17
Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran’ny fony,
18
ary hitako ny fitondrantenany. Saingy izao no lazaiko: Hanasitrana ny vahoakako Aho, ka hitari-dalana sy hampahery azy. Ary ho an’ireo olony misaona kosa,
19
dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra, fiadanana ho an’izay akaiky! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»
20
Fa ny olon-dratsy kosa dia toy ny ranomasina misamboaravoara sady tsy afaka mitoetra milamina; fa mamoaka loto sy fotaka ny ranony.
21
«Tsy misy fiadanana ho an’ny olon-dratsy, hoy ilay Andriamanitro.»
← Chapter 56
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 58 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66