bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 14
Isaiah 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 15 →
1
Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.
2
Ny vahoakan’ny firenen-kafa no handray adidy hampody azy any an-tanindrazany. Ary eo amin’ny tanin’ny TOMPO, dia ho fananan’ny taranak’i Israely ireo hafa firenena, ka hataony ankizilahy sy ankizivavy; ireo namabo azy no hobaboiny, ary ireo nampahory azy no hataony mpanompo.
3
Ary rehefa homen’ny TOMPO fitsaharana ianao, ry Israely, ka afaka amin’ny fijaliana sy ny tebiteby ary ny fanompoana mafy izay nampanaovina anao,
4
dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao: Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka ary koa niafaran’ny famoretany!
5
Nopotehin’ny TOMPO ny fahefana mandoza, dia ny tehin’ilay mpanjakazaka,
6
izay nikapoka ny vahoaka tamim-pahavinirana; nikapoka azy tsy an-kiato izy ka namolaka azy tamim-pahatezerana sady nanenjika azy tsy nisy indrafo.
7
Mandry fahalemana ny tany tontolo ka velon-kiram-pihobiana ny olona.
8
Ny kipreso sy ny sederan’i Libano koa, noho izao manjo ilay mpanjakazaka izao, dia samy faly ka nanao hoe: «Hatrizay nahafatesanao izay, dia tsy nisy niakatra hanjera anay intsony.»
9
Mihotakotaka noho ny aminao, ry ilay mpanjakazaka, ny any amin’ny fonenan’ny maty any ambany any. Fohazina hitsena ny fiavianao ireo ambiroa, dia ireo lehibe rehetra fony tetỳ an-tany. Ampitsanganina hiala eo amin’ny sezafiandrianany ireo mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay.
10
Samy hiteny izy rehetra ka hanao aminao hoe: «Ianao koa hay malemy tahaka anay, efa tonga mitovy aminay!»
11
Atỳ amin’ny fonenan’ny maty atỳ no navarina ny fireharehànao niaraka tamin’ny feom-balihanao. Kankana no ho kidoronao ary olitra no ho firakotrao.
12
Fa nahoana ianao no latsaka avy any an-danitra ambony any, ry ilay kintana mamirapiratra toy ny kintana fitarikandro! Nazera amin’ny tany ianao ity, ry ilay nandresy firenena maro!
13
Fa hoy ianao anakampo hoe: «Hiakatra any an-danitra any aho ka hametraka ny sezafiandrianako ho avo noho ny kintan’Andriamanitra; dia eo amin’ilay tendrombohitra fivoriana, izay any am-parany avaratra, no hipetrahako.
14
Hiakatra eny an-tampon’ny rahona aho ka hitovy amin’Andriamanitra Avo Indrindra.»
15
Kanjo any amin’ny fonenan’ny maty, any amin’ny fanambanin’ny lavaka, no tsy maintsy nidinanao.
16
Izay mahita anao any dia hibanjina anao, sy handinika anao fatratra ka hanao hoe: «Ity tokoa ve ilay lehilahy izay nampihorohoro ny tany sy nandrodana fanjakana maro,
17
nanova izao tontolo izao ho taniefitra fa sady nandrava tanàna no tsy nandefa ireo gadra hody!»
18
Ny mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay dia samy mandry amim-boninahitra ao am-pasany avy.
19
Ianao kosa dia nariana ivelan’ny fasanao toy ny zaza rano maharikoriko; tahaka ny razana voahitsakitsaka ianao, fa olona voavono ho faty no manindry anao, dia ireo olona voatrobaky ny sabatra. Ka naidina eo ambony lampivato ao am-pasana ireny,
20
nefa tsy mba halevina miaraka aminy ianao satria nanimba ny taninao sady namono ny vahoakanao. Tsy ho voatonona mandrakizay ny anaran’ny taranakao mpanao ratsy.
21
Miomàna handringana ny zanany ianareo noho ny heloka bevava nataon’ny rainy, fandrao hitsangana haka ny tany indray ireny ka handrakotra tanàna an’izao tontolo izao.
22
«Hitsangana hamely ny Babilônianina Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao; hofoanako ny anaran’i Babilôna sy ny dindony mbamin’ny zanany sy ny taranany rehetra.
23
Fa hataoko tonga honahona fonenan-tsokina izy, hofafako amin’ny kifafa i Babilôna ka ho levona, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.
24
Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia efa nanao fianianana hoe: «Izay noheveriko no ho tonga, izay notapahiko no hiseho.
25
Ao amin’ny taniko no hanamontsanako ny Asirianina, eny an-tendrombohitro no hanosihoseko azy. Hoesoriko ny zioga nampitondrainy ny vahoakako, hoesoriko eny an-tsorony ny entana namesarany azy.»
26
Fanapahan-kevitry ny TOMPO ho an’ny tany tontolo izany, ary hinji-tanana fandrahonana ataony amin’ny firenena rehetra.
27
Rehefa nanapa-kevitra ny TOMPOn’izao rehetra izao, iza no hahafoana izany? Rehefa naninji-tanana handrahona Izy, iza no hampihemotra izany?
28
Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza mpanjaka no nisy izao hafatra izao:
29
Aza mifaly ambony ihany ianareo, ry Filistinina rehetra, na dia tapaka aza ny tsorakazo izay nikapohana anareo, satria hisy menarana hipoitra avy amin’ny fatin’ny bibilava ary hisy dragona manidina hipoitra avy amin’ny atodin’ny menarana.
30
Ireo olona faran’izay fadiranovana dia ho tahaka ny ondrikely miraotra, ary ireo mahantra hiadana sy handry feizay; fa hataon’ny fahavalo matin-kanoanana hatrany ifotony kosa ianao, ry Filistia, ary izay sisa ao aminao dia haringana.
31
Midradradradrà, ry tanàna mimanda, ka manaova antsoantsom-pitarainana. Ketraka ny Filistinina rehetra, fa misy setroka miakatra avy any avaratra; tsy misy mitsoaka an-daharana ny fahavalo.
32
Koa inona no havaly ireo iraky ny Filistinina? –Izao ihany: Ny TOMPO no nanorina an’i Tsiôna ary ao no hialofan’ireo mahantra amin’ny vahoakany.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66