bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Isaiah 40
Isaiah 40
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 41 →
1
Ampaherezo, ampaherezo ny vahoakako, hoy ilay Andriamanitrareo.
2
Omeo toky i Jerosalema ka antsoantsoy aminy fa tapitra ny asa an-terivozona sady vita ny sazy nahatra taminy; ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’ny TOMPO izy ho avotry ny fahotana rehetra nataony.»
3
Misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an-taniefitra ho an’ny TOMPO, mamakia arabe any an-tany karakaina ho an’Andriamanitsika.
4
Aoka hasondrotra ny lohasaha rehetra ary aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra! Aoka hovana ho lembalemba ny tany be havoana ary ho saha midadasika ny tany mikitoantoana!
5
Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO, ka hiara-mahita izany ny olona rehetra. Fa ny vavan’ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»
6
Misy feo manao hoe: «Miantsoa.» fa hoy ny famaliko azy: «Inona no antso hataoko?» Dia niteny indray izy hoe: «Izao no antso hataonao: Mihelina toy ny ahitra ny olona rehetra, toy ny voninkazo eny an-tsaha ny faharetany:
7
Mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo rehefa seranan’ny fofonain’ny TOMPO. –Mihelina toy ny ahitra tokoa ny olona–.
8
Eny, mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo, fa ny herin’ny tenin’Andriamanitsika no haharitra mandrakizay.»
9
Ry vahoakan’i Tsiôna nanankinana vaovao mahafaly ô, miakara eny an-tendrombohitra avo; ry vahoakan’i Jerosalema nanankinana vaovao mahafaly ô, ingao mafy ny feonao ka aza matahotra. Lazao amin’ireo ao tanànan’i Joda hoe: «Indro Andriamanitrareo.
10
Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery sady manana ny fahefana hanjaka. Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany sady eo anoloany ho valin-kasasarany.
11
Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry ary roahiny miadana ny ampianahany.»
12
Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany na naharefy ny lanitra tamin’ny irain-jehiny? Iza no nahangona ny vovotany tamin’ny vata famarana tokana ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana tamin’ny mizana anankiray monja?
13
Iza no naharefy ny Fanahin’ny TOMPO, iza no nahatakatra ny fikasany?
14
Iza no nakany hevitra ka nampatsilo Azy na nampianatra Azy ny fahaiza-mitsara, sy nanoro Azy ny fahalalana ary nampahafantatra Azy ny fahaiza-manavaka?
15
Eo anatrehan’ny TOMPO, indreo ny firenena fa toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny, na toy ny fasika madinika iray eo ambony mizana; ary indreo ny mponina any amin’ny nosy fa ingaina toy ny vovotany maivan-kely.
16
Ny biby fihaza ao Libano amin’ny TOMPO tsy ampy hatao sorona dorana manontolo; ary ny hazo ao anatin’ny alany tsy ampy hatao kitay amin’izany.
17
Toy ny tsinontsinona ny firenen-drehetra eo anatrehan’ny TOMPO; toy ny tsy misy sady zava-poana ireny aminy.
18
Koa ampitovînareo amin’iza moa Andriamanitra? Endrik’inona no ampanahafinareo Azy?
19
Raha ny sampy no tenenina dia mpanao taozavatra no nandrendrika azy, mpanefy firavaka no nandrakotra azy takela-bolamena ary nandrenty azy rojo volafotsy.
20
Ny mahantra izay tsy afaka mandany toy izany dia mifidy vatan-kazo tsy mety lo, ary mitady mpandrafitra mahay mba hanangana sampy tsy hihozongozona.
21
Moa tsy fantatrareo na efa renareo ve, moa tsy nambara taminareo hatrany am-piandohana ve, ary moa tsy noeritreretinareo ve ilay mpanangana ny fanorenan’ny tany?
22
Izy no mipetraka amin’ny sezafiandrianana eo ambonin’ny habakabaka izay andohalambon’ny tany; ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny. Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.
23
Izy no mahatonga ny mpitondra ho tsinontsinona sy maha zava-poana ny mpifehy ny tany.
24
Vao tonga eo amin’ny toerany ireny, vao manomboka miely patrana, vao miorim-paka amin’ny tany, dia tsofin’ny fofonain’ny TOMPO ka mihamalazo; ary indreny fa voapaoka toy ny mololo indaosin’ny tadio.
25
«Koa hampitovînareo amin’iza Aho ary hoharinareo amin’iza, hoy ilay Andriamanitra masina?»
26
Atopazo eny an-danitra ny masonareo ka jereo: Iza no nahary ny kintana? Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony toy ny andian-tafika hanao matso sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Lehibe loatra ny heriny ary tena hentitra ny fahefàny ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.
27
Ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba, nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe: «Tsy hitan’ny Tompo akory izay mahazo ahy, lalovan’Andriamanitra fotsiny ny zoko?»
28
Tsy fantatrao sady tsy efa renao va fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay? Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalàny.
29
Manome hery ny reraka Izy ary manatanjaka ny malemy.
30
Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra, ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka.
31
Fa izay matoky ny TOMPO kosa dia hahazo hery vaovao hatrany, ka hisidina ambony toy ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66