bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 60
Isaiah 60
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 59
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 61 →
1
Mitsangàna, ry Jerosalema ô, mamirapirata, satria tonga ny famirapiratanao: ny voninahitry ny TOMPO no manazava anao toy ny masoandro miposaka.
2
Ny haizim-pito manarona ny tany, ary ny alina mandrakotra ireo firenena; fa ianao kosa no iposahan’ny TOMPO sady isehoan’ny voninahiny.
3
Ireo firenena hanatona ny fahazavanao ary ny mpanjaka ho voasariky ny famirapiratana izay vao miposaka eo aminao.
4
Topazo maso ny manodidina anao ka jereo: Indreny izy rehetra fa mivory hankeo aminao. Ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra, ary ny zanakao vavy kosa trotroina.
5
Ho miramirana ianao hahita izany ka ho tohina mafy sy hibita-kafaliana ny fonao, fa ny haren’ny ranomasina hoentina eo aminao ary ny fananan’ny firenen-kafa hatolotra anao.
6
Rameva maro no handrakotra ny taninao, dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefà; tonga koa ny olona rehetra avy any Sabà. Volamena sy vovo-javamanitra no hoentiny ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.
7
Hangonina ao aminao avokoa ny ondry aman’osin’ny Kedarita, ary haroso amin’ny fanompoam-pivavahanao ny ondrilahin’ny Nebaiôta; hakarina eo amin’ny alitara ireny ho sorona ankasitrahin’ny Tompo. Dia izany no hampamirapiratany an’ilay tempoly itoeran’ny famirapiratany.
8
Iza àry ireto olona ireto? Manidina toy ny rahona na toy ny voromahailala mody any an-tranony ireto?
9
Sambo avy any amin’ny nosy lavitra any ireo no mitangorona tarihin’ny sambo vaventy. Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao miaraka amin’ny volafotsy sy ny volamenany: tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao, dia ilay Masin’i Israely Izay nampamirapiratra anao.
10
Ny hafa firenena no hanamboatra indray ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao, hoy ny Tompo. Nikapoka anao Aho fony mbola tezitra fa mahafaly Ahy kosa ankehitriny ny haneho famindrampo aminao.
11
Hivoha hatrany ny vavahadinao ka tsy hakatona na andro na alina mba hampidirana hankao aminao ny fananan’ny firenen-kafa sy ireo mpanjakany efa voababo.
12
Ho levona ny firenena sy fanjakana izay tsy mety hanompo anao; ho ringana tokoa ireny firenena ireny.
13
Ny voninahitry ny hazo rehetra any Libano, dia ny kipreso sy ny sapay ary ny bokso, no indray ho tonga ao aminao mba handravahana ny Toeramasiko. Izany no hanomezako voninahitra ny trano misy ny fitoeran-tongotro.
14
Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna -n’ilay Masin’i Israely.»
15
Nafoy ianao teo ka tsy nisy tia anao na mba nandalo nijery anao akory, fa izao dia hataoko foto-pireharehana ianao ho an’ny taonjato mifanesisesy ary hataoko foto-pifaliana ho an’ny taranaka mifandimby.
16
Ny firenen-kafa sy ny mpanjakany no hamahana sy hamelona anao; ka ho fantatrao fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao, Izaho ilay Maherin’i Jakôba no Mpanavotra anao.
17
Volamena no hoentiko ao aminao, volamena ho solon’ny halimo, ary volafotsy ho solon’ny vy; halimo no hoentiko ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato. Satria ny fahefana amam-pitondrana haoriko ao aminao dia ny fiadanana sy ny fahamarinana no hiompanany.
18
Tsy ho re ao amin’ny taninao intsony ny fampahoriana na ao amin’ny faritaninao ny faharavana sy fahasimbana. Fa ny mandanao hantsoinao hoe: «Famonjena»; ary ny vavahadinao hantsoinao hoe: «Fiderana an’Andriamanitra.»
19
Tsy mba ny masoandro intsony no ho fanazavana anao amin’ny andro; tsy mba ny volana mangarangarana intsony no ho fanazavana anao amin’ny alina; fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no ho fanazavana anao mandrakizay sy ho famirapiratanao.
20
Tsy hilentika intsony toy ny masoandro ny fanazavana anao amin’ny andro, tsy hisoka intsony toy ny volana ny fanazavana anao amin’ny alina satria Izaho TOMPO mihitsy no ho fanazavana anao mandrakizay; ka hifarana hatreo ny andro fisaonanao.
21
Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.
22
Ny fianakaviana kely indrindra ho tonga olona arivo, ary ny fianakaviana osa indrindra hanjary firenena mahery. Izaho TOMPO mihitsy no hanafaingana izany amin’ny fotoana tokony hahatongavany.
← Chapter 59
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 61 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66